- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejypta: Fetiben'ny Filma Momba ny Mpitsoa-ponenana Ao Kairo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Eritrea, Etiopia, Iràka, Palestina, Sodàna, Somalia, Fampandrosoana, Foko sy Fiaviana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Sarimihetsika, Vonjy Voina, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2009 ity adika eto ity)

Nanasa ahy tao amin'ny bilaogin'ny Fetiben'ny Filma momba ny Mpitsoa-ponenana Kairo [1] ny wholehearteldy Sudaniya [2], ka nahita vaovao lehibe momba ireo mpitsoa-ponenana ao Ejypta tao anatin'izany bilaogy izany aho:

In the last three decades, Egypt has become host to refugees fleeing conflicts and persecution in Africa, Asia and Middle East. Many refugees have made Egypt their home and various refugee communities live amongst Egyptian, contributing to the Egyptian society. Though Sudanese are considered to be the largest refugee population, there are also large numbers of Somalis, Eritreans, Ethiopians, North Africans, and even more from Central and West Africa as also Iraqis. Refugees from the Middle and Far East also seek asylum in Egypt. In addition, there are an estimated 70,000 Palestinians. These refugees are often falsely identified as economic migrants, rather than a vulnerable population who fled their homelands due to political unrests and violence.

Tao anatin'ny telopolo taona farany, nanjary nampiantrano ireo mpitsoa-ponenana nandositra ady sy ny fanenjehana any Afrika, Azia sy Afovoany-Atsinanana i Ejypta. Maro ny mpitsoa-ponenana niantrano tao Ejypta ary  vondrom-piarahamonina mpitsoa-ponenana isan-karazany no monina eo anivon'ny Ejiptiana, sy mandray anjara amin'ny fiarahamonina Ejyptiana. raha heverina ho mponina mpitsoa-ponenana betsaka indrindra ny Sodaney, marobe ihany koa ireo Somaliana, Eritireana, Etiopiana, Afrikana Tavaratra, ary bebe kokoa mihitsy aza ny avy any Afrika Afovoany sy Andrefana. Mitady fialokalofana any Ejipta ihany koa ireo mpitsoa-ponenana avy any amin'ny faritra Afovoany sy ny Farany Atsinanana, tahaka ny Irakiana. Ankoatra izany, tombanana ho 70.000 eo ny Palestiniana. Matetika raisina am-pahadisoana ho mpifindra monina ara-toekarena ireo mpitsoa-ponenana ireo, fa tsy raisina toy ny mponina marefo izay nandositra ny taniny noho ny korontana ara-politika sy ny herisetra.

Ezaka hampiditra ireo mpitsoa-ponenana ao anatin'ny fireneny vaovao mpandray vahiny ny Fetiben'ny Filma momba ny Mpitsoa-ponenana ao Kairo

Since the vast majority of refugees will never be resettled, integration in Egypt is of great concern and the need of the hour. This is possible only when when the misconceptions between the host communities and the refugee communities are cleared and an appreciation and understanding of the others’ circumstances is fostered.

Against this backdrop and with a view to bring the refugee and the egyptian communities together, the idea of a film festival took birth.

Koa satria tsy ho tafaverina amin'ny fonenany ny ankamaroan'ny mpitsoa-ponenana, ahiahy lehibe sy filàna maika ny fidirany ao Ejipta. Azo atao izany raha toa ka mazava ny fiheverena diso eo amin'ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano sy ny vondrom-piarahamonina mpitsoa-ponenana ary voizina ny fankasitrahana sy ny fahatakarana ny toe-javatra iainan'ny hafa.

Noho izany indrindra sy ny fikasana hampitambatra ny mpitsoa-ponenana sy ny fiarahamonina Ejyptiana no antony nisian'ny hevitra Fetiben'ny Filma.

Tontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 20 Jiona ao amin'ny trano fanaovana teatra Rawabet ao afovoan-tanànan'i Kairo, ny fetibe tontosaina ho fahatsiarovana ny Andro Manerantany ho an'ny Mpitsoa-ponenana dia mikendry [3] ny:

chronicle the lives, struggles, and achievements of refugee populations around the world from the 1930s to the present day. We aspire to break the Egyptian myth that the refugee movement is an Afro-centric problem and that refugees are always African. Through the medium of film, we aim to sensitize the Egyptian community on refugees’ stories, obstacles and resilience.

mitantara ny fiainana, ny tolona, sy ny zava-bitan'ny mpitsoa-ponenana manerana izao tontolo izao nanomboka tamin'ny taona 1930 ka hatramin'izao. Maniry ny handrava ny angano Ejypsiana izahay izay milaza fa ny hetsika mpitsoa-ponenana dia olana mifantoka loatra amin'ny Afrikana ary ny mpitsoa-ponenana dia Afrikana foana. Amin'ny alalan'ny fitaovan'ny sarimihetsika, mikendry ny hanentana ny fiarahamonina Ejyptiana mikasika ny tantara, ny olana sy ny faharetan'ny mpitsoa-ponenana izahay.

Nitanisa ireo mpanohana, mpiara-miasa sy mpikarakara [4], fandaharam-potoana [5], sy atrikasa [6] tontosaina miaraka amin'ny hetsika ihany koa ny bilaogy.