Iran: Mamaly Ny Fanontanian'ireo Bilaogera i Khatami

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Mey 2009 ity adika eto ity)

logo4

Tamin'ny Alahady, nandray anjara tamin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra antserasera natombok'ilay reformista antsoina hoe Mowj4 i Mohamad Khatami, filoha Iraniana reformista teo aloha, izay manohana ny firotsahan'i Mir Hussein Mousavi amin'ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana

Namaly fanontaniana avy ao amin'ny aterineto i Khatami, anisan'izany ny fanontaniana avy amin'ireo bilaogera, mpisera Facebook sy Twitter. Namaly fanontaniana amin'ny lohahevitra samihafa izy, toy ny fifidianana, politika ivelany sy ny aterineto. Nilaza ihany koa i Khatami fa farafahakeliny mandany ora iray isan'andro mamaky bilaogy sy tranonkala izy. Nilaza koa izy fa na dia tsy bilaogera aza, dia tia bilaogy izy.

Nokarakarain'ireo bilaogera ity hetsika ity ary novakian'ireo bilaogera Iraniana roa Hanif Manzori sy Somayeh Tohidloo ny ankamaroan'ireo fanontaniana. Nampiasa fitaovana samihafa toy ny Twitter, Facebook, sy Mailaka ary Yahoo! Messenger ireo mpisera aterineto mba hamoahana ny fanontanian'izy ireo. Afaka mamaky ny fanehoan-kevitra tamin'ny tafatafa niarahana tamin'i Khatami amin'ny alalan'ny FriendFeed ihany koa izahay.

Ao amin'ny FriendFeed, afaka mahita isika fa nilaza i Khatami fa tsy tokony ho fady ny fametrahana fifandraisana ara-diplaomatika amin'i Etazonia, ary samihafa sy misaina kokoa ankehitriny ny politika ivelany Iraniana miaraka amin'i Mousavi amin'ny maha-filoha azy. Nilaza ihany koa i Khatami fa tsy azo sakanana ny fandehan'ny aterineto ary andraikitry ny governemanta ny manome tolotra sahaza ho an'ny mponina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.