Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ampitomboina Ny Fianarana Ara-pivavahana Eny An-tsekoly, Hahena Amin'ny Programa Tiorka ny Fianarana Fivoaran-Javamananaina

Sarin'i Recep Tayyip Erdogan nalaina tao amin'ny from r4bia.com. Creative commons.

Raha nikendry ny fiaraha-mitantana ny fanavaozana ny fampianarana teo aloha avy amin'ny kaonservativa ara-tsosialy AKP ao Torkia (Antokon'ny Fahamarinana sy ny Fampandrosoana), manana tanjona manahirana kosa ny fanavaozana amin'izao fotoana izao.

Tsy afa-po tamin'ny fanesorana mpiasa teo amin'ny 45.000 tao amin'ny minisiteran'ny fampianarana taorian'ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny volana Jolay tamin'ny taona lasa, fa mikasa hanaisotra ny teorian'i Darwin ny antokon'ny fitondrana ao Torkia ankehitriny.

Tamin'ny volana lasa, nanambara ny governemanta fa hesorina amin'ny fandaharam-pianarana eny amin'ny sekoly Tiorka ny teorian'ny evolisiona [fivoaran'ny zava-mananaina] mandrapaha-tongan'ny mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo

Miampy ny porofo notononin'ireo laika manahy amin'ny fanambarana, nilaza izy fa nohavaozina mifanaraka amin'ny sitrapon'ny Filoha Erdogan mba hitaiza “taranaka mpivavaka”, sy hanorina “Torkia Vaovao” ny rafi-pampianarana ao Torkia.

Tsy vaovao ny ezaka hanavao ny fandaharam-pianarana miaraka amin'ny fitsipika ara-pivavahana ao amin'ny firenena, efa nisy tamin'ny Febroary 2012 izany.

Ny zavatra niova hatramin'ny naha-Filoha an'i Erdogan dia ny toerany toa tsy ho takatra kitihina taorian'ny fikasana hanongam-panjakana sy taorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka tao Tiorkia.

‘Tiorka Vaovao’

Na dia nihena aza ny maro an'isany ary miha-misara-bazana hatrany ireo mpifidy Tiorka – na angamba noho izany zavatra izany – manosika ny programan'asany ara-politika amin'ny fomba mahery vaika kokoa noho ny hatramin'izay ny AKP.

Miaraka amin'ny fandraràna ny evolisiona eny an-dakilasy, ahitàna tantaran'ny governemanta momba ny fikasana hanongam-panjakana 2016 atsofoka ao anatin'ny fandaharam-pianarana ny fanavaozana ny fanabeazana avy amin'ny AKP, ary hahena kosa ny fotoam-pampianarana momba ilay mpanorina an'i Torkia laika Kemal Attaturk.

Anisan'ny zavatra hita ao anatin'ny fandaharam-potoana vaovao momba ny fampianarana ny fanerena ny mpianatra vao hiditra hianatra mba hisoratra anarana any amin'ny sekolim-panjakana imam-hatip mampiadi-hevitra

Nahazo dera avy amin'ny liberaly sy ny mpandala ny mahazatra ny governemanta AKP  noho izy nahavita nanaisotra ny  fandraràna voaly eny amin'ny oniversite tamin'ny taona 2010. Nahafahan'ny vehivavy avy amin'ny fianakaviana silamo hahazo fanabeazana bebe kokoa izany fanapahan-kevitra izany.

Saingy niatrika tsikera kosa ny sekoly Imam-hatip noho ny fanakiviana ny ankizivavy tsy hanao izany zavatra izany. Mahita ireo laika fa ahitana marika ny andraikitra lehibe eny an-tsekoly eo amin'ny rafi-panabeazana Torkia fa mbola miezaka handrendrika ny firenena amin'ny endrika nentim-paharazana azy  manokana ny AKP.

Fandrahonana mitohy

Araka ny filazan'ny filohan'ny fandaharam-pianarana ao amin'ny minisiteran'ny fanabeazana ao Torkia, “mampiadihevitra” ny fampianarana ny evolisiona eny an-tsekoly, saingy nirona haingana kokoa tany amin'ny siansa ireo mpanohitra izany fandraràna izany.

Nesorin'izy ireo tamin'ny fandaharam-pianarana ny evolisiona, nahena 33 isan-jato ny fianarana biolojia, raha nampitomboina 100 isan-jato kosa ny ora fianarana fivavahana. Raha sitrapon'Andriamanitra, handresy an'i Iran isika atsy ho atsy.

Nesorin'izy ireo ny fampianarana ny teorian'ny evolisiona. Tsy manontany izay zavatra hampianarin'izy ireo ny zanatsika aho.

Tsy hisy intsony ny fampianarana momba ny evolisiona. Saingy misy ny fampianarana momba ny lalàna heloka bevava Sharia sy ny fivavahana. Izany no dikan'ny “Tiorka Vaovao”

Ny fianarana biolojia, fianarana voalohany, endrika voalohany: tena misy ny evolisiona, ary tsy mety ho voatohitra. Tsaroako tao anatin'ny 29 taona izany. Marina ny an'ilay mpampianatra.

Nitsikera ihany koa ny avy amin'ny iraisampirenena

Manohy manova ny marika famantarana an'i Torkia amin'ny famafàna ny evolisiona amin'ny fandaharam-pianarana ao amin'ny firenena i Erdogan.

Mihatra eny an-tsekoly ihany amin'izao fotoana izao ny fandraràna ny evolisiona, saingy maro ireo miahiahy fa mety ho voakasika ihany koa ny oniveriste noho ny fanovana lehibe ataon'ny governemanta. Mpampianatra an'arivony eny amin'ny oniversite no very asa taorian'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila, raha 15 tamin'ireo oniversite 180 tao Torkia kosa no nikatona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.