- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Mi* Sehatra Ho An'ny Olom-pirenena Mpanao Gazety Miteny Espaniola Vao Misondrotra

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Ekoatora, Kolombia, Repoblika Dominikana, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 13 Aprily 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nitsimoka tao Arzantina ny tranonkala Mi * fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena [1] , fikasana ho lasa sehatra ho an'ny olom-pirenena mpanao gazety miteny espaniola vao misondrotra mba hamoahany ny asany sy handraisany fanehoan-kevitra, hiresahany foto-kevitra, hahazoany fiofanana sy hizarany votoaty. Ao Arzantina, Ekoadaoro ary Repoblika Dominikanina ihany aloha hatreto no ahitana ny atrikasan'ny fanaovan-gazety ho an'ny olom-pirenena , ary efa nandray anjara tao amin'ny tranonkala ny olom-pirenena avy ao amin'ireo firenena ireo sy avy any amin'ny firenen-kafa .

http://static.ning.com/socialnetworkmain/widgets/video/flvplayer/flvplayer.swf?v=4.0.9%3A20487

Mampiseho ny hevitry ny olona izay ao anatin'ny atrikasa any Ekoadaoro ny lahatsary teo aloha, sy ny fomba nanovan'ny atrikasa ny fomba fiasan'izy ireo. Nilaza izy ireo fa manome sehatra tena tsara ho azy ireo ny Mi * mba hamoahana votoaty manan-danja izay voaholikilika raha any amin'ny tambajotra sosialy malaza kokoa  .

Azonao atao ny misoratra anarana ao amin'ny atrikasa virtoaly na mivantana eo amin'ny sisin'ny pejin'ny tranonkala. Araka an'i Jacinto Lajas ao amin'ny bilaogy Citizen Journalism [2] [es]:

Para ello organizan Talleres de Periodismo Ciudadano [3], ya celebrados en diferentes países, abiertos a todo público y destinados a generar espacios de participación directa de la ciudadanía en los medios de comunicación. Se trata de dotar a los jóvenes de las herramientas disponibles en la comunidad de Mi Asterisco para que puedan dar a conocer sus ideas, plantear problemas y compartir contenidos.

Mba hanatontosana izany, dia nikarakara ny Atrikasan'ny Fanaovan-gazety ho an'ny Olom-pirenena [3]  izy ireo izay efa natao tany amin'ny firenena samihafa, ary misokatra ho an'ny besinimaro sy natao mba hanomezana sehatra fandraisana anjara mivantana ho an'ny olom-pirenena ao amin'ny fampitam-baovao. Hanomezana ny tanora ny fitaovana misy ao amin'ny  vondrom-piarahamonina My Asterisk izany mba hahafahan'izy ireo mampahafantatra ny heviny, ny olana misy sy ny fizarana votoaty.

Ao amin'ity lahatsary manaraka ity, hanontaniana ny eritreriny momba ny hoavin'ny gazety ny mpandray anjara ao amin'ny atrikasa Ekoadaoro ary nilaza izy ireo fa ny fidirana amin'ny aterineto no dingana azo antoka, satria ny votoaty an-tserasera  no nahatonga ny gazety ao an-toerana ho fantatry ny mpijery iraisam-pirenena , ary manana mpanjifa betsaka kokoa noho izany izy. Tokony hiezaka hifaninana amin'ny fomba fijery mangarahara bebe kokoa ihany koa ny gazety ary haka antoka tsara amin'ny fahamarinan'ny vaovao miseho.

http://static.ning.com/socialnetworkmain/widgets/video/flvplayer/flvplayer.swf?v=4.0.9%3A20487

Afaka mamorona ny mombamomba anao [4] ianao ao amin'ny tranonkala Mi* [5], mandefa sary [6] , lahatsary [7] , manoratra lahatsoratra [8] , mandefa ny zava-mitranga [9] , manatevin-daharana ny vondrona [10] , manokatra adihevitra. Ny sasany amin'ireo vondrona malaza indrindra dia ahitana ny “Future Journalists [11]” (Mpanao Gazetin'ny Hoavy), “History of the Coup d'etat [12]” (Tantaran'ny fanonganam-panjakana ), “Colombia, Beloved Homeland [13]” (Kolombia, Ry  Tanindrazana malala) sy  “No to Police Force's Abuses [14]” (Tsia ho an'ny herisetran'ny polisy).

Avy amin'i Andrea Hernández [15] ny iray amin'ireo lahatsary nalefan'ny mpandray anjara tao amin'ny tranonkala ary miompana amin'ny fidiram-bolan'ny olona mivarotra tsy ara-dalàna eny an-dalambe. Ato amin'ity lahatsary fanadihadiana notontosain'ny cdimarcoa [16] ity, no ahitantsika ny rotoroton'ny olona isan'andro izay mivelona amin'ny fivarotana sakafo anaty baoritra sy ny antso an-telefaonina amin'ny minitra ao an-tanàndehiben'i Bogotá: