- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Tanora Manerana Izao Tontolo Izao Maneho Hevitra Ao Anatin'ny 60 Segondra

Sokajy: Karaiba, Antigoa sy Barboda, Bangladesh, Mongolia, Nizera, Polonina, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 30 Novambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Logo du OneMinutesJr

Sary famantarana ny OneMinutesJr

Manome fahafahana ho an'ny tanora 12 ka hatramin'ny 20 taona manerana izao tontolo izao haneho hevitra sy hianatra mikasika ny lahatsary  mba hifaneraserana amin'ny alàlan'ny fandravana ny sakana toy ny sisintany, ny fiteny sy ny halavirana ao anatin'ny lahatsary maharitra 60 segondra ny tetikasa OneMinutesJr [1] .

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Orina Mpanasoa Ara-kolontsaina Eoropeana [2] , sy ny One Minutes Jr. Foundation [3] (Orina Mpanasoa Iray Minitra Jr), ary ny UNICEF [4] sy ny fikambanana mpiara-miasa hafa ny tetikasa OneMinutesJr.  Azonao jerena ao amin'ny tranonkala ny lahatsary maro maharitra iray minitra avy amin'ny firenena samihafa. Ahitana ny fandraisan'anjaran'olo-tokana ny sasany , ny hafa kosa dia vokatry ny atrikasa [5]izay hanomezana fampianarana ny tanora momba ny fanomanana an-tsoratra ny lahatsary, ny fakana lahatsary sy ny fanatsarana ny hevitra tiany ambara ao anatin'ny lahatsary.

Mampiseho ny ahiahy, ny hevitra sy ny nofinofin'ny tanora avy amin'ny fiaviana samihafa, izay nandia lalana samihafa ireo lahatsary fohy ary mamela antsika hahafantatra ny fomba fiainany andavanandro. Ohatra, avy any Polonina, manazava i Ludmila Kierczak [6] hoe iza izy ao amin'ny lahatsary. Kitiho eo amin'ny sary etsy ambany raha hijery ny lahatsary mba hitondrana anao any amin'ny tranonkala OneMinutesJr

Manazava ny lahatsoratra vitsivitsy ao amin'ny Fifanekena mikasika ny Zon'ny Ankizy [7] i Mobasshera Tarannum Adiba, avy any Bangladesh. Naka ny andininy faha-12 izy ao anatin'ny lahatsary mitondra ny lohateny hoe I want Freedom [8] (Mila fahafahana aho) izay ahitana ny zon'ny ankizy maneho hevitra malalaka, ary tokony homen-danja sy ny andininy faha-16 izay milaza fa manan-jo hanana ny fiainany manokana ny ankizy.

Manazava ny zo ahafahana mampiasa ny kolontsaina i Tuvdenjamts (Tuvden) Altankhyag [9], avy any Mongolia :

Mampiasa ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra ao anatin'ny lahatsary mitondra ny lohateny hoe Confessions of a Female Adolescent [10] [Ny Tsiambaratelon'ny Zatovovavy] i Simone Tonge avy any Antigua-et-Barbuda, any Karaiba miteny anglisy:

Manazava ny zon'ny ankizy mba hanana fianakaviana izay tia azy sy miaro ny zony ao anatin'ilay lahatsary hoe With or Without [11] (Na misy izany na tsy misy) i Ibrahim Ide avy any Niger :

Afaka mitsidika ny tranonkala fototra TheOneMinutesJr.org [1] ianao  raha te hahita bebe kokoa ireo lahatsary avy amin'ity tetikasa ity, na mitsidika ny fantsona Youtube [12] izay noforonin'ny UNICEF ao anatin'ny tetikasa. Ho hitanao ao ny lahatsary maro iray minitra nataon'ny tanora miaraka amin'ny foto-kevitra miompana amin'ny Zon'ny ankizy.