- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazakhstan: “Fahadisoana Ara-Antontanisa”, Tantaran-Kolikoly Vaovao

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka efa tamin'ny volana Jiona 2009 ity adika eto ity)

Nosazian'ny [1]fitsarana Kazakhstan omaly ny fisamborana an'i Nurman Bayanov, Filoha lefitry ny Sampan'ny Antontanisa misahana ny fanodikodinana ny vola nomena ny fanisam-bahoakam-pirenena [ru]:

“There was total of $7.6 million allocated for the census. As a result of investigation it was determined that in fact only $2.2 million were spent for this purpose. The remaining funds were plundered”.

 “7,6 tapitrisa dolara no natokana ho an'ny fanisam-bahoaka. Vokatry ny fanadihadiana, hita fa 2,2 tapitrisa dolara ihany no nolaniana tamin'ity tetikasa ity. Niodina ny vola ambiny”.

Ankoatra izany, filoha lefitra iray hafa ao amin'ny Sampan-dRaharahan'ny antontan'isa sy mpandraharaha malaza roa – Serik Turzhanov ny iray, izay Filoha lefitry ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostria sady olom-panjakana malaza – no nosamborina ihany koa satria voalaza fa mpiray tsikombakomba.

Mikasika izany, manontany tena i Megakhuimyak [ru] hoe:

If out of $7.6 million allocated for the country population count there were $5.4 million stolen, how would the measurement error change (usually it is around 2-3%)?

Tamin'ny vola 7,6 tapitrisa dolara natokana ho an'ny fanisam-bahoakam-pirenena, 5,4 tapitrisa dolara no nangalarina, ahoana no niovan'ny refim-pisoroham-pahadisoana (matetika eo amin'ny 2-3% izany)?

Tsy mahagaga [2]an'i pycm [ru] ity vaovao ity:

Well, it could be expected, taking into account the way how poorly the census was held this year.

 Eny, azo ampoizina izany, raha mijery ny fomba ratsy nanatontosàna ny fanisam-bahoaka tamin'ity taona ity.

Nampahatsiahy ihany koa izy hoe:

Besides, we are 72 years away from 1937 [the peak of J. Stalin repressions]. 72 is six multiplied by twelve. Isn't there some mystical recurrence and regularity?

Ankoatra izany, 72 taona niala ny taona 1937 isika [ny tampon'ny famoretan'i J. Stalin]. Enina ampitomboina roambin'ny folo ny 72. Tsy misy misitery somary hafahafa sy miverimberina ve?

Dass nanamarika fa [3] [ru]:

When a top-ranking official in our country is accused of corruption, abuse of power, theft etc., some people automatically start assuming that this person is a political prisoner. They think: “Why is it exactly this man, who has got targeted, if everybody there [in power] do the same?”. It is no wonder that from this point of view any real anti-corruption action would be perceived as redistribution of assets or crackdown on dissent.

Raha misy manam-pahefana ambony eto amin'ny firenentsika voampanga amin'ny kolikoly, fanamparam-pahefana, halatra sns,  manomboka mihevitra ho azy ny olona sasany fa gadra politika izany olona izany. Mihevitra izy ireo hoe: “Nahoana no io lehilahy io mihitsy no nokendrena, raha toa ka manao izany daholo ny olona rehetra [eo amin'ny fitondrana]?”. Tsy mahagaga raha avy amin'izany fomba fijery izany, raisina ho fizaram-pananana hafa indray na famoretana ny mpanohitra ny tena hetsika ady amin'ny kolikoly.

Mandritra izany fotoana izany, thousand-pa nanamarika tamin'ny fomba miiba hoe [4][ru]:

The state machine's entire mechanism is now involved in repressions, and any hint of misdoing is considered as a “Hunt!” signal. And once “Hunt!” has been said, nothing can stop executors from punishing the object. The power punishes as enthusiastically, as it plunders the budget. What else can you expect from the country where “law and order” is just a fig-leaf that covers huge interests of a small group of majors?

 Ny rafitra manontolon'ny rafi-panjakana ankehitriny no mandray anjara amin'ny famoretana, ary izay ahiahy amin'ny fanaovan-dratsy dia heverina ho toy ny marika “Hazalambo!”.  Raha vao lazaina ny “Hazalambo!”, tsy misy afaka manakana ny manampahefana hanasazy olona. Manasazy an-kafanam-po ny fitondrana, satria manodina ny volam-panjakana izy. Inona koa no azonao antenaina avy amin'ny firenena izay ravina aviavy mandrakotra ny tombontsoa goavan'ny vondrona vitsy an'isa ny “lalàna sy ny didy?

Nalefa tao amin'ny neweurasia ihany koa ny lahatsoratra: [5]