- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manomana Hazakazaka Mahery Vaika Ho Amin'ny Toeran'ny Filoha Ireo Fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina Any Meksika

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Estudiantes mexicanos protestando contra el partido político "PRI" y el Presidente Peña. Imagen compartida en Flickr por la usuaria <a href="https://www.flickr.com/photos/julielouisa/7176641341/in/photolist-bWbarx-bWbkzM-cdxoTh-cdxAVA-ctkg2f-bWbcFv-ghmh1N-gkc6T1-gk6hUo-gjVTKL-gmqJPL-bWbdKR-gU8SR-c1X5Gs-ctmt5Y-c1Z36j-c4zi2Q-bR5ZVn-c1TQXW-ctjmuW-c1Xuzs-c1ZcWE-bR61EB-c1XypW-c1UiSf-eUT1JX-ctjYQj-c1VZx1-c1VJDA-c4zn2Q-c1VcVA-c1Y79j-eUT27x-ctmJwG-c1XNuE-ctjMd9-cFg1Pm-dfZuGG-ctmocN-cw39Tf-c4zmrJ-23ZR4-ctksEy-dBuxk2-c1UUs5-23ZSB-ctjgkj-c3YUNy-c1YH8J-c1YL3b/">Julie Louisa Hagenbuch</a>, utilizada en términos de la licencia <em><a href="https://creativecommons.org/licenses/by/2.0/">Creative Commons 2.0</a>.</em>

Meksikana mpianatra, manao hetsi-panoherana manohitra ny PRI (Parti Revolutionnaire Institutionnel) sy ny Filoha Peña. Sary nozaraina tao amin'ny Flickr avy tamin'ny mpampiasa Julie Louisa Hagenbuch [1], nampiasàna ny lisansa Creative Commons 2.0 [2].

Ireo Fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, ny Alahady lasa teo, tany Meksika no fihodinana farany amin'ny latsabato atrehan”ny firenena mialoha ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny herintaona, raha hifidy amin'ny Parti Revolutionnaire Institutinnel, na PRI, izay nitondra ny ny politika nandritra ny 70 taona tao anatin'ny 100 taona lasa, ireo Meksikana, na vondrona hafa mahasolo azy, toy ireo mpifidy teo anelanelan'ny taona 2000 sy 2012 nanohana ny Parti d'Action National notarihan'ireo mpitahiry ny nentindrazana, na ny PAN, tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Ny faran'ny herinandro lasa teo, nifidy governora telo ireo mpifidy (tany Coahuila [3], ny Fanjakan'i Meksika [4], ary Nayarit [5]), ary mpanao lalàna ben'ny tanàna am-polony eo an-toerana.

Ny valim-pifidianana ao amin'ny Fanjakan'i Meksiko no tena nandrasana mafy indrindra,  toerana nahaterahan'ny Filoha Enrique Peña [6], ary fonenan'ny 13 isan-jato eo ho eo amin'ireo mpifidin'ny firenenan'i Meksika. Ara-tantara, teo ambany vahohon'ny PRI ilay faritra, ary nirona tamin'ny kandikà PRI, Alfredo del Mazo, izay havan'ny Filoha Peña ireo valim-pifidianana voalohany ofisialy [7].

Andrés Manuel López Obrador [8], lehiben'ny Mouvement de la Regeneration National [9] (MORENA) – Hetsika Nasionaly Ho Fahateraham-baovao, no teo amin'ny laharana faharoa, faharesena hafa indray ho an'ilay mpitarika antoko sady efa in-telo no nirotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena avy amin'ny vondrona havia.

Captura de pantalla del Programas de Resultados Electorales Preliminares correspondiente al Estado de México.

Dikasarin'ireo Fandaharana savaranonando ny Valim-pifidianana Voalohany mifandraika amin'ny Fanjakan'i Meksiko.

Nandiso fanantenana ireo mpanohana ny MORENA toy izany koa ireo valim-pifidianan'ireo fifaninanana tany amin'ireo fanjakana hafa, toa hita ho resin'ireo kandidàn'ny PAN na tany Nayarit na tany Coahuila, ny farany indrindra tamin'ny fifaninanana mbola tery dia tery  tokoa. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, hita ho tsara ny toe-draharaha ho an'ny antoko eo amin'ny fitondrana ao Meksika, eo amin'ny lohalaharana amin'ny hazakazaka ho amin'ny fifaninanana ho filoha amin'ny herintaona.

Nisy resabe ihany koa manodidina ny fifidianana sasany. Miezaka ny mamintina ireo zava-nitranga tamin'ny Andron'ny Fifidianana ilay mpanao gazety sady mpanao politika, Beatriz Pagés, manoratra amin'ny vohikalan'ny El Mañanero Diario [10]:

Todos se declararon absurdamente triunfadores al mismo tiempo y a la misma hora en Nayarit, Coahuila y en el Estado de México provocando confusión, desconfianza en el proceso y en las instituciones electorales.

Pocos países han hecho tantas reformas, como éste [México], para dar legalidad y certidumbre a los comicios y sin embargo, a la manera de un democracia bananera y primitiva, los partidos se dedicaron, más que nunca, a recibir dinero ilegal, a calumniar al adversario, a comprar simpatías y a violar la ley, hasta en los más mínimos detalles.

Samy adaladala nanambara ny tenany ho mpandresy daholo ny rehetra tamin'ny fotoana sy ora nitovy, tany Nayarit, Coahuila, ary ny Fanjakan'i Meksiko, ka nahatonga fisavorovoroana be ihany sy tsy fahatokiana teo amin'ny fizotra sy tamin'ireo andrim-panjakana misahana ny fifidianana.

Firenena vitsy monja no nanao fanavaozana, toy ity iray ity [Meksika], mba hanao ireo fifidianana ho ara-dalàna sy azo antoka, kanefa, tamin'ny fomban'ny repoblika baraanahiny sy demokrasia vao mitsiry, vao mainka niditra tsy nisy ohatra izany tamin'ny fanekena vola tsy ara-dalàna ireo antoko, nanoso-potaka ireo mpifaninana aminy, nividy ny fitiavana, ary nanitsakitsaka ny lalàna — na tamin'ny fomba faran'izay kely indrindra aza.

Ny hevitr'ireo Olompirenena

Talohan'ny Androm-pifidianana, efa ho ireo antoko rehetra nametraka kandidà tamin'ny fifaninanana no nifanakalo fiampangàna sy fanaratsiana: nanomboka tamin'ireo fiampangàna ny Mouvement de la Regeneration Nationale ho nanao fanangonam-bola tsy ara-dalàna ho an'ny fampielezankevitra [11] ka hatramin'ireo filazàna ny PRI ho mividy vato [12]. Nandefa izao bitsika izao ilay mpitian ny mpiara-belona aminy sady mpikatroka manohitra ny ady amin'ny kolikoly, Claudio X. González, raha niresaka io olana io tany amin'ny Fanjakan'i Meksiko:

Tsy fantatro hoe iza no handresy amin'ny fifidianana ao amin'ny Fanjakan'i Meksiko; ny fantatro dia hoe, raha amin'ny tena demokrasia, tokony foanana io fifidianana io noho ireo tsy fanarahan-dalàna maro nataon'ny rehetra.

Amin'ny fandresen'i Del Mazo avy ao amin'ny PRI, tao amin'ny Fanjakan'i Meksiko, naneho izao hevitra izao ny mpampiasa Twitter Rodolfo Aceves:

Ny olana amin'ny fandresen'i #DelMazo amin'ny 33 isanjaton'ny vato dia ho kely ihany ny fahefàna omen'io azy. Tsy maintsy hiara-hitondra amin'ny mpanohitra ianao.

Ny mpampiasa Twitter, Zay L. Yañez, no iray amin'ireo olona maro milaza ny fomba fanao tsy ara-dalàna amin'ny “fividianana vato,” izay mampalaza ny PRI:

96 taona nfitantanan'ny PRI ny Fanjakan'i Meksika?
Fitarihana mpifidy
Fividianana vato
Fihoaran'ny vola natao ho an'ny fampielezankevitra
Fanafoanana ireo toeram-pifidianana
#Hosoka amin'ny Fifidianana

Tamin'io lohahevitra io ihany, nisy mpampiasa Twitter hafa nanipika fa noho izy ireo ao anatin'ny filàna vola mafy, misy ireo olona mivarotra ny vatony :

Tsy hitsara na iza na iza mihitsy aho hoe manapaka hevitra ny hivarotra ny vatony, raha ao anatin'ny hanoanana sy filàna vola, ny olona. Mizaka ny vokatry ny rafitra iray efa nandao azy ireo hatry ny ela ihany koa izy ireo.

Ho azy indray, nizara ity fanamarihana manaraka ity i Iván Viñas, momba ny valim-pifidianana tany Nayarit, fanjakana iray any avaratr'i Meksika:

Eh, henoy, fantatro fa tsy misy olona mieritreritra an'i Nayarit. Kanefa sambany resy ny PRI tany.

Tsara marihana fa tsy marim-pototra ilay fanehoankevitra, satria tao anelanelan'ny taona 1999 sy 2005,  olona nipoitra avy tao amin'ny laharan'ny mpanohitra fa tsy ny PRI no nitantana an'i Nayarit.

Mikasika ny faharesena nozakain'ny MORENA tarihin'i Andrés Manuel López Obrador (fantatra ihany koa amin'ny hoe AMLO), naneho hevitra toy izao ny mpampiasa iray, Wonder Wolfman:

I AMALO ny tompon'andraikitra tamin'ny faharesen'ny MORENA
Nozarazarainy ny vato
Nanompa ireo tokony nety ho namany izy
Kandidà mahatsiravina
Tsy fahaizana mitantana ny media

Ny farany, ao anatin'ny fiarahamonina anjakan'ny heloka [21] atao amin'ny mpanao gazety  [22]any Meksika, izay tsy voasazy, namoaka angon-drakitra tamin'ny karazana fanafihana tamin'ny Androm-pifidianana ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Article 19 [23] :

#TANDREMO: naharakitra fanafihana niisa 16 natao tamin'ny mpanao gazety ny vohikala Break the Fear,(Ravao ny Tahotra) nandritra ny #2017Elections (fifidianana ny taona 2017): 12 tao amin'ny Fanjakanan'i Meksika ary 4 tao Coahuila.