- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao Famoretana Fampitam-baovao Tsy Miankina Ny Miaramila Ao Myanmar Ary Nisambotra Mpanao Gazety Telo

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Mpanao hetsi-panoherana ao Myanmar mitaky ny famotsorana ireo mpanao gazety miatrika fiampangana heloka bevava avy amin'ny miaramila. Sary tao amin'ny pejy Facebook The Irrawaddy.

Mitaky ny famotsorana avy hatrany ireo mpanao gazety miisa telo izay nosamborin'ny miaramila any amin'ny Fanjakana avaratra Shan ao Myanmar tamin'ny 26 Jona 2017 ny vondrona fampitam-baovao sy ny mpikatroka.

Ny The Irrawaddy sy ny DVB no anisan'ireo fikambanan'ny fampitam-baovao tsy miankina vitsy nitatitra ny olana ara-politika, raha mbola eo ambany fitondrana miaramila i Myanmar. Mpiara-miasa ara-botoatim-baovao amin'ny Global Voices ny The Irrawaddy .

Voampanga amin'ny Lalànan'ny Fikambanana Tsy Ara-dalàna [2] i Lawi Weng avy ao amin'ny The Irrawaddy [3], sy U Aye Nai ary Ko Pyae Bone Naing avy ao amin'ny Democratic Voice of Burma [4] (DVB-Feon'ny Demaokrasia ao Burma), ary mety hiatrika hatramin'ny telo taona an-tranomaizina raha hita fa meloka. Manameloka ireo mpikambana ao amin'ny “fikambanana tsy ara-dalàna” ny lalàna nivoaka tamin'ny vanim-potoan'ny fanjanahantany, manasazy izay olona rehetra “mandray anjara, na mandray, na mangataka fandraisana anjara amin'ny tanjon'ny fikambanana toy izany” hatramin'ny telo taona an-tranomaizina ny làlanan'ny Fikambanana Tsy Ara-dalàna.

Rehefa very fahefana ny antoko tohanan'ny tafika tao Myanmar  tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2015 dia nitantana ny governemanta ny mpanohitra teo aloha Ligy Nasionaly ho amin'ny Demaokrasia (NLD) izay teo ambany fitarihan'i Aung San Suu Kyi [5]. Nitsiry ny fanantenana fa ho arovan'ny antoko eo amin'ny fitondrana vaovao ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, izay efa niady nandritra ny taona maro mba hamerenana ny fahalalahan'ny olom-pirenena sy ny demaokrasia ao Myanmar.

Tamin'ny fotoana nisamborana azy dia tao amin'ny faritra nofehezin'ny vondrom-poko mitam-piadiana Ta’ang National Liberation Army [6] (Tafi-Pahafahana Nasionaly Ta'ang) ireo mpitati-baovao telo, nanangom-baovao momba ny aferanà zava-mahadomelina ao amin'ny fanjakana.

Efa hatry ny ela  ny disadisa [7]teo amin'ny Tafi-Pahafahana Nasionaly Ta'ang (TNLA) sy ny governemanta federaly, ary nivadika ho nahery vaika tamin'ny faran'ny volana Jona. Tsy nanao sonia ny fifanarahana nataon'ny governemanta mikasika ny fampitsaharana na fampiatoana ady manerana ny firenena ny TNLA izay niady ho amin'ny fizakantena bebe kokoa ho an'ny vondrom-poko Ta'ang  .

Manana vondrom-poko miisa 100 mahery i Myanmar,  mitam-piadiana ny sasany amin'izany, ary mavitrika tamin'ny fijoroana hizaka tena. Naharitra am-polo taonany maro ny ady mitam-piadiana, ary niha-nahery vaika nandritra ny dimampolo taona mahery tambany fitondrana jadona miaramila. Nanohy ny dingana fampihavanam-pirenena sy fandriampahalemana ny fitondram-panjakana vaovao, izay nandray ny fahefana tamin'ny taona 2016, kanefa tojo fahasahiranana tany amin'ny faritra maro, anisan'izany ny fanjakana Shan, izay tena nanjakan'ny TNLA.

Mbola manohy mampiasa fahefana ao amin'ny fanjakam-birao sy ao amin'ny parlemanta amin'ny alalan'ny lalàm-panorenana izay novolavolainy tamin'ny taona 2008 ny miaramila na dia teo aza ny fahaverezan'ny fahefana.

Nanizingizina [8]i Ko Tha Lun Zaung Htet, mpikambana iray ao amin'ny Komity ho amin'ny Fiarovana ny Mpanao Gazety, vondrona iray ao an-toerana fa nanao fahadisoana tamin'ny fisamborana ny mpanao gazety ny miaramila:

Press members must have the right to do their job anywhere. What is important [for journalists] is to report fairly with no bias…It makes no sense to arrest journalists for doing their job and gathering information.

Tsy maintsy manan-jo hanao ny asany na aiza na aiza ny mpikambana ao amin'ny gazety. Ny mitatitra amim-pahamarinana tsy misy fitongilanana no tena zava-dehibe [ho an'ny mpanao gazety] … Tsy rariny ny fisamborana ireo mpanao gazety noho ny fanaovana ny asany amin'ny fanangom-baovao.

Nanontany [9]ny nandehanan'ny mpanao gazety any amin'ny faritra miady ny manampahefana tao amin'ny NLD, tamin'ny fandresen-dahatra fa tokony nangataka ny fahazoan-dalana avy amin'ny Vaomieran'ny fandriampahalemana ao Myanmar ireo vondrom-poko mitam-piadiana talohan'ny nanasana ireo mpanao gazety hanao ny asa ataon-dry zareo.  Tsy misy ifandraisany amin'ny fahazoan-dalana toy izany ny fiampangana izay atrehin'ireo mpanao gazety.

Nanamafy [10]i Aung Zaw, lehiben'ny toniandahatsoratra mpanorina ny The Irrawaddy fa ara-dalàna ho an'ny mpanao gazety ny mitsidika ny toerana misy fifandirana :

It has been frustrating to witness authorities’ lack of communication or assurance of the safety of our reporters, and it is absurd that security forces are using outdated laws to silence and punish journalists who have committed no crime.

This must be categorized as an unlawful arrest and detention; under media laws in Myanmar, reporters are allowed to gather news in conflict zones.

Tsy rariny ny mahita ny tsy fisian'ny serasera na ny fiantohana ny fiarovana ny mpanangom-baovao avy amin'ny manampahefana, ary tsy mitombina ny fampiasan'ny mpitandro ny filaminana ny lalàna lany andro hampanginana sy hanasaziana ireo mpanao gazety izay tsy nanao heloka bevava.

Azo ho sokajiana ho fisamborana sy fihazonana am-ponja tsy ara-dalàna izany; eo ambany lalànan'ny fampitam-baovao ao Myanmar, afaka manangom-baovao any amin'ny faritra misy fifanandrinana ny mpanao gazety .

Nampitandrina [11]i Kyaw Zwa Moe, toniandahatsoratry ny fanontana amin'ny teny anglisy ny The Irrawaddy, fa mety hisy vokany ratsy eo amin'ny fiarahamonina ny fisamborana ireo mpanao gazety miisa telo:

The arrest and charges demonstrate that either Myanmar’s military leaders don’t understand the nature and purpose of the media, or that this was a deliberate act intended to frighten journalists away from covering sensitive issues that could lead to criticism of the armed forces.

If the military arrested Lawi Weng and two DVB reporters due to what they describe as a connection to ethnic armed rebels, they would have to arrest hundreds of journalists who work for independent media across the country.

I am sure that nearly all Myanmar journalists have made contact at least once with members of “unlawful” ethnic armed groups, as all publications across the country have covered the peace process—one of the most important issues facing the nation.

Mampiseho ny fisamborana sy ny fiampangana fa na tsy mahatakatra ny natiora sy ny tanjon'ny fampitam-baovao ireo mpitarika miaramila ao Myanmar, na ninia nanao izany mba hampitahorana ny mpanao gazety hiala amin'ny fitaterana ny olana saro-pady izay mety hitarika ho amin'ny fanakianana ny tafika mitam-piadiana.

Raha nisambotra an'i Lawi Weng sy ny mpanao gazetin'ny DVB roa ny miaramila noho ny filazany izany ho fifandraisana amin'ny mpikomy ara-poko mitam-piadiana, dia tokony hisambotra ireo mpanao gazety an-jatony izay miasa amin'ny fampitam-baovao tsy miankina manerana ny firenena koa izy ireo.

Mino aho fa  efa nifandray, fara fahakeliny, indray mandeha niaraka tamin'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-poko mitam-piadiana “tsy ara-dalàna” ny ankamaroan'ny mpanao gazety rehetra ao Myanmar, satria efa nitatitra ny dingan'ny fandriampahalemana, iray amin'ireo olana lehibe indrindra atrehin'ny firenena, avokoa ny famoaham-baovao manerana ny firenena.

Niaraka tamin'ny sariitatra nataon'i Kyaw Thuyein Lwin, izay mampiseho miaramila misambotra mpanao gazety, ny lahatsoratr'i Moe raha tsy manao na inona na inona hampitsaharana ny fanafihana ireo mpitarika ny prô-demaokrasia teo aloha, izay anisan'ny antoko eo amin'ny fitondrana ankehitriny :

Fitantarana: Ny fanafihan'ny miaramila ny fampitam-baovao.

Ankoatra ny fisamborana ireo mpanao gazety telo, nitaraina [17] amin'ny firongatry ny fitoriana fanalam-baraka avy amin'ny manampahefana amelezana ny mpikambana ao amin'ny fampitam-baovao ny vondron'ny fampitam-baovao sy ny mpikatroka. Nanomboka ny fanangonan-tsonia mitaky [18]ny famotsorana ireo mpanao gazety sy ny fanafoanana [19]ny andininy faha-66 (d) amin'ny lalànan'ny fifandraisandavitra ao Myanmar izy ireo, izay mahasahana ny fanalàm-baraka an-tserasera .

Ho entina eo anatrehan'ny fitsarana [20] amin'ny 11 Jolay  2017 ireo mpanao gazety nosamborina .