Manao Famoretana Fampitam-baovao Tsy Miankina Ny Miaramila Ao Myanmar Ary Nisambotra Mpanao Gazety Telo
Dikandahatsoratra

Mpanao hetsi-panoherana ao Myanmar mitaky ny famotsorana ireo mpanao gazety miatrika fiampangana heloka bevava avy amin'ny miaramila. Sary tao amin'ny pejy Facebook The Irrawaddy.
Mitaky ny famotsorana avy hatrany ireo mpanao gazety miisa telo izay nosamborin'ny miaramila any amin'ny Fanjakana avaratra Shan ao Myanmar tamin'ny 26 Jona 2017 ny vondrona fampitam-baovao sy ny mpikatroka.
Ny The Irrawaddy sy ny DVB no anisan'ireo fikambanan'ny fampitam-baovao tsy miankina vitsy nitatitra ny olana ara-politika, raha mbola eo ambany fitondrana miaramila i Myanmar. Mpiara-miasa ara-botoatim-baovao amin'ny Global Voices ny The Irrawaddy .
Voampanga amin'ny Lalànan'ny Fikambanana Tsy Ara-dalàna i Lawi Weng avy ao amin'ny The Irrawaddy, sy U Aye Nai ary Ko Pyae Bone Naing avy ao amin'ny Democratic Voice of Burma (DVB-Feon'ny Demaokrasia ao Burma), ary mety hiatrika hatramin'ny telo taona an-tranomaizina raha hita fa meloka. Manameloka ireo mpikambana ao amin'ny “fikambanana tsy ara-dalàna” ny lalàna nivoaka tamin'ny vanim-potoan'ny fanjanahantany, manasazy izay olona rehetra “mandray anjara, na mandray, na mangataka fandraisana anjara amin'ny tanjon'ny fikambanana toy izany” hatramin'ny telo taona an-tranomaizina ny làlanan'ny Fikambanana Tsy Ara-dalàna.
Rehefa very fahefana ny antoko tohanan'ny tafika tao Myanmar tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2015 dia nitantana ny governemanta ny mpanohitra teo aloha Ligy Nasionaly ho amin'ny Demaokrasia (NLD) izay teo ambany fitarihan'i Aung San Suu Kyi. Nitsiry ny fanantenana fa ho arovan'ny antoko eo amin'ny fitondrana vaovao ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, izay efa niady nandritra ny taona maro mba hamerenana ny fahalalahan'ny olom-pirenena sy ny demaokrasia ao Myanmar.
Tamin'ny fotoana nisamborana azy dia tao amin'ny faritra nofehezin'ny vondrom-poko mitam-piadiana Ta’ang National Liberation Army (Tafi-Pahafahana Nasionaly Ta'ang) ireo mpitati-baovao telo, nanangom-baovao momba ny aferanà zava-mahadomelina ao amin'ny fanjakana.
Efa hatry ny ela ny disadisa teo amin'ny Tafi-Pahafahana Nasionaly Ta'ang (TNLA) sy ny governemanta federaly, ary nivadika ho nahery vaika tamin'ny faran'ny volana Jona. Tsy nanao sonia ny fifanarahana nataon'ny governemanta mikasika ny fampitsaharana na fampiatoana ady manerana ny firenena ny TNLA izay niady ho amin'ny fizakantena bebe kokoa ho an'ny vondrom-poko Ta'ang .
Manana vondrom-poko miisa 100 mahery i Myanmar, mitam-piadiana ny sasany amin'izany, ary mavitrika tamin'ny fijoroana hizaka tena. Naharitra am-polo taonany maro ny ady mitam-piadiana, ary niha-nahery vaika nandritra ny dimampolo taona mahery tambany fitondrana jadona miaramila. Nanohy ny dingana fampihavanam-pirenena sy fandriampahalemana ny fitondram-panjakana vaovao, izay nandray ny fahefana tamin'ny taona 2016, kanefa tojo fahasahiranana tany amin'ny faritra maro, anisan'izany ny fanjakana Shan, izay tena nanjakan'ny TNLA.
Mbola manohy mampiasa fahefana ao amin'ny fanjakam-birao sy ao amin'ny parlemanta amin'ny alalan'ny lalàm-panorenana izay novolavolainy tamin'ny taona 2008 ny miaramila na dia teo aza ny fahaverezan'ny fahefana.
Nanizingizina i Ko Tha Lun Zaung Htet, mpikambana iray ao amin'ny Komity ho amin'ny Fiarovana ny Mpanao Gazety, vondrona iray ao an-toerana fa nanao fahadisoana tamin'ny fisamborana ny mpanao gazety ny miaramila:
Press members must have the right to do their job anywhere. What is important [for journalists] is to report fairly with no bias…It makes no sense to arrest journalists for doing their job and gathering information.
Tsy maintsy manan-jo hanao ny asany na aiza na aiza ny mpikambana ao amin'ny gazety. Ny mitatitra amim-pahamarinana tsy misy fitongilanana no tena zava-dehibe [ho an'ny mpanao gazety] … Tsy rariny ny fisamborana ireo mpanao gazety noho ny fanaovana ny asany amin'ny fanangom-baovao.
Nanontany ny nandehanan'ny mpanao gazety any amin'ny faritra miady ny manampahefana tao amin'ny NLD, tamin'ny fandresen-dahatra fa tokony nangataka ny fahazoan-dalana avy amin'ny Vaomieran'ny fandriampahalemana ao Myanmar ireo vondrom-poko mitam-piadiana talohan'ny nanasana ireo mpanao gazety hanao ny asa ataon-dry zareo. Tsy misy ifandraisany amin'ny fahazoan-dalana toy izany ny fiampangana izay atrehin'ireo mpanao gazety.
Nanamafy i Aung Zaw, lehiben'ny toniandahatsoratra mpanorina ny The Irrawaddy fa ara-dalàna ho an'ny mpanao gazety ny mitsidika ny toerana misy fifandirana :
It has been frustrating to witness authorities’ lack of communication or assurance of the safety of our reporters, and it is absurd that security forces are using outdated laws to silence and punish journalists who have committed no crime.
This must be categorized as an unlawful arrest and detention; under media laws in Myanmar, reporters are allowed to gather news in conflict zones.
Tsy rariny ny mahita ny tsy fisian'ny serasera na ny fiantohana ny fiarovana ny mpanangom-baovao avy amin'ny manampahefana, ary tsy mitombina ny fampiasan'ny mpitandro ny filaminana ny lalàna lany andro hampanginana sy hanasaziana ireo mpanao gazety izay tsy nanao heloka bevava.
Azo ho sokajiana ho fisamborana sy fihazonana am-ponja tsy ara-dalàna izany; eo ambany lalànan'ny fampitam-baovao ao Myanmar, afaka manangom-baovao any amin'ny faritra misy fifanandrinana ny mpanao gazety .
Nampitandrina i Kyaw Zwa Moe, toniandahatsoratry ny fanontana amin'ny teny anglisy ny The Irrawaddy, fa mety hisy vokany ratsy eo amin'ny fiarahamonina ny fisamborana ireo mpanao gazety miisa telo:
The arrest and charges demonstrate that either Myanmar’s military leaders don’t understand the nature and purpose of the media, or that this was a deliberate act intended to frighten journalists away from covering sensitive issues that could lead to criticism of the armed forces.
If the military arrested Lawi Weng and two DVB reporters due to what they describe as a connection to ethnic armed rebels, they would have to arrest hundreds of journalists who work for independent media across the country.
I am sure that nearly all Myanmar journalists have made contact at least once with members of “unlawful” ethnic armed groups, as all publications across the country have covered the peace process—one of the most important issues facing the nation.
Mampiseho ny fisamborana sy ny fiampangana fa na tsy mahatakatra ny natiora sy ny tanjon'ny fampitam-baovao ireo mpitarika miaramila ao Myanmar, na ninia nanao izany mba hampitahorana ny mpanao gazety hiala amin'ny fitaterana ny olana saro-pady izay mety hitarika ho amin'ny fanakianana ny tafika mitam-piadiana.
Raha nisambotra an'i Lawi Weng sy ny mpanao gazetin'ny DVB roa ny miaramila noho ny filazany izany ho fifandraisana amin'ny mpikomy ara-poko mitam-piadiana, dia tokony hisambotra ireo mpanao gazety an-jatony izay miasa amin'ny fampitam-baovao tsy miankina manerana ny firenena koa izy ireo.
Mino aho fa efa nifandray, fara fahakeliny, indray mandeha niaraka tamin'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-poko mitam-piadiana “tsy ara-dalàna” ny ankamaroan'ny mpanao gazety rehetra ao Myanmar, satria efa nitatitra ny dingan'ny fandriampahalemana, iray amin'ireo olana lehibe indrindra atrehin'ny firenena, avokoa ny famoaham-baovao manerana ny firenena.
Niaraka tamin'ny sariitatra nataon'i Kyaw Thuyein Lwin, izay mampiseho miaramila misambotra mpanao gazety, ny lahatsoratr'i Moe raha tsy manao na inona na inona hampitsaharana ny fanafihana ireo mpitarika ny prô-demaokrasia teo aloha, izay anisan'ny antoko eo amin'ny fitondrana ankehitriny :
Commentary: The military’s offensive against the media#Myanmar#Burmahttps://t.co/EapicS5NZ6pic.twitter.com/gN0CkjJgFF
— The Irrawaddy (Eng) (@IrrawaddyNews) July 1, 2017
Fitantarana: Ny fanafihan'ny miaramila ny fampitam-baovao.
Ankoatra ny fisamborana ireo mpanao gazety telo, nitaraina amin'ny firongatry ny fitoriana fanalam-baraka avy amin'ny manampahefana amelezana ny mpikambana ao amin'ny fampitam-baovao ny vondron'ny fampitam-baovao sy ny mpikatroka. Nanomboka ny fanangonan-tsonia mitaky ny famotsorana ireo mpanao gazety sy ny fanafoanana ny andininy faha-66 (d) amin'ny lalànan'ny fifandraisandavitra ao Myanmar izy ireo, izay mahasahana ny fanalàm-baraka an-tserasera .
Ho entina eo anatrehan'ny fitsarana amin'ny 11 Jolay 2017 ireo mpanao gazety nosamborina .
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...