- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Namoaka Didy Miaro Ilay Tranonkala Mpanesoeso Voasivana Fito Taona Ny Fitsarana Breziliana

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, GV Mpisolovava

Peta-tsary namboarin'ny mpirahalahy Bocchini, nosoloina ny tavan'i Otávio Frias Filho – tompon'ny gazety Folha de São Paulo – ny tavan'i Darth Vader. CC 2.0

Taorian'ny ady ara-pitsarana [1]naharitra fito taona, nanapa-kevitra hiaro ny tranonkala Breziliana mpanesoeso nosivanina tamin'ny taona 2010 ny Fitsarana Ambony ao Brezila — fanapahan-kevitra manantantara izay mamarana ny raharaha malaza indrindra amin'ny sivana an'aterineto Breziliana.

Tranonkala mpaka tahaka an'ny iray amin'ireo gazety lehibe indrindra ao amin'ny firenena, Folha de S. Paulo ny tranonkala Falha de São Paulo [2], izay naorin'ireo mpirahalahy Lino sy Mario Bocchini tamin'ny taona 2010. Kilalaon-teny amin'ny teny hoe “folha” (midika hoe taratasy na gazety amin'ny teny Portiogey) sy “falha” (midika hoe tsy fahombiazana) ny lohateny.

Namoaka sary namboarina maneso ny gazety Breziliana izy ary nahitana “famokarana lohateny”, ahafahan'ny mpitsidika mamorona vaovao noforonina miaraka amin'ny typografian'ny gazety sy ny bikany ankapobeny.

Ny fikasan'ny [3] mpamorona dia ny hisarika ny saina amin'ny fitantarana diso ny fifidianana tao Brezila tamin'ny taona 2010 voalaza fa navoakan'ny Folha. Mitady hanome tombony ny fomba fijery sy antoko ara-politika afovoany-ankavanana ny gazety.

Rehefa tao amin'ny aterineto nandritra ny 17 andro monja ny tranonkala,  nahazo didy voalohany hahazo lamandy R $ 1000 ( 300 dolara Amerikana tamin'ny Jona 2017) isaky ny andro mahavelona ny tranonkala ny fianakaviana Frías, tompon'ny Folha de São Paulo. Nilaza ny fitoriana fa naka tahaka ny marika sy ny firafin-tsary ny gazety ary nampiasa izany ara-barotra ry Bocchini mirahalahy .

Nametraka fitoriana ny registro.br (izay mitantana ny anaran-tsehatra rehetra miafara amin'ny .br) ihany koa ny orinasa, hanafoana ny sehatra falhadesaopaulo.com.br mba tsy hisy afaka misoratra anarana amin'izany.

Tamin'ny 21 Jona 2017, nofoanan'ny Fitsarana Ambony ny didim-pitsarana teo aloha momba ny raharaha izay nanamafy ny fitorian'ny fianakaviana Frías, ary namoaka didy miaro an-dry Bocchini mirahalahy ny Fitsarana Ambony, mamela azy ireo hamerina indray ny tranonkala amin'ny aterineto.

Tamin'ny vato efatra ka manohitra ny iray, namoaka didy [4]ny fitsarana fa ny lalànan'ny fizakana (brevet) dia mamela ilalana ny zo haka tahaka am-panesoana sy ny zo tsy hanaja fatratra sy ho afa-miala voly.

Nilaza ny lalànan'ny zon'ny mpamorona ny Mpitsara Luís Felipe Salomão, voalohany tamin'ny tsy nanaiky ny didim-pitsarana teo aloha, izay manome fahalalahana haka tahaka amim-panesoana “raha toa ka tsy mamerina tanteraka ny asa orizinaly izany.” Hoy koa izy [4]tamin'ny latsa-batony:

O objeto explorado pela Falha, reconhecido inclusive pela recorrida, é a crítica aos posicionamentos políticos ideológicos da Folha, sem qualquer intenção de autopromoção de matérias concorrentes. E isso pelo simples fato de que não haveria em seu sítio eletrônico as mesmas reportagens procuradas pelos consumidores da Folha.

Ny zavatra nampiasain'ny Falha, izay neken'ny fitsarana ambony mihitsy, dia fanakianana ny fomba fijery ara-potokevitra sy ara-politika ny Folha, tsy misy fikasana hampiroborobo  tantara hafa mety hifaninana. Mifototra amin'ny zava-misy tsotra izany fa tsy mampiseho tantara mitovy tadiavin'ny mpanjifan'ny Folha.

Tsy mbola nanapa-kevitra ry Bocchini mirahalahy raha hamerina indray ny tranonkala ao amin'ny aterineto na tsia.

Tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ny gazety Amigos Caros, hoy [5]Lino Bocchini hoe:

Seria muito ruim se prevalecesse a teoria deles de que era uma simples questão comercial – o que não fazia nenhum sentido, pois não havia nenhum banner comercial, anúncios, venda de nada.

Ho ratsy tanteraka izany raha nandresy ny teorian'izy ireo milaza fa resaka fihariana fotsiny izany – tsy misy fotony izany satria tsy nisy ny faneva ara-barotra, tsy misy dokambarotra, tsy misy zavatra namidy

Nankasitraka [6]ny fanapahan-kevitry ny STJ ny fikambanana ONG Article 19, izay miady ho amin'ny fahalalahana maneho hevitra manerantany

Para a entidade, o processo foi movido com base na intolerância do jornal em relação à crítica que lhe era dirigida.

Nesse sentido, a decisão desta quarta-feira tomada pelo STJ representa uma vitória para o direito à liberdade de expressão e deve ser encarada como jurisprudência em outros casos semelhantes que venham a ocorrer no país.

Ho an'ny fikambanana, ny dingana ara-pitsarana dia nifototra tamin'ny tsy fahazakan'ny gazety ny fanakianana mivantana namelezana azy .

Amin'izay heviny izay, maneho fandresena ho amin'ny zo maneho hevitra an-kalalahana ny didim-pitsaran'ny STJ tamin'ny Alarobia ary tokony heverina ho toy ny “jurisprudence” amin'ireo tranga hafa mitovy amin'izay izay mety hitranga eto amin'ny firenena.