- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Haiti: Mitady Fanafana Amin'ny Tsy Fahampian-tsakafon'ny Zaza

Sokajy: Karaiba, Haiti, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tanora, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 5 May 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

(sary : Reasons not to Overeat [1] avy amin'i BreezeDebris [2])

Mbola manohy ny làlany eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ny krizy vokatry ny tsy fahampian-tsakafo iraisam-pirenena ary mahakasika ny lahatsary ihany koa ankehitriny. Mampiseho ny mponina mihinam-bovoka mba hiavotan-tena ny lahatsary miisa telo miresaka Haiti, ​​ary ahitana drafitra hanampiana ireo ankizy Haisiana noana amin'ny alalan'ny fanomezan-tsakafo ihany koa izany. Haiti no firenena mahantra indrindra any amin'ny kaontinanta Amerikana, ary ny hanoanana, ho an'ny mponina ao aminy no tena olana manan-danja talohan'ny naha-lohatenin-gazety an'ity krizy ity.

Tao amin'ny YouTube, manolotra antsika lahatsary [3]mampiseho ny fomba fahandron'ny fianakaviana iray rehefa hanamboatra mofo fotaka ny toddgsapp [4], tsy natao ho hanin'izy ireo ihany fa amidy ihany koa izy ity. Ireo bisky vovoka na mofomamy fotaka ireo dia vita avy amin'ny tany, legioma matavy sy sira, ary matetika no loharanon-tsakafo hany fiveloman'izy ireo.

Mampieritreritra , sa tsy izany?

Toa efa mahafantatra ny olana ny ankamaroan'ny olona, kanefa kely ihany no azontsika atao mba hanampiana azy ireo. Nitroka lahatsary momba ny krizy ara-tsakafo any Haiti [5] ny lovinitwithhim  [6] izay avy amin'ny fikambanana Kids Against Hunger [7] (Ankizy Miady amin'ny Hanoanana) ary azonao jerena eto.

https://youtube.com/watch?v=vk5z3wYM8d8

Ho hitantsika amin'ny alalan'ny lahatsary navoakan'ny Fahitalavitra Current avy amin'ny orinasam-pamokaran-dahatsary Robhill [8] ho an'ny fikambanana Meds and Food for Kids [9] (MFK-Fanafody sy Sakafo ho an'ny Ankizy) any Haiti ny asan'ny ONG izay mikaroka sy manao fanandramana mba hahitana ny mety ho vahaolana hiadiana amin'ny tsy fahampian-tsakafon'ny ankizy, miaraka amin'ny vokatra dibera avy amin'ny voanjo be otrikaina izay efa vonona ho ampiasaina sy omena ny ankizy.  Voalaza fa ahitana voanjo, vovo-dronono, siramamy, menaka, vitaminina sy sira mineraly ity dibera avy amin'ny voanjo “matsiro” ity. Novokarina tao an-toerana avy amn'ny  voanjo Haisiana izay novokarin'ny tantsaha ao amin'ny faritra izany ary novidiana tao an-toerana avokoa ny fangarony rehetra, izay manampy ny toe-karena ao an-toerana ihany koa. Araka ny MFK [10] , mitentina 44€ (68$ Amerikana) ny mitsabo ny ankizy amin'ny tsy fahampian-tsakafo sy mitondra azy ho amin'ny fiainana indray miaraka amin'ity sakafo fitsaboana efa vonona ity izay antsoina hoe Medika Mamba amin'ny teny Haiti.

http://current.com/e/88911955