Playing for Change: Fandriampahalemana Amin'ny Alalan'ny Mozika

(Marihina fa tamin'ny 8 Desambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
playing for change logo

Misarika ny sainay ny tetikasa  fiaraha-miasan'ny mozika manerantany amin'ny alàlan'ny antsoina hoe Playing for Change: Peace through Music (Milalao hisian'ny Fanovana: Fitoniana amin'ny alalan'ny Mozika) ny MeetJohnSong. Ny foto-kevitra ao ambadik'izany dia ny hoe: ny mozika no tena fototry ny fampiraisana eo amin'ny kolontsaina, ny foko sy ny faritra samihafa. Hivoaka amin'ny taona 2009 ny horonantsary sy ny mozika, ary azo jerena ao amin'ny tranonkala Playing for Change ny fanazavana bebe kokoa momba ny tetikasa.

Tsy mikasika ny famokarana sy ny fizarana mozika ihany ny Playing for Change, nanorina sy manohana ny Sekolin'ny Mozika ao amin'ny faritry ny tanàndehibe Gugulethu sy ny Foiben'ny Zavakanto ao Johannesburg any Afrika Atsimo ny orina mpanasoa tetikasa (PFCF) mba hanomezana fahafahana amin'ny fampivoarana sy ny fanabeazana ny tanora ao amin'ny vondrom-piarahamonina, ary mitantana foibe ho an'ny mpitsoa-ponenana Tibetana any India sy Nepal ihany koa  izy ireo.

Niparitaka tao amin'ny aterineto volana vitsivitsy izay ny lahatsary misy ny dokambarotra izay manasongadina ny hira Stand by Me hirain'ny mpiangaly mozika avy amin'ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao, ary tonga indray izany ankehitriny mitantara manontolo ny fomba ahafahan'ny mozika mamafa ny elanelana sy ny sisintany  :

https://youtube.com/watch?v=sHfcJmcWTG0

Azonao atao ihany koa ny mijery ny sombin-dahatsary lavalava mikasika ny fanadihadiana:

Tsy ity tetikasa ity ihany no karazany amin'izany, nilaza taminay mikasika ny amboaram-peon-java-maneno virtoaly tao amin'ny YouTube izay misokatra ho an'ny mpandray anjara avy amin'izao tontolo izao ny mpanoratra Suzanne Lehn tamin'ny herinandro lasa;

YouTube is orchestrating an exciting new collaborative project: inviting musicians worldwide to be auditioned online for the world's first virtual symphony orchestra. Amateurs as well as professionals, have until January 28, 2009 to download sheet music, and upload videos of their performances.

Mikarakara tetikasa fiaraha-miasan'ny mozika vaovao mahaliana ny YouTube : hanasana ireo mpiangaly mozika manerantany mba ho henoina an-tserasera ho an'ny amboaram-peon-java-maneno virtoaly voalohany eto amin'izao tontolo izao izany. Ary manana fotoana hatramin'ny 28 Janoary 2009 ihany koa ireo tsy matihanina sy ny matihanina, mba hitrohana ny sombiny amin'ny mozika sy handefasana ny lahatsarin'ny fampisehoany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.