Espaina: Niforona Tamin'ny Alalan'ny Fandraisana Anjara An-tserasera Ny Wikimovie

(Marihina fa tamin'ny 31 May 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Any Espaina, nanapa-kevitra ny hanomboka ny fandraisana anjara an-tserasera ny orinasan'ny zava-pisotro Mahou ka nitodika tany amin'ny aterineto mba hamolavola sy hamokatra sarimihetsika fohy iray izay nahitana fanapahan-kevitry ny vondrom-piarahamonina mpandray anjara hanatontosa, hilalao ary hamokatra tao amin'ny tranonkala WikiPeli . Ny fifidianana no fomba demaokratika nanaovana ny fanapahan-kevitra miaraka amin'ny mpisera manakaiky ny 3000 , ary ny mpamokatra sarimihetsika espaniola roa malaza , José Corbacho sy Juan Cruz no niandraikitra ny fanatontosana ny fanapahan-kevitry ny vondrom-piarahamonina.

Nandefasan'izy ireo  fanavaozam-baovao tsikelikely momba ny fanatontosana ny horonantsary tao amin'ny fantsona YouTube Wikipeli. Mampiseho ny mpanatontosa ny sarimihetsika niala tsiny tamin'ny tsy nahitana fiara limousine volondavenona nandritra ny fanatontosana ny horonantsary ity lahatsary manaraka ity. Ny mpandresy tamin'ny fifaninana tamin'ny onjampeo iray tao an-toerana no nisafidy ny loko. Tsy nahita limousine volondavenona anefa izy ireo  ary tena lafo ny mandoko izany, noho izany dia tsy maintsy ny loko fotsy no nampiasain'izy ireo. Nanazava izy ireo tamin'ny filazana, na izany aza, fa natao hitondrana mariazy ny limousine fotsy ka noho izany dia tsy dia mety loatra ny loko fotsy.

Toy izao ny fahavitrihana tamin'ny ankapobeny ho an'ny fanapahan-kevitra natao nandritra ny famokarana WikiPeli ; ohatra, rehefa nilaina ny mpilalao lehilahy mba ho “hohanina”, dia nahazo fangatahana maro izy ireo, ary i Abel no lany taorian'ny fifidianan'ny mpanatrika :

Azonao jerena eto ny lahatsary hafa tamin'ny fifaninana casting ho an'ny mpilalao lehilahy :

http://www.youtube.com/p/84AFF87041A010B3

Nandray ny soso-kevitry ny mpandray anjara ihany koa izy ireo  tamin'ny fifidianana ny feonkira :

http://www.youtube.com/p/EC7F086B0D396673

Amin'izao fotoana izao, efa nahavita ny fanatontosana ny horonantsary izy ireo ary eo am-panitsiana ny sarimihetsika, ary nanazava ao amin'ny lahatsoratra farany tao amin'ny bilaoginy ny fahasamihafana  ateraky ny fanamboaran-traika manokana ao amin'ny sarimihetsika:

Para ilustrar esto que os digo, os dejo un vídeo de un momento del rodaje, para que veáis el papel de los efectos e speciales, que formarán parte de una de las escenas más impactantes. Os queremos mostrar cómo se lo montaron los especialistas para que, en una puerta metálica, apareciera una terrorífica figura humana, con la consiguiente reacción de pánico de Martín Rivas, nuestro Álex.

Ho fandravahana, dia hanome anareo ny lahatsarin'ny fotoana nandritra ny fanatontosana aho, mba ahafahanareo mahita ny fiantraikan'ny fanamboaran-traika manokana teo amin'ny iray amin'ireo sehatra manohina indrindra. Tianay ny hampiseho ny fomba nanaovana ny fanamboaran-traika manokana mba hahazoana ny lohan'olona mampatahotra nivoaka teo amin'ny varavarana vy,  sy ny fahatairana nahazo an'i Martín Rivas, na i Alex taorian'izay.

Amin'izao fotoana izao, ao anatin'ny dingana hifidianana izay ho atao ho lohatenin'ny horontsary izy ireo , ao anatin'ireo lohateny miisa telo izay nalefan'ny mpandray anjara (antsoina hoe mpiaraka tale ihany koa).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.