- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Repoblika Demaokratikan'i Congo: Voavonjy  Tamin'ny Fanondranana Antsokosoko Tsy Nahomby Ny Zanaka Rajako

Sokajy: Afrika Mainty, R.D. Kongo, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

(Marihina fa tamin'ny 4 May 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tamin'ny Alahady, 26 Aprily 2009,  nisambotra olona iray ahiana ho mpanondrana rajako antsokosoko ny Mpiambina ny Valan-javaboary ICCN [1] , tantanan'ny Lehiben'ny Valan-javaboary Virunga [2]  izay Tale Jeneralin'ny WildlifeDirect  teo aloha,  Emmanuel de Merode, ary nanavotra zanaka rajako avy any amin'ny lemaka atsinanana  .

Nohatonina ilay olona noahiahiana ary nosamborina raha iny izy nigadona avy ao anaty fiaramanidina iny tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Goma [3] izay efa niandrasan'ny mpiambina ny Valan-javaboary ny fahatongavany avy any Walikale tao amin'ny firenena sy akaikin'ny toeram-ponenan'ny rajako.  Ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo ihany  no ahitana ny Rajako avy amin'ny Lemaka Atsinanana [4] .

Reraka, tsy ampy rano sy sempotry ny fanafanana ilay zanaka rajako, izay nafenina tao ambany akanjo tao anaty kitapo zara raha misy rivotra rehefa nihidy tao nandritra ny ora maro.

Mampiseho ny fisehoan-javatra taloha sy taorian'ny nisamborana ilay mpanondrana antsokosoko ity lahatsary ity .

Nilaza ny bilaogy Fiarovana ny Rajako [5] fa manaporofo izany fa misy tokoa ny tsena ho an'ny zanaka rajako ary nitantara ny zava-nitranga iray izy ireo fa hoe “natonin'ny olona nirahin'ny olom-pirenena mpanankarena iray te-hahafantatra ny fomba fividianana zanaka rajako avy any amin'ny firenena Afovoany Atsinanana izahay (WildlifeDirect). “

Nanamafy  i Emmanuel de Merode fa misy tokoa io tsena io ary tena ahazoam-bola be tokoa. Nlaza izy tao amin'ny bilaogin-dahatsoratra Gorilla.cd hoe:

Our work has revealed a significant upsurge in the trafficking of baby gorillas in recent months, possibly as a result of the war last year. Investigations have yet to reveal where these animals are being sent and who is buying them, but on the ground sources tell us that a baby gorilla can fetch up to $20,000

Nahitana ny firongatry ny fanondranana zanaka rajako ny asa nataonay tao anatin'ny volana vitsivitsy ; angamba noho ny vokatry ny ady tamin'ny taon-dasa. Tsy mbola nahita ny toerana izay handefasana ireo biby ireo sy ny olona mividy azy ireo ny fanadihadiana , kanefa milaza ny loharanom-baovao ao an-toerana fa  mety ahazoana hatramin'ny 20.000 dolara Amerikana ny zanaka rajako iray.

Tohin'ny fanadihadiana natao nandritra ny telo volana momba ity fanondranana antsokosoko ity ny fisamborana. Faly tamin'ny vaovao ny bilaogy Fiarovana ny Rajako ary manantena fa “ho ampiharina ny fitsarana ary hiverina any amin'ny fonenany voajanahary ilay zanaka rajako  .”