Iran: Famahanana Bilaogy Avy Amin'ny Sekoly Kely Indrindra Erantany

(Marihina fa tamin'ny 27 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Milaza ity tantara iray hafa ity fa afaka manova fiainana amin'ny fomba miabo ny famahanana bilaogy ary misarika ny saina ho any amin'ny faritra tsy hita maso eto amin'ity izao tontolo izao ity ihany koa.

Namahana bilaogy momba ny sekoliny faran'izay kely sy ny mpianany miisa  efatra ao amin'ny tanànakely fanjonoana Iraniana any Jamalabad Kalu akaikin'ny seranantsambon'i Bushehr any amin'ny faritra atsimo i Abdul Mohammad She'rani, mpampianatra tanora Iraniana iray avy any amin'ny tanànakely mitoka-monina any Iran.

Abdul Mohammad She’rani miaraka amin'ny mpianany efatra .

Nahavita zavatra mahagaga ny media sosialy: nitatitra momba ity tanànakely ity ny fampahalalam-baovao Iraniana sy ny CNN ary nanampy tamin'ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa hafa ny governemanta. Nanamarika ny sekoly ho toy ny kely indrindra eto amin'izao tontolo izao ny UNESCO. Azonao atao ny mijery ireo sarin'ny sekoly ato.

Nalefa manerana izao tontolo izao tao anatin'ny lahatsary tamin'ny alàlan'ny YouTube ny tatitra nataon'ny CNN momba ity sekoly ity.

Mamoaka lahatsoratra amin'ny zavatra niainan'ny mpampianatra tao amin'ity sekoly ity mivantana ny bilaogy Notes of a teacher as soldier (ny naotin'ny mpampianatra ira tahaka ny miaramila), (bilaogy iray amin'ny teny anglisy izay mandika ny sasany amin'ireo lahatsoratr'i Abdul Mohammad) :

On the first day I became the soldier teacher, a tiny girl with a sweet voice and that lovely southerner modesty came to meet me. She took my hand with her tiny one, encircled with a green bracelet to ward off evil, and showed me Kalou's new school; a school that had no walls and stood just a few steps away from the sea.

Tamin'ny andro voalohany nahatongavako ho mpampianatra miaramila , nitsena ahy ny ankizivavy kely miaraka amin'ny feo malefaka sy fahamaotinana  mahafinaritra avy any atsimo. Noraisiny tamin'ny tànany kely ny tanako, ary nasiany fehin-tànana maitso mba handroahana ny ratsy, ary nitondra ahy nankany amin'ny sekoly Kalou vaovao izy; sekoly iray tsy manan-drindrina eo akaikin'ny ranomasina.

Tao amin'ny bilaoginy, nanoratra i Abdul Mohmmad fa efa nanome lohahevitra famoronan-dahatsoratra ho an'ny mpianany efatra hoe: “Raha izaho no Filoha” izy indray mandeha:

One of students wrote, “If I were the President I would help poor people, I would not let anyone lives in poverty… I would provide water and electricity for villages in order to help rural people live a comfortable life like urban ones… I would establish peace between different countries and I would not let powerful countries attack weak ones.”

Hoy ny iray tamin'ireo mpianatra raha nanoratra: “Raha izaho no Filoha dia hanampy ny olona mahantra aho, ​​tsy misy olona avelako hiaina ao anaty fahantrana … hanome rano sy herinaratra ho an'ny tanànakely mba hanampiana ireo mponina any ambanivohitra ahafahany miaina ny fiainana tahaka ny olona any an-drenivohitra aho… hatsangako ny fandriampahalemana eo amin'ny firenena samihafa ary tsy avelako hamely ny firenena marefo ny firenena matanjaka. “

Nanoratra [fa] i Baza Ham Zendegi (midika hoe ny fiainana vaovao) :

Abdul Mohammad does not complain about the lack of facilities, difficulties and problems. But he writes about life, love of learning and teaching in any circumstances. He teaches his students that kindness is reigning here and life with all its ups and downs goes one…

Tsy nitaraina tamin'ny tsy fisian'ny fitaovana, ny fahasarotana sy ny olana i Abdul Mohammad. Fa nanoratra momba ny fiainana, ny fitiavana hianatra sy hampianatra na inona na inona toe-javatra miseho. Nampianariny ny mpianany fa manjaka eo an-toerana ny hatsaram-panahy ary mitohy ny fiainana miaraka amin'ny tsara sy ny ratsy  …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.