Nampiasa Ny Fakantsariny Hanaovana Fanentanana ilay Nepali Mpaka Saripika ho Fiarovana Ny Zavaboary

Wallowing rhino, Chitwan. Sarin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Tsy mbola naha-afa-po an'i Sagar Giri ny sary manjavozavo miaraka amin'ny foto-kevitra tsy tsara petraka sy ny loko matroka izay hitany manodidina azy. Nanosika azy hitondra ny fakantsariny izany mba hanaovany ezaka handaminana ny zava-nisy.

Fony izy mbola zaza izany no nitranga. Ankehitriny, rehefa 28 taona i Sagar dia niezaka ny hametraka ny zavaboarin'i Nepal eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izy. Ary manome azy ny fahafahana maka sary tsara izay misarika ny saina momba ny tontolon'ny biby ao amin'ny tanindrazana niaviany eo akaikin'ny Valan-javaboary Chitwan ao Nepal. Nohazavainy tao amin'ny Facebook fa nanampy azy tamin'ny asany ity toerana sarobidy ity.

I live on edge of the World Heritage Site Chitwan National Park, what can be better for a wildlife Photographer & enthusiast!!

So, today i was resting at my place and suddenly Navaraj (Manager at Chitwan Gaida Lodge) calls me, he got my dad's call that there is the leopard at the bank of Rapti river. The River dam just a few minutes away at the touristic place of Sauraha. I immediately ran with my camera & reached within minutes. My Dad had been watching him, showed me the place across the River a long Distance where Leopard was and immediately my shutter burst began!!

Mipetraka eto akaikin'ny Valan-javaboary Chitwan Vakoka arovan'ny Toerana Lovan'Izao Tontolo Izao izay tena toerana tsara ho an'ny mpikatroka Mpaka sary zavaboary aho !!

Ary androany raha niala sasatra aho dia niantso ahy tampoka i Navaraj (Mpitantana ao amin'ny Chitwan Gaida Lodge ), nahazo antso avy any amin'ny dadako izy  fa misy leoparda eo amoron'ny renirano Rapti.  Minitra vitsivitsy monja miala amin'ny toeram-pizahantanin'i Sauraha ny tohodranon'ny Renirano. Nihazakazaka avy hatrany aho niaraka tamin'ny fakan-tsariko ary tonga tany an-toerana afaka minitra vitsivitsy. Nanara-maso azy ny dadako ary nanoro ahy ny toerana miampita ny Renirano lavitra  izay nisy ilay Leoparda ary nanomboka  avy hatrany ny fangalako sary !!

Maniry hiara-hiasa amin'ny governemanta i Sagar mba hahazoan'ny natioran'i Nepal fankatoavana manerantany, ary mikasa izy hanao fanentanana fa tsy mampahatahotra araka ny endriny ireo bibidia . Ary fantany fa efa nifanena tamin'ny tigra izy :

A tiger doesn't lose sleep over the opinion of sheep!!
Late evening too low on the light. Home time for all the animals & birds. I was also returning home coz of darkness, then suddenly appears the King from the Bushes, immediately sits when we both see each other & Stares at me through the sal trees!!

Tsy matory araka ny fiheveran'ny ondry azy ny tigra!!
Alimbe miaraka amin'ny hazavana mitsilopilopy. Fotoana fialan-tsasatry ny biby sy ny vorona rehetra . Nody ihany koa aho satria efa maizina ny andro, nipoitra tampoka ny Mpanjaka avy ao anaty kirihitrala , ary nipetraka avy hatrany rehefa nifankahita izahay roa sy nibanjina ahy teo anoloan'ny hazo salin!!

Rehefa nahita i Sagar fa ilaina ny fiarovana ny bibidia, dia napetrany ny famantarana hoe “Mitendry hiarovana ny zavaboary aho” teo amin'ny sariny. Tsy mora hatrany anefa ny faniriany hampiroborobo ny natiora sy ny zavaboary ao Nepal, na izany aza. Niandry 22 andro izy hakana ny sarin'ny ‘loutre’ ao amin'ny Valan-javaboary Bardia ary nipetraka matetika tao anaty lay, ary naharitra hatramin'ny 12 andro tamin'ny fakana ny sarin'ny tigra, ary enina ka hatramin'ny fito andro tamin'ny fahazoana ny sarin'ny vorona tonga lafatra izay mivelona eo amin'ny manodidina ny trano fandraisam-bahiny mitokatokana teo akaiky teo.

Topazo maso ny sasany tamin'ireo sariny eto ambany eto.

Ibis Mena, Valan-javaboary Chitwan . Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Aombin'i Azia, Arna, Valan-javaboary  Chitwan . Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Calao Tatsinanana Fisa-tongotra, Chitwan. Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Karazam-boromahery Himalayana, Jatayu Restaurant, Pithauli, Nawalparasi. Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Loutres malama volo , Valan-javaboary Bardia . Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Vintsy, Sauraha, Chitwan. Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Vautour Egyptiana, Pokhara. Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Osprey, Pithauli, Nawalparasi. Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

Tigra Royal Bengal, Valan-javaboary Chitwan . Sary avy amin'i Sagar Giri. Nahazoana alàlana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.