- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Mahatsiaro An'i Omid Reza Mir Sayafi sy ny 18 Martsa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Jiona 2009 ity adika eto ity)

OR318 logo [1]

OR318 logo

Volana vitsivitsy taorian'ny nahafatesan'ilay bilaogera sady mpanao gazety Omid Reza Mir Sayafi, izay maty tao amin'ny fonja Iraniana taorian'izy voalaza fa nanala baraka mpitondra fivavahana, napetraka ny tranonkala fahatsiarovana sy fikatrohana March18.org [2]  ho fahatsiarovana azy sy hihazonana ity tantara ity tsy hiverina intsony. Ity manaraka ity ny lahatsary voalohany noforonina [3] ho an'ny hetsika March18 (OR318), miaraka amin'ny teny filamatra hoe: Aoka ilay bilaogera voalohany maty tany am-ponja no ho farany.

Noho ireo zava-nitranga vao haingana tamin'ny korontana ara-politika ao Iran, taorian'ny fifidianana farany, zava-dehibe tsy mbola nisy toy izany ity hafatra ity. Tsy manao tsirambina ny zava-misy fa tamin'ny alalan'ireo mpiserasera media sosialy sy bilaogera no nampitaina tany amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena ny vaovao mitranga ao Iran,  rariny tokoa raha arovana amin'ny fampidirana am-ponja, fanjavonana sy izay mety ho fahafatesana izy ireo. Hamid Tehrani avy ato amin'ny Global Voices rnampahafantatra antsika tamin'ny herinandro lasa mikasika ny tranga vaovao amin'ny fisamborana bilaogera Iraniana [4].

Avy amin'ny tranonkala  March18.org [2] :

The irony is that, as more members of both the public and the media praise the ability of bloggers to inform, the more these de facto journalists around the globe become victims in fact. The March 18 Movement aims not only to make sure that Omid Reza is remembered, but also that other persecuted bloggers around the world do not disappear into interrogation rooms and prison cells. The March 18 Movement would like to become a voice for bloggers everywhere who are in risk of being crushed under the heavy machinery of repression.

Ny mahatsikaiky dia, na ny vahoaka na ny fampahalam-baovao dia samy nidera ny fahafahan'ny bilaogera mizara  vaovao, ka lasa lasibatra raha ny marina ireo mpanao gazety  tsy tena izy maneran-tany ireo. Ny hetsika 18 Martsa dia tsy mikendry fotsiny hahatsiaro an'i Omid Reza, fa koa mba hiaro ireo bilaogera henjehina manerana izao tontolo izao tsy hanjavona any amin'ny efitra fanaovana famotorana sy ny efitry ny fonja. Te-ho feo ho an ‘ireo bilaogera na aiza na aiza izay atahorana hiharan'ny famoretana henjana ny hetsika 18 Martsa .