Honduras: Nosamborina i Zelaya Ary Noesorina Tsy Ho Filoha

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Jiona 2009 ity adika eto ity)

Vao maraina no nandresesam-baovao manerana an'i Honduras fa nosamborin'ny miaramila tao an-tranony ny filoha Mel Zelaya. Tokony notontosaina tamin'io andro io ny fitsapan-kevibahoaka izay notoherin'ny Fitsarana Tampony, ny Tafika sy ny mpanao lalàna Hondiorana. Andro vitsivitsy teo aloha, nanaisotra ny filohan'ny Tafika, Jeneraly Romeo Vásquez Velásquez i Zelaya, avy narahan'ny fametraham-pialàn'ireo miaramila ambony hafa izany satria tsy manohana ny latsa-bato izy ireo..

Fantatra taty aoriana fa nentina ho ao Costa Rica i Zelaya, izay nanohy nilaza tena fa filoham-pirenena ara-dalàna. Nisy ihany koa ny tsaho fa nametra-pialàna i Zelaya. Na izany aza, toa hita fa hosoka ny taratasy voalaza araka ny filazan'i Juan Carlos Rivera ao amin'ny Miradas de Halcón [es]. Marobe ny fanehoan-kevitra tao amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny twitter, ao ireo miantso ny toe-draharaha ho fanonganam-panjakana, ary ao kosa ireo milaza fa fomba tokana hampitsaharana ny fanapahan-kevitr'i Zelaya mampiadihevitra izany.

Photo by Roberto Brevé and used under a Creative Commons license. http://www.flickr.com/photos/breve/3668996322/

Sary avy amin'i Roberto Brevé, lisansa: Creative Commons. http://www.flickr.com/photos/breve/3668996322/

Nisy ny fahatapahan-jiro tao andrenivohitra, araka ny notaterin'ny Honduras Daily News, izay nanombatombana fa fikasana hametra ny fiampitam-baovao izany.” Na izany aza, ampitaina eny amin'ny tambajotra sosialy tahaka ny Twitter sy Blipea, izay navitrika nandritra ny tontolo andro ny vaovao.

Nanoratra ny mpanohana an'i Zelaya, Hibueras [es] hoe:

Manuel Zelaya fue detenido y sometido por la furza bruta de la jauria criminal de nuestra historia esclavista para evitar que el pueblo hondureño posea el poder de inclusion y de construccion de su patria, los responsables de tan ignomioso acto son todos conocidos y pagaran caro su abuso.

Llegó la hora de buscar por otros medios, lo que se nos niega por la paz, y los responsables seran jusgados por sus actos de traicion a la patria.

Nosamborina i Manuel Zelaya ary niharan'ny herisetran'ny singan-jiolahy izay nanandevo ny  vahoaka Hondiorana, mba hanakanana ny olona tsy hahazo fahefana amin'ny fampidirana sy fananerana ny tanindrazan'izy ireo, fantatra tsara ireo tompon'andraikitra tamin'izany hetsika mahamenatra izany ary mbola hizaka ny fanararaotana nataon'izy ireo.

Fotoana izao hikarohana amin'ny fomba hafa, ireo zavatra izay nolavina tamintsika tamin'ny fomba milamina, ary hotsaraina ireo tompon'andraikitra tamin'ny hetsika famadihana.

Supporter of President Mel Zelaya by Roberto Brevé and used under a Creative Commons license. http://www.flickr.com/photos/breve/3668437385/

Mpanohana ny filoha Mel Zelaya, sary avy amin'i Roberto Brevé, lisansa: Creative Commons. http://www.flickr.com/photos/breve/3668437385/

Ny hariva, nifidy hanala an'i Zelaya tsy ho filoha intsony ny Kongresy ary nametraka an'i Roberto Micheletti, izay efa filohan'ny mpanao lalàna. Taty aoriana, nanambara izy fa hotontosaina amin'ny volana Novambra ny fifidianana vaovao. Na izany aza, niteraka tsikera avy amin'ireo mpiara-dia akaiky an'i Honduras ny fametrahana an'i Micheletti ho filoha, indrindra fa avy any Venezoela, izay nandrahona hetsika miaramila raha misy diplaomaty ao Honduras alaina an-keriny na maty. Ankoatra izany, nilaza ny filoha Hugo Chávez fa ho resy ny governemanta vaovao tarihin'i Micheletti.

Niahiahy momba ny fanambarana nataon'i Chàvez ireo mpisera Twitter sasany tahaka an'i Hugo Chinchilla ary nandray izany toy ny famantarana ny mety hisian'ny fandraisana anjara avy amin'ireo mpiara-dia ireo. Nolazaina tamin'ny “fomba tsy ofisialy” izy fa miomana ny miaramila amin'ny mety ho firotsahan'ireo tafika Venezoeliana sy Nikaraogana an-tsehatra [es].

Misy koa ireo hafa tahaka an'i Jorge Garcia, izay manohana ny miaramila governemanta vaovao ary mandrisika ireo mpanjohy azy ao amin'ny Twitter mba hanohana ara-tsakafo sy rano ho an'ireo miaramila [es]. Nilaza koa izy hoe:

En #honduras no hubo golpe de estado, el estado de derecho continúa, la constitución sigue vigente.

Tsy misy fanonganam-panjakana ao #honduras, mitohy ny tany tan-dalàna, mbola manan-kery ny lalàmpanorenana.

Satria ao Honduras ny ankamaroan'ny mason'izao tontolo izao, miahiahy i Wilmer Murillo fa mety hotsipahan'ny fiarahamonina iraisam-pirenena i Honduras. Nitaraina izy hoe:

que devuelvan a Mel! estamos quedando como retrogradas ante los ojos del mundo.

Avereno ny ahyl! Tahaka ny mihemotra ny (firenentsika) eo imason'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.