- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Mankalaza Ny Fahazoana Ben'ny Tanàna Vehivavy Voalohany Ao Marrakesh

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jiona 2009 ity adika eto ity)

Nitondra voka-pifidianana mahagaga ny fifidianana notontosaina tapa-bolana lasa tao Maraoka ary marobe ireo fanehoan-kevitra momba izany, Hisham ohatra naneho hevitra [1] tamin'ity lahatsoratra ity. Ny vokatra iray tahaka izany ohatra dia sambany nisy ny fifidianana vehivavy teo amin'ny toeran'ny ben'ny tanànan'i Marrakesh.  Fatima Zahra Mansouri, nianatra lalàna, no vehivavy tokana faharoa manana izany toerana izany ao Maraoka (Asma Chaâbi, ben'ny tanànan'i Essaouira hatramin'ny taona 2003 no voalohany).

Nientam-po ho an'i Mansouri ireo bilaogera. Bilaogera malaza The View From Fez (Fomba fijery avy amin'ny Fez) nanambara [2] ny vaovao:

A 33-year-old lawyer on Monday became the first woman to be elected mayor of Marrakech, one of Morocco's biggest cities and a key tourist destination.

Fatima Zahra Mansouri outpolled veteran outgoing Mayor Omar Jazouli by 54 votes to 35 in Monday's municipal council vote, becoming the second woman to take a mayoral position in Morocco after Asmaa Chaâbi, mayor of Essaouira.

Mpahay lalàna 33 taona no vehivavy voalohany voafidy ho ben'ny tanànan'i Marrakech, iray amin'ireo tanàna lehibe indrindra ao Maraoka sy toeram-pizahan-tany lehibe.

Nandresy tamin'ny vato 54 i Zahra Mansouri, nandresy ny ben'ny tanàna teo aloha Omar Jazouli izay nahazo vato 35 monja tamin'ny latsa-baton'ny filan-kevitry ny kaominina tamin'ny Alatsinainy, ka izy no vehivavy faharoa mitàna ny toerana ben'ny tanàna aorian'i Asmaa Chaâbi, ben'ny tanànan'i Essaouira

Maghreb Blog naneho hevitra [3] hoe:

Just some breaking news from Marrakech: The first woman city mayor in Morocco has been voted in the red city's city council meeting today. Fatema Zahra al-Mansouri, a 33 year-old lawyer from the Party of Authenticity and Modernity, will assume the new responsibilities for the next six years, replacing Omar Jazouli who has been at the helm in Marrakech for 12 years. al-Arabiya reports [4] what Sheikh Biyadellah, SG of PAM said: “reflects the image of a modern Morocco.”

Vaovao farany sasany avy ao Marrakech : lany androany tamin'ny fivorian'ny filan-kevitry ny tanàna mena ny vehivavy voalohany ben'ny tanàna ao Maraoka. Fatema Zahra Al-Mansouri, mpahay lalàna 33 taona avy ao amin'ny Antokon'ny Fahamarinana sy Fanavaozana (AFF)  no hisahana ny andraikitra vaovao mandritra ny enin-taona manaraka, mandimby an'i Omar Jazouli izay nitantana an'i Marrakech nandritra ny 12 taona. Nitatitra [4]izay nolazan'i Cheikh Biyadellah, sekretera Jenaralin'ny AFF ny al-Arabiya: “mampiseho taratra an'i Maraoka nohavaozina.»

Nizara fanehoan-kevitra momba ny fahalanian'i Mansouri sy ny fifidianana vehivavy hafa maromaro teo amin'ny toeran'ny kaominina ny tontolon'ny Twitter. Avy amin'ny Jerosalema [5]:

orly1

vehivavy 3.406 no voafidy tao amin'ny filan-kevitra ao an-toerana tamin'ny Zoma tao Maraoka, anisan'izany ity vehivavy manao jean sy ambony akanjo debardera ity:

Nilaza ny “siokan'i” Abdelilah Boukili fa na dia roa aza ny vehivavy Maraokana ben'ny tanàna, misy ireo vehivavy Maraokana maromaro manana toerana ambony ao amin'ny tanàna kely, hoy izy nanamarika [6]:

abdelilah

@jilliancyork Ao Maraoka, ny teny hoe Ben'ny tanàna dia mihatra amin'ireo filohan'ny filan-kevitry ny kaominina ao amin'izay tanàna manana mponina maherin'ny 350.000.