- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manampahefana Fahatelo Ambony Indrindra Voampanga Ho Nanao Herisetra Ara-nofo Tany Aostralia

Sokajy: Oseania, Aostralia, Vatikana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
[1]

Lamesa notarihin'ny Kardinaly George Pell tamin'ny Andron'ny Tanora Manerantany tao Madrid tamin'ny taona 2011. Sary natolotry ny Fiangonana Katolika Angletera sy Wales tao amin'ny kaonty Flickr (CC BY-NC-SA 2.0).

Nohelohin'ny polisy ho nanao fandikan-dalànan'ny [2] herisetra ara-nofo maro [2] izay nitranga nanomboka hatrany amin'ny taona 1970 ny Kardinalin'i Aostralia George Pell. Mpiadidy ao amin'ny Sekretarian'ny Vola ao Vatican izy amin'izao fotoana izao, ary fahatelo ao amin'ny ambaratongam-pitantanana ao amin'ny Fiangonana. Mpanolotsaina akaiky ny Papa Fransoà izy .

Vetivety dia nirongatra ny fanehoan-kevitra manerantany tao amin'ny aterineto . Nisioka i Cathy M Helsley avy any Etazonia ao Ohio izay milaza ny tenany ho  “zanak ‘Andriamanitra” hoe:

Tena mampalahelo izany! Sady mampahatezitra ahy ihany koa ! @ ⚡️ “Fiampangana manan-tantara ny Kardinaly George Pell noho ny filazana azy ho nandika ny lalànan'ny herisetra ara-nofo.

Hita fa tena tsy mpankafy an'i Pell i Hilly  :

Tena faly aho fa nanao ny andraikiny ny polisy  sy niampanga an'i Kardinaly George Pell

Niaro ny kardinaly i Peter Chambers, ilay “mpandala ny mahazatra ao amin'ny ivony”: :

Tsy manana herijika ho an'ny fitsarana tsy miangatra ny Kardinaly George Pell satria mankahala ny milina miasa amin'izao fotoana izao ny Katolika . Aleo handeha ny fitsarana ara-dalàna raha meloka izy ka hahazo sazy henjana

Nilaza ny Katolika Arsidiosezin'i Sydney fa hiverina any an-tanindrazany izy hanadio ny anarany. Namoaka fanambarana [8] izy ireo fa hiverina izy “aorian'ny torohevitra sy ny fankatoavan'ny mpitsabo azy izay hilaza ny maha mety ny fandehanany ihany koa. “

Tamin'ny volana Febroary 2016, nanome porofo [9] tao amin'ny Vaomieran'ny Fanjakana  ho an'ny Andrim-panjakana Misahana Ny Fanararaotana Ankizy  Ara-nofo ao Aostralia i Pell  tamin'ny alalan'ny rohin'ny lahatsary avy any Roma. Nanontaniana momba ny fahafantarany sy ny valinteniny mikasika ny fiampangana fanararaotana ny ankizy ara-nofo ao anatin'ny Fiangonana izy. Nilaza izy fa nanakana azy tsy handray fiaramanidina hody ny tsy fahasalamany .

Noho izany zava-mitranga izany, nahatonga ny olona sasany hanana ahiahy ny vaovao farany  :

Voampanga tamin'ny fandikan-dalànan'ny herisetra ara-nofo imbetsaka ny Kardinaly George Pell

Mety maka fotoana amin'ny dokotera mihitsy angamba izy izao amin'izao fotoana izao.

Araka ny mpitondratenin'ny polisy [12],  avy amin'ny mpitory maro ny fiampangana. Manana tantara lava fiampangana [13] azy ho manararaotra ankizy i Pell. Hisokatra ao amin'ny Fitsarana Melbourne amin'ny 18 Jolay ny raharaha. Mbola tsy nampahafantarina ny antsipirian'ny fiampangana .