- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Palestiina : Fahatsiarovana ny يوم الأرض , Andron'ny Tany

Sokajy: Israely, Palestina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika, Tantara

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2009)

Ny 30 martsa no datin'ny Andron'ny Tany [1] [amin'ny teny anglisy], izay fotoana hahatsiarovan'ny Palestiniana ity andro ity tamin'ny 1976, na aiza na aiza misy azy [2] [amin'ny teny anglisy] (fa indrindra ireo mpietraka ao Israely), ny namonoan'ny tafika sy polisy israelianina sivily arabo niisa enina [3] tao Israely tsy nitondra fitaovam-piadiana, nandritra ny hetsika fanoherana ny fakàna ny tany. Lasa manamarika ny ady notarihin'ireo Palestiniana ity andro ity, mba hitahirizana ny fanànany feno ny taniny. Amin'izany fotoana izany, misy fihetsiketsehana [4] [amin'ny teny anglisy], ary koa tranga toy ny fambolena hazo oliva [5] [amin'ny teny arabo], ao anatinà vanim-potoana fitomboan'ny ankivy, fanalàna vola miasa ary sazy [6][amin'ny teny anglisy]. Nandray anjara tamin'ity hetsika ity daholo ny Palestiniana, sy mpitoraka bilaogy mpankafy an'i Palestiniana, manerana izao tontolo izao.

Fihetsiketsehana ho an'ny Andron'ny Tany tao amin'ny tanàna ntaolon'i Hebrona, ny 28 martsa 2009. Sary avy amin'i Anne Paq.

Manangana ny lisitr'ireo olona enina novonoina tamin'ny 1976 [7]Yousef Abudayyeh [amin'ny teny anglisy]:

خديجة شواهنه , محسن طه ,خير ياسين، رجا أبو ريا , رأفت الزهيري وخضر خلايله

Khadija Shawahneh, Mohsin Taha, Kheir Yassin, Raja Abu Rayya, Ra’fat Al Zuheiry, sy Khader Khalaileh

Nandefa sary mampiseho ny anarana sy sarin'ireo maty , arahina sombin-tononkalon'i  Tawfiq Ziad [8] [amin'ny teny arabo] i Bas7aky:

في اللد , والرملة , والجليل هنا ..
على صدوركم , باقون كالجدار
وفي حلوقكم كقطعة الزجاج , كالصبار
وفي عيونكم زوبعة من نار هنا ..
على صدوركم , باقون كالجدار

Aty Al Ludd [9]Al Ramleh [10], sy any Galilia [11]
Mbola toa rindrina miankina amin'ny tratranareo izahay
Ary ao an-tendanareo, toa vakivakim-bera, tsilona raketa
Ary ao anatin'ny masonareo, rohon'afo
Mbola toa rindrindra miankina amin'ny tratranareo [12] izahay [amin'ny teny anglisy]

Marcy Newman, vehivavy iray amerikana mpikatroka sy mponina ao Naplouse any Amoron'i Jordàna ny manoritsoritra ny dia iray nataony niaraka tamina namana palestiniana vitsivitsy avy ao amin'ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana ao Dheisheh [13], akaiky an'i Betlehema ao amin'ny ”Palestina tamin'ny 1948” (any Israely), mba hitsidihana ireo toerana tany ka nifandray tamin'ny zava-nitranga tamin'ny 1976 [amin'ny teny anglisy]:

Sabotsy, rehefa hariva be iny, nandeha tamin'ny fomba tsy ara-dalàna,mazava ho azy,  nankany Amoron'i Jordàna ireo namako avy ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Deheishe, tao amin'ny ”Palestina tamin'ny 1948”. Nieritreritra izahay fa zava-dehibe ny miaina ny  يوم الأرض (Ny Andron'ny Tany [14]) [amin'ny teny anglisy] tao amin'ny ”Palestina tamin'ny 1948”, teny amin'ny toerana nisehoan'ny famonoana tamin'ny 1976. Mazava ho azy, maniry ny handray anjara amin'ny fihetsiketsehana aty [israely] izahay rahampitso 31 Martsa, saingy ny fitsangatsanganana miaraka amina Palestiniana voaràra ny fivezivezeny malalaka ao amin'ny fireneny dia midika fa mila sorohana ny fankanesana amin'ireo toerana ahitana miaramila be loatra. […] Rehefa avy niala tao Saffuriyya [15] [amin'ny teny anglisy], namily ho any avaratra izahay, nankany Sakhnin  [16][amin'ny teny anglisy], tanàna palestiniana nalaza noho ny fanoherana, ankalazaina rehefa ny Andron'ny Tany.

Nandefa an-tambajotra sarin [17]‘ny tsangambaton'ireo maty tamin'ny Andron'ny Tany tamin'ny 1976 ihany koa i Marcy.

Nanadihady ny Dr Hatim Kanaaneh [18] [amin'ny teny anglisy] i Jonathan Cook, izay mpitoraka bilaogy ao amin'ny A Doctor in Galilee [19]  (Dokotera iray ao Galilia) ary vavolombelon'ny zava-nitranga tamin'ny 1976.