Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2009
Hita namono ny jirony ilay tsangambato tena malaza indrindra ao Brezila, ny sarivongan'i Kristy Mpanavotra eo ambony vohitr'i Corcovado, tamin'ny sabotsy 29/03/2009, no sady mbola mandindona an'i Rio de Janeiro mbola maizina kokoa noho ny mahazatra. Tanàna breziliana manakaiky ny 100 isa ihany koa no namono jiro nanomboka tamin'ny 8ora 30 hatramin'ny 9ora 30 nandritra ilay hetsika. Ny Oran'ny tany. Io no voalohany nandraisan'ny firenena anjara tamin'io hetsika manerantany io mba hanehoana ny fanohanany ny hisian'ny tontolo maharitra kokoa.
Sahala amin'i Brunei sy ireo firenena marobe hafa, nandray anjara voalohany tamin'ny Oran'ny tany i Brezila. Nasehon'ny tontolon'ny bilaogy avokoa ny fisehon'ireo fihetsika rehetra, nanomboka teo amin'ny fanantenana sy ny fanohanana ka hatramin'ny tsikera sy ny fanomezana henatra. Guilherme Nascimento Valadares, avy amin'ny bilaogy Papo de Homem [portiogey], nandany ny fotoanany tamin'ny fanangonana fanehoankevitra tao amin'ny Twitter, ary nahita isa maherin'ny 8.000 tamin'ireo fidirana mifandraika tamin'ireo tenifototra mifanaraka amin'izy io ny Sabotsy 29 Martsa tamin'ny 8ora45 sy ny alahady 30 Martsa tamin'ny 6ora. Nofintininy fa:
Fato peculiar. O mais críticos eram justamente os mais conectados, jovens, hypes, espertos. Me corrijam se estiver errado, mas tenho uma forte impressão de que o retrato da juventude produtiva brasileira de hoje – estou falando da turma que saiu da faculdade e já faz o seu $$$ – é um tremendo bundão, cético, hedonista, indolente, inseguro, maria-vai-com-as-outras.
Tamin'ireo izay namono jiro, mpampiasa Flickr marobe no naka ireo sary mba handaniana fotoana. Hitanareo eto ambany ilay sary safidy iray novokarina tamin'ny fampiasàna Creative Commons, avy any Brezila, India, Malezia, Aostralia, Singapore ary Shily:
“Transmitindo a Hora do Planeta ao vivo pelo Ustream.”
Ny Oran'ny Tany tao Bangalore, ao India – Sary Earth Hour Global. Ho an'ny bilaogera eo an-toerana, nampahatsiahiviny anay fa nifangaro tamin'ny tsy fisian'ny jiro maharitra isan'andro efa ela ny fireneny, lasa hevi-dravina ny fanajàna ny Oran'ny Tany. Manoratra View of My World fa:
Bangalore, toy ny ampahany betsaka amin'i India, efa an-taona marobe no nanaja ny Oran'ny Tany / ny antoandron'ny tany / ny alin'ny tany. Na io maraina io aza, mbola tsy nisy jiro tao amiko teo anelanelan'ny tamin'ny 9ora sy tamin'ny 11ora maraina.
“Nós participamos!!
E aproveitamos pra namorar a luz de velas!! rs”
Nandiso fanantenana ny Oran'ny Tany tsy misy dikany tao Sydney. Tsy tena notapahan'izy ireo koa ny fanazavana ny Opéra sy ny Tetezana…. Jiro vitsivitsy monja no maty. Tsy azoko inoana fa tena nitsitsy herinaratra betsaka izy ireo.