Rosia: Tsikeran'ny Mpanao Bilaogy Iray Mahakasika ny “L’Associé”

Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka ny Jolay 2009

Iray volana teo ho eo izay (Jona 2009), mpanao blaogy iray Jost A Mon dia namoaka “tatitra iray mikasika ireo tantarana mpitsongodia nadika, izay nandrotika ny fon'ireo mpamaky tokoa tamin'ny volana aprily” [amin'ny fiteny angilisy], anisany hita tao anatin'izany ireo boky marobe nosoratan'ireo mpanoratra tao Eoropa afovoany sy Atsinanana.

Indro ny tsikera mahery vaika mikasika ny tantara faha-21 an'i John Grisham, L’associé (Mpiray Antoka) nataon'ny bilaogera rosiana iray tsy faly:

Anton Nossik, mpampiasa ny LiveJournal dolboeb – 24 may 2009

Namaky ny tantara farany an'i Grisham, L'Associé, aho.

Alexandra Marinina, rosiana mpanoratra an'ireo tantarana mpitsongodia tena malaza be, nanoratra tantara iray mitovy firafitra amin'io ihany koa, nitondra ny lohateny hoe “Un Meurtrier malgré lui.” (Lasa Mpamono Olona Tsy Satry)

Manamboatra firafitra sarotra ilay mpanoratra, avy eo mipetraka eo amin'ny biraony, milona anaty hafaliana amin'ny vakiteny, manisy fiatoana azy io amin'ireo fiovàna tsy ampoizina sy andiana tranga maro, avy eo, manary tampoka ilay manintona any ampovoan'ilay tantara niaingana, manitrika tselatra iray eo amin'ny fotoana tena mahaliana, ary mandefa azy amin'iny endriny iny any amin'ilay mpanonta boky. Mety ho tohina kely amin'ilay famaranana toa ‘avant-gardiste’ ireo mpanonta boky saingy rehefa izay dia izay: eo amin'ilay tena iandrasan'ilay mpamaky ny ady tena hamaritra ny ratsy sy ny tsara sy tokony hiborahan'ireo miafina rehetra, amboarin'izy ireo haingana ny toko farany iray izay tsy mitondra inona akory, ovain'izy ireo io antsasaky ny toko io amin'ny alalan'ny fampiasana ireo karazana soratra marobe mba ho lasa matevimbe ilay boky, ary zarain'izy ireo eny amin'ny mpivaro-boky amin'izay, ka vetivety dia tsy hita eny amin'ny talantalana noho ny fitiavan'ireo mpankafy an-tapitrisany maro io antsasaka tantara io aminà vidina tantara iray vita htramin'ny farany.

Ary ny tena mahatsikaiky ao dia ny tsy fisiana fahasamihafàna betsaka akory eo amin'ny tantara mampangitakitaka efa vita htramin'ny farany sy ny antsaky ny andiany tantara iray. Tratra ny tanjona – hisarihana ny sain'ny mpamaky mandritra ireo ora maro any anaty fiara fitaterana iombonana na eny amin'ny morontsiraka – ary tamin'ny fomba nahomby ho an'ireo tranga roa ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.