Hajain'ny sasany toy ny Andro Fahatsiarovana ny Beatles any Japàna ny 29 Jona. Manamarika ny tsingerintaonan'ny nisehoan'ny Beatles voalohany indrindra tany Japàna tamin'ny 1966 ilay daty rehefa nanitsaka ny Haneda Airport teo afovoan'ny fotoanan'ny orana tany Japàna ary ny ampitson'iny nilalao tao amin'ny foiben'ny haiady Budokan tao Tokyo, voalohany tamin'ireo fampisehoana dimy holalaoviny tamin'iny fitetezam-paritra iny.
Ny 29 Jona, niparitaka be tao amin'ny Twitter Japoney tamin'ity taona ity ny tenifototra ビートルズ記念日 (Andro Fahatsiarovana ny Beatles), toy ny nizaràn'ny mpankafy maro ny fahatsiarovany sy fankafizany ny Beatles.
Heverina toy ny fihodinana teo amin'ny kolontsaina Japoney taorian'ny ady ny fitsidihan'ny Beatles tany Japàna tamin'ny 1966. Hoshika Rumiko, ilay japoney mpanao gazety voalohany nanao tafatafa niarahana tamin'ny Beatles tany Londona tamin'ny 1964, dia nanamarika tamin'ny 2016 ny fitsingerenan'ny faha-dimampolo taonan'ilay fitsidihana voalohany:
Teo amin'ny dimy andro latsaka kely teo monja ry Beatles no tao amin'ny firenena, fa ampy tanteraka hanovàna ny fiheveran'ny daholobe izany fitsidihana fohy izany. Fotana fohy taty aoriana dia nahatsapa ny olona fa tsy nanana safidy hafa afa-tsy ny hisafidy ny Beatles ry zareo.
Maro tamin'ireo orinasa lehibe ao Japàna amin'izao fotoana izao no niforona tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Beatles voalohany tao Japàna tamin'ny 1966. Toy ny notaterin'ny Nikkei Asian Review, araka i Ryuichi Isaka, filohan'ilay mpaninjara goavana Seven & i Holdings, toa ”teny iraisam-pirenena kokoa noho ny Anglisy ” ny mozikan'ny Beatles.
おはようございます〜♬
今日はビートルズ記念日〜??
51年前東京にやって来た!
#ビートルズ記念日 pic.twitter.com/qUOms08S8I— paulohkawa (@paulohkawa) June 28, 2017
Manao ahoana oh! ♬ Andro Fahatsiarovana ny Beatles izao aty Japàna. ?? Efa 51 taona izay nanomboka tamin'ny nahatongavany taty Tokyo.
Ankehitriny, mbola hiraina any amin'ny karaoke fisotroana toaka any Japàna ny hiran'ny Beatles toy ny mandritra ny fianarana taranja Anglisy any amin'ny kolejy Japoney. Mbola velona ihany koa ny ”kitsch”, na ireo zavatra tsy ahoan-tsy ahoana momba ny Beatles.
ビートルズ記念日ということで。我が家のビートルズ。このプーさんが、ジョンなのかジョージなのかは不明。 pic.twitter.com/yJY0deoMbO
— 山奈央(イラストレーター) (@70yama70) June 29, 2017
Andro Fahatsiarovana ny Beatles androany. Tia be ny Beatles ny ato an-tranonay. Tsy mba fantatro mihitsy raha tokony ho John Lennon ity saribakoly Winnie the Pooh ity na tsia.
Ary, toy ireo rehetra marobe mpankafy, manao fivahinianana masina amin'ny toerana manokana voamarik'ilay vondrona ny vahoaka Japoney.
??ビートルズ好きなら絶対に訪れたいスポット5選??(F&T) ①アビイ・ロード②マシュー・ストリート③ストロベリーフィールド④ペニー・レイン⑤‥。#ビートルズ記念日https://t.co/bzbslLbY0N
➡英国のホテル:https://t.co/IKDedi6osD pic.twitter.com/TRssth06Q8— ヨーロッパ旅行✈情報部 (@euro_tour) June 28, 2017
?? Raha tia ny Beatles ianao, misy toerana 5 tsy maintsy tsidihanao ??
1) Abbey Road
2) Mathew Street (any Liverpool)
3) Strawberry Fields
4) Penny Lane
5) (Avy amin'ny rohy) The Beatles Story, Liverpool
Mety ho miovaova ihany koa ny toetry ny fivahinianana masina.
皆さん、おはようございます。 今日は『ビートルズ記念日』です。 1966年のこの日、ビートルズが初来日しました。 お友達の中には映画けいおん!の聖地巡礼でロンドンに行かれた方がいますが、何時か自分もアビーロードを歩いてみたいものです。 って、去年も同じ事呟いていたな (^ ^; pic.twitter.com/EDmeu4uk0P
— あずにゃんぷ (@azunyanpu) June 28, 2017
Manao ahoana daholo oh. Androany no Andro Fahatsiarovana ny Beatles. Tamin'ity andro ity, tamin'ny 1966 , sambany tonga taty Japàna ny Beatles. Nanao fivahinianana masina tany Londona ireo mpandray anjara tao amin'ny sarimihetsika K-On!, ary nandeha tao amin'ny Làlana Abbey. Nanao toa izany koa izahay tamin'ny taona lasa iny.
Ary, toa ny mahazatra, hoezahan'ireo mpandraharaha ny hanararaotra an'ireo mpankafy mba hivarotana, toa ity mpivarotra “ramen” aoTokyo ity.
おはようございます中華そばムタヒロ古屋です?
今日はビートルズ記念日です!
一体どんな日?
僕が思うにイエスタデーを聞きながらムタヒロでラーメンを食べる今日。
そんな日だと思うんですよね
ということで本日もお待ちしております♡ pic.twitter.com/meLCTBXyG6— ムタヒロ 古屋 (@rintarooo15) June 29, 2017
Miarahaba, Mutahiro Koya Ramen ihany ity! ? Androany no Andro Fahatsiarovana ny Beatles. Ary tokony ho karazana andro ohatry ny ahoana izany? Androany dia hihaino ny ”Yesterday / Omaly” aho eo am-pihinanana ramen ato amin'ny Mutahiro Koya. Izany no karazana andro hitranga. Noho izany, manantena izahay fa hanatevin-daharana anay ianareo!
Araho ny tenifototra ao amin'ny ビートルズ記念日 hahafantarana maromaro kokoa mikasika ny Andro Fahatsiarovana ny Beatles.