- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Togo: Foana ny Fanamelohana Ho Faty

Sokajy: Togo, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka ny Jona 2009

Tamin'ny Talata teo (23 Jona 2009), nifidy ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty ho an'ireo heloka bevava rehetra [1], ny Antenimieram-pirenena ao Togo, nahatonga ihany koa an'io firenena io ho mpikambana faha-15 ao amin'ny Firaisambe afrikana nanafoana ny fanamelohana vaventy.

Na dia hatramin'ny taona 2003 aza no nanononana ny fanamelohana ho faty, tamin'ny taona 1978 no nisy fampiharana azy farany tao Togo.

Nilaza i Ephrem L  izay manoratra eo amin'ny togosite.com [2], hoe:

Vao avy nanoratra ny anarany tao anaty boky volamenan'ireo firenena nanafoana ny “fanamelohana ho faty” i Togo ao anatin'ny lalànany momba ny heloka bevava. Ny lanonana manetriketrika, ny hafanam-po ary ny firaisan-kevitra izay nanodidina io fifidianana io dia mahatonga anay hieritreritra fa afaka miara-manao zavatra goavana ireo togoley raha toa ka ao ny finiavana. Io no fandresena niraisana  omaly tao amin'ny parlemanta.

Fanontaniana iray tsy latsa danja ihany koa ary momba ilay atao hoe TSIMATiMANOTA no tsy maintsy ho ifantohan'ny saintsika manokana. Tsy maintsy iadiana izy io tsy asiana fandeferana io mba ho fandresean'ny zon'olombelona sy ireo fahafahan'ny isambatan'olona sy iombonana. Amin'io sanda io no hahatanterahan'ny fampihavanana.

Manoratra ny mpamaky ny tambajotra LePost.fr [3] iray fa:

Misaotra Animariio… TOGO… milay e………………….tsara sady mety Andriamatoa OBAMA,  misaotra anareo !!!!