Arzantina : Any Buenos Aires, Rindrina iray Manasaraka Tanàna Roa

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2009)

Natomboky ny tanànan'i San Isidro any Arzantina izay miorina ao amin'ny faritra avaratr'i Grand Buenos Aires ny fanorenana rindrina iray izay hitomandavana hanaraka ireo tangorontrano 16 trano ary hanana haavo 3 metatra mba hiavahany amin'i San Fernando, tanàna manakaiky azy. Ho an'ireo manampahefana ao San Isidro, hanome fiarovana tsaratsara kokoa io rindrina io ho an'ireo mponina izay milaza ny tenany ho lasibatry ny mpamaky trano izay avy eo mitsoaka any amin'ny tanàna manakaiky azy. Narahina fanehoana fanoherana ny fanombohana ny asa ary vondrona eny amin'ny manodidina no nanimba izay efa vita mivaingana sy rihitra simenitra tokony ho ampiasaina. Manoloana ny halehiben'ny fifandirana, ny nifaràny dia narovan'i Gustavo Posse, ben'ny tanàna ao San Isidro,tany anatin'ny media ilay tetikasa. Na ny filoham-pirenena, Ramatoa  Cristina Fernandez de Kirchner, aza dia niresaka mikasika ilay raharaha : « fihemorana ity rindrina ity. Gaga aho, fomba fisintahana izao. Tokony hiray hina isika fa tsy hisaraka. »

Araka ny Econoblog [amin'ny teny espaniola, toy ireo rohy rehetra voatanisa], « nanao ity fangatahana ity ny mponina rehetra tao Horgueta mba hisakanana ireo halatra  », ary koa, « hosakanan'ilay rindrina ireo olona ao amin'ny Villa Jardin mba tsy hiampita ny làlana manakaiky ny Horqueta. »  Iray amin'ireo manankarena indrindra ao San Isidro ity tanàna ity.

Manadihady ny valin'ny fitsapankevitra iray nivoaka tao amin'ny gazety La Nacion i Siete Crisantemos , izay ao anatiny no hanohanan'ny ankamaroan'ireo mpandray anjara ny fanamboarana ity rindrina ity, tamin'ny fanampiana hoe :

Yo no vivo ni en San Isidro ni en San Fernando, y no puedo decir que tan insegura es esa zona en particular; pero ya con lo que es Capital Federal me doy una idea. Sin embargo me parece vergonzoso plantear como solución un muro que en realidad no terminaría de resolver nada, como tampoco lo haría la pena de muerte, pero ese ya es otro tema. Cada vez más escucho en todos lados que este tipo de soluciones son las que realmente podrían ser efectivas, y que ese sea el pensamiento de la mayoría realmente me resulta triste.

Tsy mipetraka aho na ao San Isidro na San Fernandro, ary tsy afaka milaza na inona na inona mikasika ny tsy fandriampahalemana manjaka any, fa raha mifototra amin'ny zava-mitranga ao amin'ny renivohitra federaly (Buenos Aires) afaka maneho ny hevitro mikasika izany aho. Na izany aza, heveriko fa manahirana ny manolotra rindrina ho vahaolana ; tsy hamaha na inona na inona izany ; amina lohahevitra hafa ary amin'ny antony mitovy, tsy miombona hevitra amin'ny fanamelohana ho faty aho. Isaky ny voafidy miaraka amin'ny fanohanan'ny ankamaroan'ny mponina itony karazana vahaolana itony, dia malahelo aho.

Maneso ny La Runfla amin'ny hoe tsy resaka Amoron'i Jordana izany fa toerana roa ao Buenos Aires. Manarabiraby ny ben'ny tanàna, Gustavo Posse, i Listao, amin'ny filazàna fa naka aingam-panahy avy amin'ireo hevitr'i Micky Vanilla izy, mpandray anjara mampihomehy noforonin'ny mpilalao sarimihetsika arzantina Diego Capusotto « izay milalao pop mba hialàna voly fotsiny » ary, amin'ny fanaovana izany, miezaka ny manafina ny votoaty manavakavaka entin'ireo tonon'ny hirany. Rakitsrin-kiran'i Micky Vanilla misy dikanteny amin'ny teny anglisy

Farany, mitatitra ny tranonkalan'i Clarin  Que Parezca un Accidente  fa nanimba tetikasa iray izay vao avy nandaniana volam-bahoaka maro ireo mpanohitra ny rindrina, ary i Alex Piedo manoratra tamim-panesoana hoe :

Ahí lo tienen. Una simpática construcción, un muro cuyo único fin era mostrar al resto del mundo y sus alrededores, la capacidad y habilidad de los constructores de San Isidro, destruído, derribado, demolido inmediatamente por la desidia de aquellos que se oponen al progreso y al engrandecimiento de la Argentina toda. Un montón de dinero tirado a la basura por la mano de aquellos que se oponen al desafiante reto de la Argentina potencia.

Izay ary. Fanamboarana kely mahafatifaty, rindrina izay ny hany tanjony dia ny hampiseho ny hakingan'ireo mpiasa tànana ao San Isidro, ankehitriny, amin'ny tany izy, simban'ny tsy fitandreman'ireo manohitra ny fivoarana sy ny halehiben'i Arzantina. Maro ny vola lanilany foana tamin'ireo tsy maniry ny mba haha-hery lehibe an'i Arzantina.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.