- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Ndao Hitety Izao Tontolo Izao Amin'ny Boky Miaraka Amin'ny Global Voices !

Sokajy: Fampandrosoana, Fiteny, Haisoratra, Hevitra, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2009)

Global Voices Book Challenge

Andro Manerantany natokan'ny UNESCO ho an'ny boky [1]ny 23 aprily – tsy hoe ny fitiavan'ny ekipan'ny Global Voices ny bilaogy no hanadinoanay ireo endrika hafan'ny fanehoankevitra an-tsoratra! Mifanohitra amin'izany, koa satria heverinay fa fomba iray tena mahafinaritra  hahafantarana kolontsaina hafa ny famakiana haisoratra, dia manomboka fanamby mahafinaritra amin'ny mpiara-miasa sy ny mpamaky ny Global Voices rehetra, sy ireo mpitoraka bilaogy na aiza na aiza izahay.

Tahaka izao manaraka izao ny fizotry ny volan'ny boky Global Voices :

1)  Amin'ny volana ambony, mamakia boky avy amin'ny firenena iray izay tsy mbola fantatrao mihitsy ny haisorany

2) Manorata lahatsoratra ao amin'ny bilaogy momba io boky io amin'ny herinandro mialoha ny 23 aprily.

Te-hahafantatra izay mety ho azonao vakiana avy any Vietnam, Bolivia, Mozambika, Nouvelle Zelande na ireo firenena hafa ve ianao ? Anontanio eto ambany eto amin'ny alàlan'ny fametrahana fanehoankevitra! Azo antoka fa hisy olona hanolotra sosokevitra ho anao.

Ary raha te-hanafatra asa soratra tsy azo ihodivirana momba ny firenenao ianao, mamelà ihany koa fanehoankevitra azafady.

Rehefa avy namaky ny bokinao ianao (sady nahasoratra lahatsoratra !) dia lazao anay – faly izahay mahita izay voarainao tamin'ny fiovànao haisoratra.

FANAVAOZAM-BAOVAO : asio marika  #gvbook09 ny lahatsoratrao mba hahafahanay mahita azy.

Aza misalasala mampiasa ireto sary ireto mba hampahafantarana ny Volan'ny boky Global Voices !

Global Voices Book Challenge Global Voices Book Challenge