Sary: Fandehandehanana any Afrika Avaratra

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)Photo blog Cory Driver

Misy teny iray ahafahana mamaritra ity sary iray nalain’i Cory Driver izy izay Amerikana bilaogera iray monina ao Maraoka, ary izany teny izany dia tsy inona fa: Dray ! Tsy manampahaizana momba ny fakàna sary aho, fa afaka mitehaka ny asa ataon’i Driver any amin’ny tanàna Maraokana kosa, anisan’izany i Tattiouine, miorina eo akaikin’ilay andianà tendrombohitra hita eo amin’ity sary eo ambony ity. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba izany ianao, jereo eto (bilaogy mila fanomezandàlana hamaky) ny zavatra ataony mba ahitàna boky, ho anà fandaharana fampianarana mamaky teny, any aminà tanàna iray hafa:

Manana bilaogy ihany koa i R Andy (tsy hay na misaraka na mikambana), Amerikana iray hafa mpiray tanindrazana amin'i Driver, izay hitantarany ny fandehandehanany tany Afrika Avaratra. Hitantsika ohatra izao izy eto (bilaogy mila fanomezandàlana hamaky), manao fitafinà Dadabe Noely, manao fanazarantena fitànana fitobohana amin'ny tànana roa any Saharà. Toa an’i Driver, mandefa sary kanto anaty aterineto koa i Andy mba ahafahantsika manararaotra mahita izany fiainana ao Maraoka izany, sy ny fombafombany, ary ny mponina ao aminy. Manana fahazarana manaingo ny lahatsorany amin'ny sary ihany koa i Laila Lalami, Maraokana bilaogera sady mpanoratra, toy ny sary iray mampiseho trano fampisehoana sarimihetsika, izay nisokatra vao aingana (tamin'ny Febroary 2007) ao Tanger.

“Mety fantatr'ireo mpamaky tsy tapaka ity bilaogy ity angamba ilay mpakasary Yto Barrada, izay efa noresahako imbetsaka. Tsara vintana aho nahita azy mivantana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo (24 Febroary 2007), rehefa nakany Tanger aho mba hanotrona ny fanokanana ilay trano fampisehoana sarimihetsika, tetikasa izay novolavolain’i Barrada efa an-taonany maro. Tamin'ny 2001, naverin'i Barrada novidiana ny trano fampisehoana sarimihetsika efa tranainy Rif, izay miorina eo amin’ilay toerana manan-tantara Gran Socco plaza, ary avy eo, taorian'ireo taona maromaro niasàny anangonam-bola, dia nakatony io tamin’ny 2004 mba anavaozana azy. Miverina misokatra izao ny Rif, miaraka amin’ny seza vaovao sy fitaovana vaovao fandefasana horonantsary, fa mbola voatazona kosa ny mahakanto ilay trano fampisehoana sarimihetsika efa tranainy: ilay toerana fivarotana tapakila vita amin'ny vy, ireo fitoeranjiro lehibe eo amin’ny faritra fanalàna hetaheta, ireo petadrindrinà horonantsary taloha, ary ireo mpiasa, izay tsy niova” hoy izy.

Efa eto Maraoka ihany tsika, hitsidika ilay bilaogy A View from Fez [Anglisy], bilaogy iombonana izay manaraka ny vaovaon'ny fiarahamonina maraokana avy any amin’ny Medina an’i Fez, ary manana tetikasa fakàna sary ato.

“Nandany vola tamin’ny fividianana fitaovana fangalana sary raitra ny ekipa, mba hahafahantsika mampitombo ny isa sy ny hatsaran'ny sary mandravaka ireo lahatsoratsika. Ho avy tsy ho ela eto amin’ity bilaogy ity ny andiany momba ireo fitsangatsanganana hatao manodidina an'i Fez, ireo resadresaka atao miaraka aminà manampahaizana momba ny fanavaozana trano nentim-paharazana, ary, manantena izahay fa hisy koa ny andiany momba ireo bilaogery samy hafa manerana an'i Maraoka”,  hoy i Samir.

Mbola ao amin’ny faritra avaratr’i Afrika ihany, ndao ho ao Libia, ao Tripoli, izay hitondran’i Hibo Abu [Arabo], mpampianatra sady mpiasa sôsialy, antsika ao amin’ny Moske Fashloum, mbola an-dalam-panorenana amin’izao fotoana izao. Asehon'ireo sariny antsika ny fizotry ny asa fanamboarana ao anatiny sy ireo antsipirian’ny haingo sy ny sary sikotra any ivelany. Sarotiny amin’ny pitsopitsony sy ny haingo anatin'ny moskeny tokoa ny silamo satria aminy dia tranon’i Allah ireny.

Ary amaranana azy aminà fanamarihana tsy dia matotra kokoa, nandefa ny sarin'ireo olo-malaza ao tonizia (bilaogy mila fanomezandàlana hamaky) tao anaty aterineto i Leilouta, Toniziana bilaogera, mba ahitàna ny mety ho endrik'izy ireo raha nanapa-kevitra ny haka tahaka ilay adalàna farany nataon’i Britney Spears, izay nanasolàna ny lohany, ry zareo.

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.