- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Miaka-tsehatra Ny Gnaoua!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoka tamin'ny volana Jolay 2008 ity adika eto ity)

Isan-taona amin'ny volana Jiona, mpizaha tany an'arivony avy amin'izao tontolo izao sy Maraokana manerana ny firenena no mirohotra ao Essaouira, tanàna kely amoron-tsiraka tokony ho 200 kilaometatra avy ao Marrakesh, mba hamonjy ny Fetiben'ny [1] Gnaoua [2]sy ny mozika manerantany. Toerana mafana isan-taona ho an'ireo mpanakanto Maraokana isan-karazany ny tanàna, izay lasa nalaza noho ny nataon-dry Rolling Stones sy Jimi Hendrix (lazaina fa nosoratana momba an'i Mogador [3] ny Castles in the Sand), ary maresaka tanteraka mandritra ny fety. Tamin'ity taona ity, maro ireo bilaogoera nanatrika izany.

Manazava [4]fohy ny tantaran'ny Gnaoua ny Moroccan Dream:

The Gnawa music inspired a number of great musicians such as Jimmi Hendrix, Led Zeppelin and others. Gnaoua music is a pentatonic music very similar to Blues music because both are rooted in the heart of Africa.

Jimmy Page and Robert Plant went even further to create No Quarter in 1994. No Quarter is a fusion between gnaoua music and rock, following the steps of Randy Weston who was the first musician to fuse his jazz music with gnaoua in the 60's.

Nahasarika ireo mpiangaly mozika marobe tahaka an'i Jimmi Hendrix, Led Zeppelin sy ny hafa ny mozika Gnaoua. Mozika pentatonika (dimy tonom-peo) mitovy amin'ny mozika Blues ny Gnaoua satria samy avy ao am-pon'i Afrika izy roa tonta.

Lasa lavitra mihitsy aza i Jimmy Page sy Robert Plant mba hamorona ny No Quarter tamin'ny taona 1994. No Quarter dia fanakambanana ny mozika gnaoua sy rock, manaraka ny dian'i Randy Weston izay mpanakanto voalohany nanakambana ny mozikany jazz tamin'ny gnaoua tamin'ny taona 60.

Kimany Marley

Kimany Marley [5] manao fampisehoana

Manatsonga [6] ny talen'ny fetibe Neila Tazi mamaritra ny maha zava-dehibe ny fetibe ny View from Fez:

We are driven by our passion for music and genuine encounters, our desire to preserve some innocence and dreams in a harsh world. For four days we create a world with values we believe in: simplicity and the basic things in life.

Natosiky ny fitiavanay mozika sy ny tena fihaonana, ny fanirianay hiaro ny tsy fananan-tsiny sasany sy ny nofy ao anatin'ny tontolo mangidy izahay. Mandritra ny efatra andro, mamorona tontolo miaraka amin'ny soatoavina inoanay izahay: ny fahatsorana sy ny zavatra fototra eo amin'ny fiainana.

Nizara lahatsoratra [7] avy amin'ny Dr. Chouki El Hamel, manam-pahaizana manokana momba ny kolontsaina Afrikanina, tantara ara-kolontsain'ny gnaoua sy ny fiavian'ny fetibe ny Afropop, tranonkala natokana ho an'ny mozika Afrikanina manerantany:

Recently, Western musicians interested in African traditional music, have “discovered” the music of the Gnawa. As a result, many collaborations have ensued with famous jazz artists such as Randy Weston. The Gnawa are modernizing their style to make it more secular and with more commercial appeal. With these recent developments and their appeal to tourists, the Moroccan government in 1997established The Gnawa and World Music Festival in Essaouira.

Vao haingana, “nahita” ny mozikan'ny Gnawa ireo mpanakanto Tandrefana liana tamin'ny mozika nentim-paharazana Afrikanina. Vokatr'izany, nisy ny fiarahamiasa maro teo amin'ireo mpanakanto jazz malaza tahaka an'i Randy Weston. Nanavao ny endrik'izy ireo ny Gnaoua ary nanova izany ho laika kokoa sy manintona ara-barotra bebe kokoa. Noho ireo fivoarana vao haingana ireo sy ny fisarihan'izy ireo mpizahatany, nametraka ny Fetiben'ny Mozika Gnawa sy Manerantany tao Essaouira tamin'ny taona 1997 ny governemanta Maraokana.

Farany, Agadir Souss nizara lahatsary [8] tamin'ny fetibe:

Sarin'i Kimany Marley avy amin'i Agadir Souss [9].