Chile: Mpianatra Mitoraka Rano Ny Tavan'ny Minisitry Ny Fanabeazana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka efa tamin'ny volana Jolay 2008 ity adika eto ity)

Leo ny famoretana sy ny fanagadrana mpandray anjara amin'ny fihetsiketsehana manohitra ny Lalàna Vaovao momba ny Fanabeazana (LGE) sy ny daroka ary ny fanararaotana ataon'ny miaramila amin'izy ireo mandritra ny fihetsiketsehana ny mpianatra ao Chile, fihetsika izay efa nitarainana tany amin'ny Minisitry ny Fanabeazana nandritra ny fivoriana nokarakarain'ny Minisitera mba hiresahana momba ny LGE, resaka niafara tamin'ny fanipazan-drano teo amin'ny tavan'ny minisitra, araka ny hitantsika amin'ny lahatsary eto ambany.

Mampiseho ny fihaonambe nandritra ny Fandraisana Anjara tamin'ny Dinidinika napetraky ny Minisitry ny Fampianarana ny lahatsary izay navoakan'ilay mpisera profemetropolitano. Teo amin'ny 2:02 ora, tao anatin'ny hiakiaka manohitra ny LGE, mpianatra 14 taona manao palitao mena no hita mangataka valinteny mikasika ireo mpiara-mianatra aminy nofonjaina, ary mitaky fanazavana manoloana ny daroka nahazo azy. Nanaraka ny Minisitra Mónica Jiménez niakatra teny an-tsehatra izy avy eo, nisisika niresaka taminy saingy nosakanan'ny manampahefam-panjakana, ary tamin'izany no nangalany siny feno rano sy nitorahany izany teo eo amin'ny tavan'ny Minisitra.

Manohitra ny Volavolan-dalàna vaovao momba ny Fampianarana ireo mpianatra Shiliana, araka ny filazan'i Erwin, mpiara-miasa ao amin'ny bilaogy Latin Americanist (Ley General de Educación) izay efa nanapa-kevitra tao amin'ny antenimieran-doholona, indrindra teo amin'ny sehatry ny torolalana momba ny fampianarana tsy mitady tombontsoa ara-bola sy ny fahafahana mifantina mpianatra mifototra amin'ny saranga ara-tsosialy sy ara-toekarena sy ny fianarana vita ahafahana misoratra anarana any an-tsekoly, anisan'ireo fitarainana tsy noraharahian'ny governemanta tamin'ny fifanekena nosoratana nandritra ny fihetsiketsehana taona 2007 izany. Tao anatin'izany fihetsiketsehana goavana izany, ny fibodoana sekoly sy ny fanakanan-dalana manerana ny firenena, mpianatra sy mpampianatra an-jatony no nosazian'ny polisy ary nogadraina ny sasany, araka ny hita ao amin'ity mashup tamin'ny sary amin'ny fahitalavitra mitatitra ny zava-nitranga ity.

Nanambara ny minisitra fa ny fanipazana rano teo amin'ny tavany dia ohatra iray amin'ny fomban'ny olona tsy manana tohan-kevitra hanaporofoana ny hevitr'izy ireo ka lasa mampiasa herisetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.