Iran: Fanentanana Ataon'ny Bilaogera Hiarovana Ny Faritra Mando

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka efa tamin'ny volana Jolay 2008 ity adika eto ity)

Manana tontolo iainana faritra mando lehibe sy maro karazana i Iran saingy indrisy fa ao anatin'ny toe-javatra mampahonena ny sasany amin'izy ireo. Bilaogera sy mpanao gazety maitso marobe no mihevitra fa tsy miraharaha momba ireo faritra mando ireo ny governemanta Iraniana. Nanimba azy ireo mafy ny fanapahan-kevitr'izy ireo hanorina lalana sy hanamboatra tohodrano.

Nanapa-kevitra hanao fanentanana ireo bilaogera maitso, izay manomboka amin'ny 5 ka hatramin'ny 10 Jolay mba hampahafantarana ny olona sy ny bilaogera hafa momba ny natiora sy ny faritra mando mahafinaritra sy izy ireo tandindomin-doza. Namoaka sary maro hanehoana ny hakanton'ny faritra mando ao Anzali [anoherana] ny fanimbana azy ihany koa izy ireo.

Fahatsarana sy Filaminana

Iray amin'ireo faritra mando lehibe indrindra i Anzali, avaratr'i Iran ary nahasarika bilaogera maro. Afaka mahita natiora milamina avy amin'i Kossof, bilaogeran-tsary malaza isika.

Mampiseho ny hatsarany ihany koa izy:

Mohsen Tizhoosh, bilaogera maitso sady mpikatroka nilaza [Fa] fa tokony hanao fanentanana maitso ao amin'ny aterineto isika isaky ny vanin-taona ary hampiroborobo lohahevitra momba ny tontolo iainana eo amin'ireo bilaogera. Namoaka sary hafa ihany koa izy mba hampatsiahy antsika momba ny fiainan'ny biby ao amin'ity faritra ity:

Faharavana

Jamshidi, bilaogera sady mpanao gazety kosa nilaza fa ny Japoney no mikolokolo fatratra ny faritra mando Iraniana noho ny governemanta Iraniana. Nanoratra [Fa] izy fa:

5 years ago, Japanese researchers and specialists studied the Anzali wetland and warned about the consequences of constructing a road… The government wants to construct an alternative road about 500 meters longer than this one, which will damage severely the Anzali wetland.

5 taona lasa izay, Japoney mpikaroka sy manam-pahaizana iray no nianatra ny faritra mando Anzali ary nampitandrina momba ny voka-dratsin'ny fanamboaran-dalana … Te-hanorina lalana hafa manana halavany tokony ho 500 metatra noho ity iray ity ny governemanta, izay hanimba tokoa ny faritra mando Anzali.

Hoy koa izy: “nandoa vola tamin'ny fanadihadiana ny faritra mando Anzali i Japana. Saingy ankehitriny, tsy te-hanaraka ny torohevitry ny fikambanan'ny tontolo iainana ny olona sasany satria lafo loatra izany.”

Namoaka sary maro mampiseho ny fanimbàna sy ny fisian'ny mpitandro filaminana mandeha ao amin'ny lalana haorina izy:


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.