Tonizia: Vehivavy Iray Mpampiasa Facebook Nampidirina Amponja Noho Ny Fanaparitahana Ireo Honohono Mety Hanakorontana Filaminam-bahoaka

Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2009

Tamin'ny sabotsy 4 Jolay 2009, ny efitrano faha-8 tao amin'ny Tribonaly Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Tunis dia nanasazy mpampianatra iray efa nisotro ronono, ny Dr Khedija Arfaoui [amin'ny fiteny angilisy], valo volana an-tranomaizina, noho ny fandefasana tamin'ny tambajotra sosialy Facebook, ireo honohono, izay heverina fa manakorontana ny filaminam-bahoaka.

Ramatoa Khedija Arfaou, vehivavy iray [amin'ny fiteny angilisy] mpampianatra tao amin'ny anjerimanontolon'i Manouba, tao Tunis, efa nisotro ronono, no voampanga fa nandefa honohoo iray tamin'ny Facebook mahakasika zaza 5 nisy naka ankeriny tao ampianarany tao Tonizia. Tao anatin'ny volana vitsivitsy, maro ireo tsaho niely tao Tonizia mikasika ireo ankizy nalaina ankeriny sy niharan'ny fanondranana olona; efa nahatratra ireo halehiben'ny fihanahana haingana ireo tsaho ireo no sady, na eo aza ny fandavana ofisialy nataon'ny minisitry ny atitany nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety, maro ireo ray amandreny no miahiahy sao misy maka ankeriny ireo zanany.

Nahazo vahana niparitaka manerana ny firenena ilay tsaho, indrindra fa tamin'ny aterineto. Teo amin'ny Facebook, tambajotra sosialy malaza iray tao Tonizia, izay ahitana mpampiasa manodidina ny 623 000 eo ho eo, no navoaka sy naely tamin'ireo namana ireo lahatsary sy ireo fampitandremana fakàna zaza ankeriny .

Mpikatroka ho an'ireo zon'ny vehivavy [amin'ny fiteny angilisy] ny dokotera Khedija Arfaoui, mpikambana amin'ny Fikambanan'ireo Vehivavy Toniziana momba ny Fikarohana sy ny Fampandrosoana [amin'ny fiteny angilisy], izy ihany koa no namorona ny Fikambanana ho Fampandrosoana sy fiarovana ny tontolo iainana (ADPE).

Ireo mpanaramaso sasany, toa ny bilaogera Mokhtar Yahyaoui, mpitsara taloha izay nametraka fialàna noho ny taratasy misokatra nalefany ho an'ny filohampirenena Toniziana manameloka ny tsy fisiana fahaleovantena eo amin'ny fahefam-pitsarana, mihevitra fa ny governemanta dia mitady olona atao sorona ao anatin'ity raharaha mikasika tsaho ity.

Juriste Tunisie, bilaogy fanomezana fampahalalàna momba ny raharaham-pitsarana tantanin'ireo mpitsara toniziana izay mikatsaka ny hampandrosoana ny serasera sy ny fampielezana ny vaovao momba ny lalànan'ny firenena, no nanaraka ny raharaha amin'ny lafiny ara-pitsarana rehetra, amin'ny alalan'ny fanitrikitrihana fa manjavozavo be ihany ny lalàna toniziana raha mikasika ny fanaparitahana ireo tsaho amin'ny Web no resahana.

Tranga iray saika nitovy tamin'io, ny 15 martsa 2005, voasambotra i Ramzi Bettibi avy eo naiditra amponja nandritra ny efatra taona noho ny fanaovana dika mitovy, teo amin'ny sehatra fifampiresahana izay izy no mpandrindra azy, ny fanambaràna iray nataona vondrona mihantsy fanafihana fampihorohoroana raha toa ny Praiminisitra Israeliana taloha Ariel Sharon ka ho tonga hanatrika Fihaonambe erantany momba ny orinasa mpikirakira vaovao (SMSI) atao any Tonizia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.