- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitombo Any India : Mifampitantara Amin'ny Lahatsary ireo Tanora

Sokajy: Afrika Atsimo, India, Senegal, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina
Le logo d'Adobe Youth Voices

Le logo d'Adobe Youth Voices

[Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 28 mey 2009]

Noho ilay fandaharanasa Adobe Youth Voices [1], afaka manandrana fitaovana mamoaka feo aman-tsary ny tanora manerana ny faritra samihafa erantany mba hitantarany momba ny fomba fijeriny. Izany no mitranga ao India, izay namokaran [2]‘ireo tanora avy amina sekoly marobe sy ireo tanàna tsizarizary, lahatsary [2] mba hampisehoana ny tontolo manodidina azy sy ny ahiahiany. Ho fanombohana, lahatsary iray mampiseho [3] ny fahasamihafàn'ny fikarakarana ny zazalahy sy ny zazavavy any India, iray hafa [4]mampiseho ny zava-tsarotra lalovan'ny zazavavy iray tsy maintsy manao ny raharaha ao an-trano ary tsy manana fotoana hanaovany ny entimodiny avy any an-tsekoly, ary tantarana [5] zazalahy iray voasazin'ny Ray aman-dReniny noho ny tsy nanatrehany kilasy iray ary avy eo mifoka eo ambanin'ny faneren'ny mpiara-mianatra aminy [amin'ny teny anglisy ireo rohy].

Ity lahatsary voalohany ity,  Freedom, dia voasoritr'i Meera Sinha ao amin'ny blaoginy A Year in India (Taona iray tao India) [6]:

Fanamarihana mahaliana : 17 taona i Mubeen no efa nitarika ny Freedom, efa nanoratra mikasika azy aho teto [7](izy no mpandray anjara fototra ao amin'ny sarimihetsika). Any amin'ny faran'ny lahatsary, mariho fa misy vehivavy antitra kokoa hanontaniana ny antony hitiavany kokoa ny zanany lahy noho ny zanany vavy. Tazony ao an-tsainareo fa ao anatin'io resaka io, i Mubeen ilay mpanadihady, ary ny reniny ilay hadihadiana.

Raha toa ka nanome topimaso kely ho antsika mikasika ny fiainan'ny zazavavy iray ivangongoan'ny andraikitra amin'ny asa sy fianarana ilay lahatsary teo aloha [3], ity lahatsary manaraka [4] ity izay novokarin'ny sekoly Védique Kanya any Delhi dia mampiseho ny lafiny fanabeazana amin'io fiainana izay hiandraiketan'ny zazavavy andraikitra roa io, ary ny fomba mampisy fiantraikany eo amin'ny vokatra azony any am-pianarana ny tsy fahampian'ny fotoana hamerenana ny entimody :

Ary farany, ity lahatsary farany [5] avy amin'ny Noida Public School  any Delhi ity dia manome antsika fomba fijerin-dehilahy, ary manadihady ny mahatonga ny fifohan'ny adolantsento sigara ho vokatry ny olana any an-trano sy ny fitaoman'ny namana.

Afaka mijery lahatsary maro hafa novokarina tanora eo amin'ny tranonkala Adobe Youth Voices [1] isika, izay ahafahana manao fikarohana isaky ny faritra sy tsy hahafantatra ny mikasika ny fiainana ao Inde ihany, fa mikasika koa ny fahatanorana any Senegaly sy any Afrika Atsimo, toa izany koa ny any Etazonia, Kanada sy  Grande-Bretagne.