- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sodàna: Voasambotra Noho Ny Tsikera Manome Rariny Ny Didy Fampisamboarana Navoakan'ny CPI

Sokajy: Sodàna, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

[Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 28 martsa 2009]

Tamin'ny alin'ny 5 martsa, nanao bemidina nankany amin'ny toerana fonenan'ilay mpikatroka an-tambajotra sady mpisolovava, Abdel Hakim Abdel Rahman Nasr, ny mpitandro filaminana Sodaney, ora vitsivitsy taorian'ny nanehoany ny fanohanany ny didy fampisamborana navoakan'ny CPI manohitra ny [1] Filoha Sodaney Omar al-Bashir [1] tao amin'ny tranonkala International Forum for Nubia [2] (Vovonana fifampiresahana iraisam-pirenena ho an'i Nobia), izay izy no mpandrindra azy.

Araka ny lazain'ny mpandrindra ilay Vovonana fifampiresahana, nalain’ny mpitandro filaminana [3] ny tenimiafin”i Abdel Hakim [3] tamin'ny 6 martsa 2009 ary nofafan-dry zareo ny rohy mihoatra ny telonjato [4] napetrak'ilay mpikatroka sy  ireo mpikambana hafa tao amin'ilay vovonana fifampiresahana :

Ny enina martsa, nisy nampiasa ny tenimiafin'i Abdel Hakim ary namafa [300] [3] tamin'ireo lahatsorany, ary koa lahatsoratra nozaraina mpikambana hafa, izay hoisaina atsy ho atsy, satria tena voafafa tanteraka ireo lahatsorany ireo, fa tsy amin'ny ampahany fotsiny. Niezaka ny hiantso an'i Abdulhakeem izahay mba hahazoana fanazavana bebe kokoa mikasika ireo zava-nitranga ireo, saingy maty ny findainy. Niantso ny rahalahiny Naar Al Mahsi izahay, izay niantso tany Sodàna, ary nilaza taminay izy fa efa ny alin'io no nosamborina i Abdulhakeem. Izay midika fa nampiasa ny tenimiafin'i Abdel Hakim ny mpitandro  filaminana mba hamotehana ireo lahatsorany. Ho fahamalinana, nanala ny zo hiditra nanànan'ireo mpandrindra  rehetra i Hassam Al Mallik mpandrindra ilay tranonkala, mandra-pisian'ny filazana manaraka ary mandra-paha-azo antoka ilay tranonkala.

Navotsotra tamin'ny 11 martsa 2009 [5] i Abdel Hakim. Tao anatina lahatsoratra nozaraina tamin'ity herinandro ity tao amin'ny International Forum for Nubia , nanoritsoritra ny zavatra tsy maintsy nozakainy nandritra ny fakàna an-keriny azy sy ny fanadihadiana azy izy, ary ny fomba nikapohana azy tamin'ny kapoka vodibasy sy kibay. Hisy fandikàna ny lahatsoratr'i Abdel Hakim hivoaka atsy ho atsy eto amin'ny Global Voices.