- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenyà : Liona Voampoizina Tamin'ny Fanafody Famonoana Bibikely

Sokajy: Kenyà, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

poisonedlionmara [1]

Iray tamin'ireo liona voapoizina tamin'ny 2008

( Fanamarihana : lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2009 )

Nanala ny fanafody famonoana bibikely Furadan [2] teny amin'ny tsena kenyàna, ilay amerikana mpanamboatra vokatra simika, FMC [3], taorian'ny nandefasan'ny CBS News fanadihadihana tao anatin'ny fandaharana [4]« [4]60 minitra [4]» [4] [amin'ny teny anglisy toy ireo tranonkala sy blaogy voatanisa]. Mampiseho ny nahatonga ny Furudan ho ilay vokatra nironan'ny mpiompy mba hanampoizinana ireo liona ahiahiana hamono ny biby fiompy ao anatiny sy manodidina ny tahirim-pirenenan'i Masaï Mara.
Mizara  ny filazana an-gazety feno ao amin'ny Bilaogy Baraza [5] ny Dr Paula Kahumbu, ary mitanisa ny trangana fampiasana ny Furudan mba hamonoana ireo karazana bibidia rehetra i Martin Odino, ao amin'ny blaoginy Stop Wildlife Poisoning [6], hita ao amin'ny vavahady WildlifeDirect.org. [7]

Nizara fanambarana tamin'ny 29 martsa 2009 ny FMC , manameloka ny fampiasana tsy amin'ny tokony ho izy voatatitra momba ity fanafody mahery vaika famonoana biby kely amin'ny fambolena ity, toy ny asehon'ilay fanadihadiana.

Manameloka mafy ny fampiasana ny vokatra ataony mba hamonoana bibidia ary tena miasa saina amin'ireny fiampangana ireny ny FMC.

Ao amin'ny tatitra an-gazety nataony, manoro ny FMC fa nanao dingana maro izy mba hanenana ny fanararaotana ny Furadan any Kenyà, ao anatin'izany:

  • Fanatsaharana ny varotra Furudan rehetra ao Kenyà taorian'ny nahafantarana tranga ratsy iray nitranga tamin'ny May 2008 ;
  • Manomboka avy hatrany fandaharanasa miverina mividy ny Furadan any Kenyà, mba hanaisorana ny vokatra rehetra tavela eny an-tsena ;
  • Fanentanana mivantana ireo mpiasan'ny fiarovana ny bibidia, mba hahazoana antontan-kevitra mikasika ny fahapoizinana nanjo ireo liona.