- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Ilay vehivavy Voalohany Voaheloka 6 Taona An-tranomaizina Noho ireo Asany An-tserasera

Sokajy: Tonizia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2009)

Tamin'ny alakamisy 14 may 2009, namoaka sazy ho anà tovovavy 22 taona, mpianatra amin'ny teknolojiam-baovao sy ny serasera [1], Mariam Zouaghi, ny efitrano faha-5 mikasika ny heloka bevava ao amin'ny Tribonaly Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Tunis, izay ho fisorohana, noho ireo fiampangana mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana. Voaheloka 6 taona an-tranomaizina izy.

I Mariam Zouaghi no vehivavy toniziana voalohany voaheloka vokatry ny Lalàna miady amin'ny asa fampihorohoana nivoaka tamin'ny 10 desambra 2003. [2]

Voasambotra tamin'ny 26 jolay 2008 [3] i Mariam noho izy nijery ireo tambajotra Web voaràra, namoaka ireo lahatsoratra momba ireo lazaina ho “toerana fifampiresahan'ireo mahery fihetsika” sady nanangom-bola mba hanohanana ny mponina ao Gaza [4].

Tamin'ny tafatafa an-telefaonina niaraka tamin'ny Global Voices Advocacy, nitatitra ny mpisolovava mpiaro, Samir Ben Amor [5], fa niantsoantso ny tsy fananany tsiny i Mariam Zouaghi sady nandà ireo fiampangana ho mpikambana anaty vondrona mpampihorohoro. Notsipihany ihany koa fa ny fiampangana azy dia mifandray amin'ireo asany an-tserasera sy ny fanohanany ireo mponina ao Gaza.