- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kazakhstan: Toekarena sy bilaogy

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2009)

Miresaka [1] mikasika ireo maodelin'ny fitondrantenan'ny vahoaka ao Kazakhstan eo anivon'ny fiarahamonina ny Megakhuimyak [1]… [ru]:

Tian'ireo olona aty amin'ny Firenena an-dàlam-pandrosoana manokana ny mandany ny volany amin'ny fisehosehoana, indrindra, rehefa misy hidirany amin'ny lanonam-panambadiana. Vao nisy mpifankatia nanambady, fa efa dolara an'aliny sahady no lany. Avy eo mandoa trosa mandritra ny taona maro ry zareo, ary aorian'izay dia manomboka manangom-bola hanaovana lanonana mitovy amin'izany ihany ho an'ny zanany. Ary avy eo vao gaga – maninona no toa mahatsiaro tsy fahampiam-bola foana izy ireo?

… ary milaza ny heviny ihany koa izy momba ny fihatahana ara-toekarena eo amin'ny kajikajy nataon'ny fanjakana [2][ru] [2]: [2]

Ho fampiakarana ny haben'ny fanadiovan-tsolika ho 4,5 tapitrisa taonina ka hatramin'ny 2015, naroso ny sosokevitra hampiasa vola 3,4 tapitrisa dolara ao amin'ireo fanadiovan-tsolika efa misy. Manontany tena aho hoe fa maninona no tsy mihevitra fomba iray hafa izy ireo – afaka tsinjaraina ho fanadiovan-tsolika kely miisa 18 afaka mitahiry 250.000 taonina avy ireo 4,5 tapitrisa taonina ireo. Ary 360 tapitrisa dolara ny vidin'izy ireo mitambatra.

Mandritra izany fotoana izany, mampahatsiahy i katelka, [3] fa lasa manan-kery ao Kazakhstan ny Lalàna mikasika ny Fitsipika anaty Aterineto izay mahatonga an'ireo bilaogy hitovy amin'ny mediam-bahoaka [ru]:

Misy fanontaniana mipoitra mifandray amin'ity lalàna ity: indray andro aho namaky bilaogina saka, izany hoe, nisy tompon-tsaka nitoraka bilaogy ”amin'ny anaran'ny” sakany… Iza izany no tokony heverina ho mpanao gazety amin'ity indray mitoraka ity? Ny saka?

Navoaka tao amin'ny neweurasia [4]ihany koa ity lahatsoratra ity.