- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy Maghrebiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Alzeria, Libia, Maoritania, Maraoka, Tonizia, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005)

Nanomboka tetikasa iray vaovao mitondra ny anarana hoe Maghreb Blog [1] (Bilaogy Maghrebiana) ny vondronà mpanoratra bilaogy mavitrika avy ao amin’ny tontolo Maghrebiana [2]; izay misy an'i Maraoka [3], Tonizia [4], Alzeria [5], Libia [6] ary Maoritania [7].

Ny vaovao manerana ny faritra, sy ireo olana iraisana ary ireo zavatra maro hafa no tena resahana ao anatin’io bilaogim-bondrona io, anatinà ezaka fampiroboroboana ny tontolon'ny bilaogy maghrebiana sy ny fampifanakaikezana ny olona tsirairay ao aminy.

Raha jerenao akaiky kokoa ireo bilaogy manerana ireo firenena maghrebiana (ohatra i Maraoka [8], Tonizia [9], Alzeria [10]), ho hitanao fa betsaka tokoa ny ifandraisan’izy ireo [11], ary maro ny fitoviana eo aminy; miainga amin’ireo raharaha resahany, ka hatrany amin’ny olana hatrehany, ireo hevitra zarainy, sy ireo tanjona tratrariny; Vao mainka porofoin'izany ny fomba fitovian’ny eritreritr'ireo vahoaka maghrebiana, sy ireo zavatra manahirana azy, ireo tanjony ary ny zavatra rehetra manampy ny tantara [12], ny teny, ny haitoetany sy ny firazanana.

Noforonina mba hampisehoana izany io tetikasa io, mba hampiraisana [13] ireo Maghrebiana mpitoraka bilaogy ao anaty aterineto, mba hamoronana toerana ihaonan [14]’izy ireo hahafahany mifandray, mifanakalo hevitra, mizara, miresaka momba izay mampiray azy ireo ary mba hanakarany ny fahasamihafana ananan'izy ireo, izay tsy manam-paharoa sy manatevina ny fahalalany.