Bilaogy Maghrebiana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005)

Nanomboka tetikasa iray vaovao mitondra ny anarana hoe Maghreb Blog (Bilaogy Maghrebiana) ny vondronà mpanoratra bilaogy mavitrika avy ao amin’ny tontolo Maghrebiana; izay misy an'i Maraoka, Tonizia, Alzeria, Libia ary Maoritania.

Ny vaovao manerana ny faritra, sy ireo olana iraisana ary ireo zavatra maro hafa no tena resahana ao anatin’io bilaogim-bondrona io, anatinà ezaka fampiroboroboana ny tontolon'ny bilaogy maghrebiana sy ny fampifanakaikezana ny olona tsirairay ao aminy.

Raha jerenao akaiky kokoa ireo bilaogy manerana ireo firenena maghrebiana (ohatra i Maraoka, Tonizia, Alzeria), ho hitanao fa betsaka tokoa ny ifandraisan’izy ireo, ary maro ny fitoviana eo aminy; miainga amin’ireo raharaha resahany, ka hatrany amin’ny olana hatrehany, ireo hevitra zarainy, sy ireo tanjona tratrariny; Vao mainka porofoin'izany ny fomba fitovian’ny eritreritr'ireo vahoaka maghrebiana, sy ireo zavatra manahirana azy, ireo tanjony ary ny zavatra rehetra manampy ny tantara, ny teny, ny haitoetany sy ny firazanana.

Noforonina mba hampisehoana izany io tetikasa io, mba hampiraisana ireo Maghrebiana mpitoraka bilaogy ao anaty aterineto, mba hamoronana toerana ihaonan’izy ireo hahafahany mifandray, mifanakalo hevitra, mizara, miresaka momba izay mampiray azy ireo ary mba hanakarany ny fahasamihafana ananan'izy ireo, izay tsy manam-paharoa sy manatevina ny fahalalany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.