- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

India: Fikambanan'ny Asa Fanaovan-gazety Miaraka Amin'ny Video Volunteers

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Teknolojia, Vonjy Voina, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 11 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Ny Video Volunteers na Mpaka Sary Mpilatsaka An-tsitrapo dia fikambanan'ny mpamokatra fampitam-baovao tsy mitady tombontsoa avy amin'ireo tanànakely sy trano bongo ao India, izay mamorona votoaty manan-danja ho azy ireo sy mandefa izany hojeren'ny vondrom-piarahamonina, ka miantefa amin'ny olona an'arivony isam-bolana miaraka amin'ny vaovao sy ny zava-mitranga izay mikasika azy ireo ary miantso azy ireo mba hihetsika. Ny fantsona lahatsary an-tserasera Channel 19 [1] no fitaratra ho an'ireo mponina sisa, ho an'ity fampitam-baovao  noforonina sy natao ho an'ny vondrom-piarahamonina ity .

Niresaka momba ny fitokonana tao Dharavi, izay toerana ahitana trano bongo betsaka indrindra erantany ao Mumbai, India,  ny lahatsary farany avy amin'ny Video Volunteers. Ny fampanantenan'ny governemanta hizara toeram-panorenana mirefy 37 metatra toradroa isam-pianakaviana izay tsy tanteraka no anton'ity fitokonana ity raha nilaza indray izy ireo nandritra ny fivoriana farany fa toeram-panorenana mirefy 28 metatra toradroa isam-pianakaviana ihany no afaka omena azy ireo. Mirakitra ny tantara feno ity lahatsary manaraka ity, Black Day in Dharavi [2] (Ny Andro Mainty ao Dharavi) , izay nalaina sy novokarin'ny mpaka sary mpilatsaka an-tsitrapo:

Mahaliana sy manome aingam-panahy ny lahatsary iray hafa avy amin'ny VideoVolunteers tao amin'ny Channel 19 atao hoe: Afa-Milalao Ihany Koa Ny Vehivavy ! [3] , nanontany ireo ankizy manodidina ny trano bongo ny vondrom-piarahamonina mpanao gazety amin'ny fomba ataony rehefa milalao. Toa hita ary fa ny ankizilahy ihany no milalao, raha tsy maintsy manao raharaha kosa ny ankizivavy. Koa nanontany vehivavy iray mpilalao cricket ry zareo amin'ny maha zava-dehibe ny filalaovana, mba hanomezana aingam-panahy ireo  ankizivavy hafa mba hanao toy izany ihany koa. Ao amin'ny Tsy Misy Taonany ny mampianatra [4], dia ahitana ny vehivavy iray mpitsindroka vorodamba nanapa-kevitra ny hanova ny hoaviny ary lasa mpampianatra sy nahazo diplaoma .