Mpiady amin'ny Kolikoly Voafelaky ny Fiampangàna Ho Nanao Kolikoly Any Azia Afovoany
Miaina firongatr'ireo tranganà ady amin'ny kolikoly i Azia Afovoany, iray amin'ireo faritra be kolikoly indrindra eto an-tany, miaraka amin'ireo tomponandraikitry ny ady amin'ny kolikoly mizaka ny vokatr'ireo fanadihadiana.
Taminà hetsika iray tsy nanam-paharoa natao tamin'ny faran'ny volana lasa teo, nanodidina ny 20 isa ireo tomponandraikitra antenantenany sy ambony ao amin'ilay Masoivoho matanjaka Iadiana amin'ny Kolikoly sy ny Fanarahamaso ny Ara-bola nogadraina tany Tajikistan. Tany Turkmenistan, herinandro vitsivitsy taty aoriana, nosamborina ny mpampanoa lalànam-panjakana sy ireo mpiasa am-polony eo ambany fifehezany, raha ny zavatra hita, noho ny nahalatsaka azy ireo tanatin'ny karazan-keloka tokony nanaovany fanadihadiana.
Any Tajikistan, hita tamin'ny fikarohana ny fananan'ny iray tamin'ireo mpigadra, izay mpanao fanadihadiana antenantenany, ny vola mitentina 1,3 tapitrisa dolara, ny volamena enina kilao, ireo efitrano miisa 31 any Dushanbe, ireo trano roa misy tokotany, ny datcha any Varzob (toerana miendrika morontsiraka manakaiky ny renivohitra), ny trano iray hafa any Aotrisy, ireo karatra fampiasa amin'ny banky ao an-toerana sy any ivelany, ary farafahakeliny akanjo mihaja lafo vidy miisa 50, araka ny voalazan'ny gazety Akhbor.com any Prague miaraka amin'ireo loharano ao anatin'ny firenena.
Tsy hiavaka ny karazanà kolikoly miafina toy izany — raha nisy loharano ireo tatitra izay tsy nohamarinin'ny gazetim-panjakana Tajik. Fa dia ho fisehon-javatra fahita aminà firenena iray aza izany, izay tsy mihoatra ny 250 dolara isam-bolana ny karama antonony ao amin'ny renivohitra, ary milahatra any amin'ny laharana faha-151 amin'ny Tondron'ny Fahitàna Kolikoly avoakan'ny Transparency International.
Any amin'ny laharana faha-154 amin'io tondro io i Turkmenistan, firenena iray Sovietika taloha. Nisy tsaho mandeha mikasika ireo firenena roa ireo, fa satria midina ny ‘felaka’ ara-toekarena, noho ny fitotonganana ara-toekarena any Rosia sy ny fidinan'ny vidin'ny molanga (hydrocarbure), niha-mafana ny ady eo amin'ireo samy ao an-tampony ao. Noho izany, mandehandeha ny tohankevitra, tsy misy idiran'ny ady amin'ny kolikoly loatra.
Taminà tatitra an-dahatsary YouTube momba ny fisamborana sy fanamelohana ireo Turkmen (eto ambany), izay navoakan'ny gazety iray mpanohitra ary manasongadina ny lahatsary avy amin'ny fahitalavi-panjakana faran'izay tena voaaramaso be ao Turkmenistan, naka ity lohahevitra ity taminà hiakam-pamoizam-po mampivarahontsana mahalaza azy tsara ilay mpampiasa YouTube, Rosa Ekacheva :
Давно уже все прогнило ! Тут ничего уже не исправить ! Всю систему надо менять !
Lò efa hatry ny ela ny zavatra rehetra. Tsy misy azo avotana intsony!
Ireo “adim-poko” ao Tajikistan
Ho an'ny Tajikistan, ny tena mahavariana indrindra amin'ireo tsaho maro mifandray amin'ireo fisamborana vao haingana dia misyifandraisany amin'i Rustam, zanak'i Emomali Rakhmon, ilay mpitarika am-perinasa, .
Araka io tsaho io, ireo tomponandraiki-panjakana misahana ny ady amin'ny kolikoly dia nokendrena hampihenana ny herin'i Rustam izay efa teo amin'ny sampan-draharaha nanomboka ny volana Janoary 2017, tamin'izy notendrena ho ben'ny tanànan'i Dushanbe.
Araka ny mpanoratry ny sampana mifantoka amin'ny vaovaon'i Tajikistan, Ozodagon, notanisain'ny mpampiely vaovaomparitra iray hafa, centre1.com, mety niteraka fialonana teo amin'ireo sampam-piarovana hafa ireo fahefana midadasika be ananan'ny sampana miady amin'ny kolikoly — indrindra ilay mahery mpandimby ny KGB — ka nanao izay rehetra vitany hanoherana azy io.
Возможно, кто-то желает подорвать позиции Рустама Эмомали, который ранее руководил этим органом, – продолжает Мамадшоев. – Кстати, до него Антикоррупционное агентство возглавлял Абдуфаттох Гоиб (выходец из Дангары, земляк президента Рахмона. – Ред.). Его сын, владелец клуба «Истиклол», дружен с Рустамом Эмомали
Mety hoe misy te-hanimba ny toeran'i Rustam Emomali, izay zatra nitantana io sampana io. Teo alohany, i Abdufattoh Goib no nitantana io sampan-draharaha io. Namana akaikin'i Rustam ny zanany lahy, tompon'ny kliobam-panatanjahan-tena Istiklol.
Eurasianet-n'ny bilaogy In the Cocoon, nikaroka lalindalina kokoa ny ‘adin'ny antoko’, raha sady nampitandrina ihany tamin'ireo fisintonana tsoa-kevitra matotra:
Zava-dehibe ny manamarika fa, ny fanadiovana ny ady amin'ny kolikoly, dia asan'ny Kaomiti-panjakana an'ny Fiarovam-pirenena, na GKNB, izay mitovy amin'ny tranga fahita fiadiana amin'ny antokontoko.
Nalaina indrindra indrindra avy tamin'ny faritra manodidina ny atsimon'ny tanànan'i Kilob ny mpitondra eo am-perinasa ankehitriny, fa ampahan'ny kisarisary lehibe ihany io, ary misy kodiarana anaty kodiarana mila jerena ao.
Mba hitsofohan'i [Rustam] eo amin'ny sezan'ny ben'ny tanàna ny fiantombohan'ny taona, nilaina ny namindra ny tompon-toerana teo aloha sady efa teo hatry ny ela, Mahmadsaid Ubaidulloev, mpampiranty fototry ny antoko Farkhor. Tsy vitan'ny maka ny asan'i Ubaidulloev fotsiny, nampitombo ny elanelana i Emomali tamin'ny fanaovana ireo fizotra rehetra amin'ny fanadihadiana ilay ben'ny tanàna teo aloha hampisehoana ny porofon'ny fanaovany kolikoly nandritra ny naha teo amin'ny toerany azy.
Raha toa ny ekipan'i Farkhor sy ny antoko Dangara-n'ny fianakaviana Rahmon hita ho samy mifanila ihany, tsy voatery hitovy làlan-kaleha foana akory izy ireo.
Ary satria niseho tokoa izany, koa samy teraky ny distrikan'i Farkhor ny sefon'ny GKNB, Saymumin Yatimov, mitovy amin'i Ubaidulloev ; hany ka mety ho fanehoany ny lojikan'ny tsy fivadihana amin'ny samy mitovy faritra ny zotom-pony tampoka ny hiaraka ny mpiara-miasa taloha tamin'i Emomali.
Amin'izao fotoana mbola manjavozavo izao aloha, resaka be ihany ary tokony hitandremana tsara ny misintona tsoa-kevitra avy amin'ny eritreretina ho fifanarahan'ny antoko. Raha toa ka misy fe-potoana ihany io fomba fiasainana io, ho hita eo amin'ny ho avin'i Ubaidulloev amin'ny farany izany.
Mazava ho azy, noho ny fiaretany hatry ny ela, rikoriko tamin'ireo zava-mitranga ireo olompirenena tsotran'i Tajikistan, mbola maneho indray ny tsy fitoviana lehibe eo amin'ny tombontsoany sy ny an'ireo tomponandraiki-panjakana ambonin'ny governemanta izany.
Nitaraina izao ny mpampiasa Facebook Tikhufa Akhmedova :
Инаш домоди фалони, ваяш писари фалони , инаш додари фалони, ваяш чияни фалони ин сабилмондахои пулчамькун савод доштанд е аз хисоби фалонихо вазифа гирифта бошанд? Чи кадархо босаводони бе тагахо аз дасти чунин фалонидорхо дар кишвар кор наефта дар хорич кор карда истодаанд. Ин лаинхо ба халку ватан хиенат карда саоват чамь оварданд. Бигзор тамоми пулу сарвати онхо мусодира гащта ба бунеди рогун сарф каода шавад.
Io vinanton'io olona io, io zanaka lahin'io olona io, io rahalahan'io olona io, io zanaky ny mpiray tampo amin'io olona io… Mahazo ireo toerany noho ny lafiny fihavanany amin'ireo olona manampahefana fotsiny ve ireo olona tra-kolikoly be ireo? […] Firifiry moa ireo olona nandrato fahaizana tsara tsy mety mahita asa ary voatery miala ny firenena satria tsy manana dadatoa manampahefana?
Natsangana ny taona 2005 ny Masoivoho amin'ny Fanaraha-maso ny Ara-bola sy ny Fiadiana ny Kolikoly-n'ny Repoblikan'i Tajikistan, mba hiady ny kolikoly eo amin'ny firenena, fa tonga dia nantsoin'ireo Tajiks naneso ho toy “ny Masoivohon'ny Kolikoly” teo ho eo.
Ny taona 2015, raha nanamarika ny faha folo taonan'ny masoivoho, nitsikera ny asany ary nampitahotra ny hanakatona an'io ny Filoha Rakhmon, nilaza hoe: “nanangana io masoivoho io aho, hanimba an'io ihany koa aho”. Fotoana fohy taorian'izany, notondroiny hitantana sy hanaramaso io ny zanany lahy sady mpandova azy, Rustam.
Nanao soso-kevitra amin'ny fomba tena hamongorana ny kolikolyo any amin'ny firenena mahantra ilay mpanao gazety Tajik lasa sesin-tany, Temur Varqi.
Предлагаю таджикскому руководству для искоренения коррупции в Агентстве по борьбе с коррупцией создать Агентство по борьбе с коррупцией в Агентстве по борьбе с коррупцией, подчиненное напрямую основателю Агентства по борьбе с коррупцией
Manao soso-kevitra aho ny hamoronan'ny mpitondra Tajik, Masoivoho Fiadiana ny Kolikoly eo ambanin'ny Masoivoho Fiadiana ny Kolikoly, mba hiady amin'ny kolikoly ao amin'ny Masoivoho Fiadiana ny Kolikoly.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...