- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Ny Lokan'ny Human Rights First i Nora Younis Bilaogera Egyptiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 23 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Nahazo ny Annual Human Rights Award [1] (Lokan'ny Mpiaro ny Zon'Olmbelona fanao isan-taona) androany ilay bilaogera Egyptiana sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona Nora Younis [2].

Human Rights First hosted its annual dinner and 30th anniversary celebration honoring those at the forefront of the struggle to defend human rights, featuring actress Sigourney Weaver, who will serve as the master of ceremonies, Caroline Kennedy, who will accept an award on behalf of her uncle, Senator Ted Kennedy, and singer Mary Chapin Carpenter, who will perform.

Nanatontosa ny lanonana fanaony isan-taona ny Human Rights First ary nankalaza ny faha-30 taonany tamin'ny fanomezam-boninahitra ireo mpitolona lohalaharana amin'ny fiarovana ny zon'olombelona. ​​Notronin'ilay mpilalao sarimihetsika Sigourney Weaver izay nanolotra ny loka ny lanonana ary Caroline Kennedy izay nandray ny loka tamin'ny alàlan'ny dadatoany ilay Senatera Ted Kennedy, ary nahitana ny fampisehoan'ilay mpihira Mary Chapin Carpenter.

Hoy i Fustat [3] nitatitra:

She shares the prize with Oleg Kozlovsky, a young democracy activist in Russia – a country that slides further from the straight path of democracy for each day it seems. Senator Ted Kennedy is also awarded for his long and distinguished career as a human rights defender.

Human Rights First have been very supportive of human rights in Egypt, during the last years and Campaigned for Saad Eddin Ibrahim, who won the same award in 2002, Alaa and Kareem among others, and I would like to extend my greetings and humble thanks for your support on this happy occasion.

Zarainy miaraka amin'i Oleg Kozlovsky ny loka , ilay tanora mpikatroka ara-demaokrasia ao Rosia , firenena iray toa hita fa manalavitra hatrany ny demokrasia isan'andro .  Nahazo ny loka tamin'ny maha-mpiaro ny zon'olombelona azy maharitra sy miavaka ihany koa ny Senatera Ted Kennedy.

Tena nanohana tanteraka ny fiarovana ny zon'olombelona ao Egypta ny Human Rights First, nandritra ireo taona faraparany ary nanao fanentanana ho an'i Saad Eddin Ibrahim, izay nahazo ny loka toy izany tamin'ny taona 2002, toa an'i Alaa sy Kareem ihany koa, ary manararaotra izao fotoan-dehibe izao aho hanolorako fiarahabana sy fisaorana eram-po noho ny fanohananareo.

Faly mizara ny fomba nilazan'ny Human Rights First ilay vehivavy bilaogera i Fustat :

This is how they describe Nora:

… When Egyptian soldiers used water cannons and nightsticks to brutally evict Sudanese refugees from a public square in Cairo, Nora Younis was there, taking notes and shooting photos. Her blog of the incident drew international attention to the Egyptian government's abuses against these vulnerable refugees. Nora continues to raise awareness about rampant human rights abuses in Egypt through her compelling blog posts.

Toy izao no filazan'izy ireo momba an'i Nora:

… Rehefa mampiasa tafondro-drano sy kibay ny miaramila Egyptiana  mba  handroahana ny mpitsoa-ponenana Sodanezy tamin-kerisetra tao amin'ny kianja malalaka ao Kairo, dia teo i Nora Younis , nandray an-tsoratra sy naka sary. Nisarika ny saina iraisam-pirenena  ny bilaoginy miresaka ny zava-nitranga momba ny fampijalian'ny governemanta Egyptiana ireo mpitsoa-ponenana marefo. Mbola manohy ny fanairana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona mielipatrana ao Egypta i Nora amin'ny alalan'ny bilaogin-dahatsoratra mandresy lahatra .