- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Somalia: Tsy Fankalaza ny Fanaovana Piraty

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Emirà Arabo Mitambatra, Korea Atsimo, Okraina, Somalia, Thailandy, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Tsidika

(Marihina fa tamin'ny 20 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Mety misy ny mihevitra ny piraty ho zavatra mifandray amin'ny fandikana ny fizakàmanana , na angamba mihevitra izany ho fomba fiainana fahiny mba hankalazaina mandritra ny Andron'ny Talk Like a Pirate [1] (Mitenena toy ny piraty). Olana lehibe amin'izao fotoana izao any amin'ny firenena sasany anefa ny piraty sy ny fiarovana ny fifamoivoizana an-dranomasina na izany aza. Ao amin'ny lahatsary androany,  nampiasa mpiambina mba hijery ireo entana avy amin'ny sambo mitondra sakafo rehefa tonga any Somalia ny Fandaharan'asa Ara-tsakafo Manerantany [2], ary miresaka momba ny piraty amin'ny andro ankehitriny ny bilaogeran-dahatsary avy any Korea sy ny Emirà Arabo Mitambatra.

Nandeha niaraka tamin'ny sambo nitondra ny sakafon'ny Fandaharan'asa Ara-tsakafo Manerantany ny mpanatontosa iraka ao amin'ny tranonkala Rocketboom [3] , Ruud Elmendorp, ary mampiseho [4]antsika ny fiarovana ilaina mba hahatongavan'ny sambo soa aman-tsara any amin'ny seranatsambo:

Tao amin'ny YouTube,  miresaka momba ilay sambo Okrainiana nitondra fitaovam-piadiana izay nalain'ny jiolahin-tsambo Somali an-keriny raha teny an-dalana ho any Kenya  ny bilaogeran-dahatsary Emirà Arabo Mitambatra mankind4ever [5] :

https://youtube.com/watch?v=oYP768h7wLU

Miresaka momba ny fakàn'ny jiolahin-tsambo Somaliana an-keriny ny sambo Thailandey vao haingana ihany koa ny bilaogeran-dahatsary Danismyuncle [6]any Korea Atsimo, sy ny fomba namotsorany ireo takalon'aina taorian'ny nandoavana ny tambiny ary avy eo niondrana an-tsambo indray mba hanatanteraka heloka bebe hafa: