- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia : Andro Mainty Ho An'ireo Mpitoraka Bilaogy

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra tamin'ny May 2010)

Ohatranà sary manohitra ny fanivànana ny blaogy, ao amina blaogy toniziana (404 dia midika ‘Tranonkala tsy hita”)

Andro mainty ho an'ny tontolon'ny bilaogy toniziana ny talata 27 aprily 2010. Nandefa famelezana an'ireo mpitoraka bilaogy ny polisy toniziana amin'ny fanivànana bilaogy iraika ambin'ny folo. Fanivànana jadona izany, izay efa nanomboka nanafika bilaogy tsy mavitrika volana maromaro izay. Ity manaraka ity no lisitr'ireo bilaogy voasivana :

Amcha fi bled Al Imyan [1] (arabo)
Trap Boy [2] (arabo)
AntiKor [3] (frantsay)
Arabista [4] (frantsay)
Ya Tounes [5] (arabo)
Abidklifi [6]
OuNormal [7] (arabo)
Carpe Diem [8] (frantsay)
Bent 3ayla [9] (arabo)
Artartticuler [10]
Stupeur [11] (frantsay

Ny ampitson'iny, bilaogy hafa koa no tratran'ny tranga mitovy amin'izany :

Ny bilaogin'i Houssein [12]
Ny bilaogin'i Lina Benmhenni [13] (ny bilaogiko)
Ny bilaogin'i Achour Enneji [14]
Ny bilaogin'i Boudourou [15]
Ly bilaogin'i Metallic Naddou [16]

Tsara marihana fa nandritra ny roa herinandro mahery teo, nanivàna, tsy bilaogy irery ihany, fa tranonkalam-baovao toy ny Nouvel Observateur [17] sy ny Rue89 [18], ary koa tranonkala fifampizarana lahatsary toy ny www.wat.tv [19]sy www.metacafe.com [20] ny polisy toniziana.

Nisy mombamomba tao amin'ny Facebook voasakana ihany koa, izay anisan'izany ny ahy. Voasakana tanteraka ny tranonkala Global Voices telo andro taorian'izay. Nisy fanivànana tapany teo amin'ny tranonkalanay nandritra ny volana maro:

Ireo toniziana mpampiasa aterineto, ary indrindra ireo mpitoraka bilaogy, dia manohitra ireo fanakanana jadona ireo amin'ny alalan'ny lahatsary, sary, sy ny lahatsoratr'izy ireo manohitra ity fanivànana ity :

Manoratra i Kissa Online [21] :

Fandikana lehibe ny zon'olombelona amin'ny fampiasana malalaka ny fahalalahàna maneho hevitra ny fanivànana ny Aterineto atao amin'ny fanakanana ny bilaogy sy ny tranonkala maro. Ny fanivànana, amin'ny fotoana tsy hay tanisana intsony, dia mbola namely sy nisakana ny bilaogy ao Tonizia indray.

Manoratra i Free Thoughts [22] eo ambanin'ny lohateny An intellectual Genocide (Fandripahana ara-tsaina) :

البارح في الليل , و بعد غياب وقتي بسبب الفروض , قلت نعمل طلة عل فايسبوك و جو البلوغسفار ..
ياخي مع الأسف تصدمت , نلقا لي عمار عاث فيها فسادا لا خلى لا أخضر لا يابس .. الحجب ولى لعبة قذرة تواجهنا كل يوم , اضافة الى انو مجهول الاسباب
وليت نحس لي احنا عايشين في القرن ال14 منين الكنيسة كانت تحرق في الكتب
Tamin'iny alina iny, taoriana tsy nahateo ahy elabe, satria fotoana namerenako lesona ho an'ny fanadinana, dia hoy aho hoe mba handeha hitselika ao amin'ny pejy Facebook-ko sy ny tontolon'ny bilaogy Toniziana aho.
Indrisy, tohina aho. Hay nopotehin'i Ammar (NdT : anarana napetaky ny toniziana mpampiasa aterineto ho an'ireo mpanivàna) daholo ny rehetra tsy an-kanavaka.
Lasa lalao maloto atrehintsika isanandro ny fanivànana. Fanampin'izany, tsy misy antony mazava ilay fanivànana. Toy ny miaina amin'ny taonjato faha-14 aho, tamin'ny mbola nandoroan'ny fiangonana ny boky.

Nanomboka teo, mbola miady amin'ny fanivànana ireo toniziana mpitoraka bilaogy amin'ny fizaràna amin'ny pejy fandraisana ao amin'ny bilaoginy, antso izay manameloka ny fanakanana toy izany. Pikasarin'ny pejy fandraisan'ny iray amin'ireo bilaogy voasakana ny sary ery amin'ny fiaandohan'ny lahatsoratra.