Manàmbana Haka An-keriny Vehivavy Indiana Ao Amin'ny Facebook Ny Vondrona ‘Cyber Warrior’

Mangataka fitsaràna mikasika ilay mpianatra 23 taona maty tamin'ny 29 desambra vokatry ny fanolanana, ireo mpianatra manao hetsipanoherana eo ivelan'ny Lapan'ny Tanàn'i Bangalore. Sary an'i Jim Ankan Deka tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY SA 3.0)

Andro vitsy lasa izay i Isha Ishika, mpianatry ny anjerimanontolo iray ao Kerala, fanjakàna Indiàna any Atsimo, no norahonan'ireo mpikambana aminà vondrona iray ao anaty Facebook antsoina hoe Kerala Cyber Warriors.

Milaza ny ankamaroan'ireo mpikambana amin'ilay vondron-dehilahy mpiteny Malayalam fa ho fiarovana ireo Indiana ao amin'ny tambajotra no tanjony, singanina manokana amin'izany ireo vehivavy Malayalee, amin'ny alalan'ny fijirihana ireo pejy izay mizara mibaribary ireo sary manahirana sy votoaty  mifandraika amin'ny resaka ara-nofo.

Faritan'izy ireo ao anatin'ny pejin'ny vondron-dry zareo ireo hetsika ataony, amin'ny filazana fa katsahan-dry zareo ny ”hampiharihary” ireo olona ary hitandro ny voninahitr'ireo vehivavy Malayalee. Lazain-dry zareo fa nojirihany ireo tranonkala ao Pakistàna ary ho fiarovana ireo miaramila Indiàna. Lazain-dry zareo ihany koa fa tsy maintsy nataon-dry zareo ny valifaty tamin'ireo vondrona vetaveta tao amin'ny Facebook. Tsy mazava tsara hoe fomba fanao ara-teknika toa inona no nampiasain'izy ireo nidirana tamin'ireny pejy ireny

Miantefa amin'ireo vehivavy Malayalee ny karazana famoahana iray toy izany ao amin'ny pejin'ny vondron'izy ireo :

സ്വാതന്ത്ര്യത്തിനു വേണ്ടി മുറവിളി കൂട്ടി നടക്കുന്നതിനു ഇടയ്ക്ക് നിങ്ങള്‍ മറന്നു പോകുന്ന ചില കാര്യങ്ങള്‍ ഉണ്ട്.അതൊന്നു ഓര്‍മിപ്പിക്കുക ആണ്.ഉപദേശം ഇഷ്ടം അല്ലെന്നു അറിയാം.എന്നാലും ഒന്ന് വായിക്കുക.

നിങ്ങള്‍ സ്നേഹിക്കുന്നതിനോ,എന്ത് സംസാരിക്കുന്നതിനോ ആരും എതിരല്ല.പക്ഷെ ആ സംസാരം അതിര് കടക്കുമ്പോള്‍ നിങ്ങള്‍തന്നെ മറന്നു പോകുന്ന ചില കാര്യങ്ങളുണ്ട്.

മറുപുറത്ത് ഉള്ളവന്റെ വാക്കും കേട്ട് സ്വന്തം നഗ്ന ശരീരത്തിന്റെ ഫോട്ടോ,വീഡിയോ അയക്കുമ്പോള്‍ നിങ്ങള്‍ ചതിക്കുന്നത് നിങ്ങളെ മാത്രമല്ല,ജന്മം നല്‍കിയ അച്ഛനേം,അമ്മയേം,സ്വന്തം കൂടെ പിറപ്പുകളെയും കൂടി ആണ്.അവരെ കൂടി ആണ് നിങ്ങള്‍ നാണക്കേടിന്റെ കൊക്കയിലേക്ക് തള്ളിയിട്ട് ആത്മഹത്യയിലേക്ക് നയിക്കുന്നത്.

Ry Ranabavy,

Mety hieny hidradradradra ny fahafahanareo ianareo, saingy misy zavatra sasantsasany adinonareo. Fantatray fa tsy tianareo ny torohevitra. Tsy manohitra anareo hiteny na hitia izahay, saingy eo anivon'ireo rehetra ireo, adinonareo ny  zavatra sasany.

Rehefa mandefa ireo sarinareo na lahatsarinareo amin'ny olona miaraka aminareo na tianareo ianareo, mamitaka ny tenanareo ary koa ny rainareo sy ny reninareo ary ireo anadahinareo sy ireo rahavavinareo ianareo. Andalam-pamotehana ny voninahitry ny fianakavianareo ianareo ary manosika ny fianakavianareo ho amin'ny famonoantena.

Ishika, mpianatra momba ny toekarena eny amin'ny anjerimanontolo no voajonon'ilay vondrona rehefa avy nandefa hafatra iray tamin'ireo namany marobe mba hahazoany angona ho an'ny fanadihadiana iray momba ny miralenta.

Ishika, izay niresaka tamin'ny Global Voices mikasika ilay tranga, dia miahiahy fa toa misy manome vaovao mikasika ny fanadihadiana nataony ireo mpikambana ao amin'ilay vondrona ary heverin'izy ireo ho toa tsy manara-penitra izany, izay kilasian'izy ireo ho toy ny “resaka firaisana”. Hita taratra io amin'ny valinten'izy ireo natao an-tsoratra, raha tsy izany amin'ny teny Malyalam, asehon'ny pikantsary eto ambany. Efa nandefa sary iray mikasika ireo salaka ihany koa i Ishika vao haingana, izay miteraka olana ihany koa no fahitàn'ilay vondrona azy.

Pikantsarin'ny fangatahan'i Ishika sy ny vokany. Mivaky toy izao ny hafany voalohany: “Manangona torohay momba ny Fandalinana ny Miralenta izahay ho atao anaty lahatsoratra iray, iangaviana handefa eto ianao raha manana”.

Nilaza tamin'i Ishika ny mpikambana iray tao amin'ilay vondrona mba hanatsahatra ny fandefasany  ireo lahatsoratra mahakasika ireo vehivavy ary nandrahona ny “hanome henatra” azy sy hampiharihary ireo sariny miboridana amin'ny aterineto raha toa izy tsy manaraka ny  fangatahan'ireo Kerala Cyber Warriors.

Niteny taminy ireo mpikambana amin'ilay vondrona fa “loto ho an'ny fiarahamonina Malayalam” ireo vehivavy toa azy ary manimba ny maha-izy azy an'ireo tovovavy hafa ihany koa ireo zavatra ataony. Nangataka ihany koa izy ireo ny mba handefasany amin'izy ireo ny teny fidirany mba ho izy ireo ihany no afaka mamotika ireo lahatsoratra. Tsy nanaiky izy..

Mpikambana iray amin'ny vondrona Facebook avy eo no nanomboka niresaka tamin'i Ishika tamin'ny tambajotra, nandrahona ny hampihanjahanja azy raha toa ka tsy manaiky ao anatin'ny iray andro ireo fangatahan-dry zareo izy.

Fotoana fohy taorian'izay, namoaka lahatsoratra tamin'ny Facebook i Ishika niresahana mivantana ilay olana. Nohazavainy fa tsy nila ny “fiarovan” izy ireo izy sady tsy manan-kevitra hanala na dia iray aza amin'ireo lahatsorany izy.

ഒരു പാട് വട്ടം ചോദിച്ചപ്പോഴാണ് നമ്മുടെ രക്ഷകൻ കാര്യം വെളിപ്പെടുത്തുന്നത്. ഞാൻ ഒരു വർഷം മുൻപൊക്കെ പോസ്റ്റ് ചെയ്ത പൈങ്കിളി പ്രേമ പോസ്റ്റുകൾ മുതൽ ഞാൻ എപ്പോഴൊക്കെയോ രതിയേ കുറിച്ചും ആർത്തവത്തേ കുറിച്ചും എഴുതിയത്,ഞാൻ മുൻപ് പോസ്റ്റ് ചെയ്ത പല വർണങ്ങളിലുള്ള മെൻസസ് പാഡുകളുടെ ഫോട്ടോ.. ഇതൊക്കെ പെൺകുട്ടികളെ അപകടത്തിൽ കൊണ്ട് ചാടിക്കുമത്രെ..

ബഹുമാനപ്പെട്ട കേരള സൈബർ വാരിയേഴ്സിന്റെ സേവനങ്ങൾക്ക് പെരുത്ത് നന്ദി. പക്ഷെ ഇനിയിവിടെ കിടന്ന് അലമ്പി നാറ്റിക്കാതെ ഇറങ്ങിക്കോണം ഈ അങ്കത്തട്ടിന്ന്., ഈ കൊട്ടാരവളപ്പിന്ന്… ഈ ടെറിട്ടറീന്ന്..

Nanontany imbetsaka azy ireo aho (inona no olana). Nampatsiahy ireo  ‘mpamonjy’ fa manetry ny voninahitry ny vehivavy ny famoahako lahatsoratra mikasika ny fananahan'ny vehivavy, ny fadimbolana, ary koa ireo sary mirakitra salaka, sy ny sisa.

Ry Kerala Cyber Warriors “hajaina”, Misaotra amin'ireo asanareo. Saingy tsy ilaiko ireny ary avelao aho sy ireo lahatsoratro ho irery.

Taorian'ny namoahan'i Ishika io lahatsoratra eo ambony io, fandrahonana misavovona marobe no natrehiny, andrana fipaingorana ny mombamomba ny tea manokana, ary fanaovana herisetra ara-nofo an-tserasera, miaraka amin'ireo karazana kaonty marobe mifandray amin'ny Kerala Cyber Warriors izay mandrahona azy noho izy miteny anohitra azy ireo.

Niezaka ny nanitsy azy ireo ihany i Ishika tao anatin'ny roa andro saingy nony farany nanoratra fitarainana tamin'ny Facebook, tamin'ny fampiasàna ilay dingana fitaterana fanararaotana nataon'izy ireo. Mandrara fatratra ny fampijaliana sy ny fihantsiana herisetra ara-nofo ilay orinasa amerikana, saingy tsy manasazy ireo mpanao herisetra raha toa ireo tra-doza ka tsy manao tatitra mikasika ny fanaovana herisetra ara-nofo manaraka ny zotra ara-dalàna napetrak'izy ireo.

Mivaky toy izao ny politikan'ny “Fenitra ara-piarahamonina” ao aminn'ny Facebook mikasika ilay tranga :

Tsy mandefitra izahay mikasika ny fampijaliana na ny fanaovana herisetra ara-nofo. Avelanay ianao hilaza ankahalalahana tranga sy olona ho an'ny tombontsoam-bahoaka, saingy esorinay ny votoaty izay toa mikendry ireo olona manokana ka hanambaniana na hanomezana henatra azy. Io votoaty io dia ahitana, nefa tsy voafetra:

  • Ireo pejy izay manasongadina sy manome henatra ireo olona manokana
  • Ireo sary novàna mba hanambaniana manokana ireo olona,
  • Ireo sary na lahatsary mikasika ny fampijaliana ara-nofo nalefa mba hitondra henatra ho an'ilay niharany,
  • Fizaràna torohain'olona manokana mba hanaovana antsojay na hihantsiana ireo olona, ary
  • fikendrena miverimberina atao amin'ireo olona sasany miaraka amin'ireo fangatahana ho namana na ireo hafatra tsy niriana

Mbola tsy nahazo valinay avy amin'ny Facebook i Ishika mikasika ny fitarainany. Mitatitra amin'ny Facebook mikasika ny vondrona Kerala cyber Warriors ihany koa ireo mpiaradia, momba lazaim'izy ireo fa fisolokiana kaontin'olonkafa, izay mbola fanitsakitsahana ireo fitsipiky ny Facebook ihany koa.

Nisy ihany koa ireo voka-dratsy mikasika ilay tranga tao amin'ny Facebook ihany. Sona Nakshathra, izay vehivavy mpanao gazety nanesoeso ilay vondrona tao amin'ny Facebook:

പെമ്പിള്ളാര് മര്യാദക്ക് നടന്നില്ലെങ്കിൽ അവരുടെ അക്കൗണ്ട് ഹാക്ക് ചെയ്ത് അവരുടെ നഗ്ന ഫോട്ടോ ഇട്ട് മര്യാദ പഠിപ്പിക്കും ന്ന് പറയുന്ന ഒരുകൂട്ടം ഊള ടീമാ… :/

Mitandrema ry vehivavy, hametraka ireo fitsipika momba ny fomba fitondran'ireo vehivavy ny tenany no maha-eo ilay vondrona, na rahonan'izy ireo ho alefa ireo sarinao miboridana.

Gayathri Narayanan, vehivavy mpitsabo aretin-tsaina dia nanoratra tamim-panesoana hoe:

മഹാപരാധം തന്നെ , പെണ്ണുങ്ങള് വെറുതെ സമത്വത്തെ കുറിച്ചൊക്കെ എഴുതാൻ പാടുണ്ടോ!!!!! എന്ത് സമത്വം??? അതും ലിംഗസമത്വം. ‘പ്രസവിക്കുക, കുട്ടികളെ വളർത്തുക തുടങ്ങിയ പരിപാവനമായ കാര്യങ്ങൾ മാത്രം പെണ്ണുങ്ങള് നോക്കിയാ മതി. ഇത് വെറുതെ ഓരോ തലത്തെറിച്ചതുങ്ങൾ, പെണ്ണുങ്ങൾക്ക് സമത്വം ഉണ്ടെന്നും സ്വന്തം ശരീരത്തിൽ പരിപൂർണ അധികാരം ഉണ്ടെന്നും , ഉമ്മ വയ്ക്കാനും വാങ്ങാനും അതിനെ കുറിച്ച് സംസാരിക്കാനും ഒക്കെ അവകാശം ഇണ്ടെന്നും ഒക്കെ എഴുതുന്നു പറയുന്നു… ഇവരെയൊക്കെ നന്നാക്കാൻ അമാന്തിക്കരുത്. (ഉപദേശിച്ചോ ഉപദേശിച്ചോ ,, ഇവരെയൊക്കെ ഉപദേശിച്ചോ… എങ്ങാനും ഇവരൊക്കെ തിരിച്ചു പറയണ മറുപടി കേട്ട് ബാക്കിയുള്ളവർക്ക് വല്ലതും തിരിഞ്ഞാലോ !!!

Raharaha goavana. tsy azo ivalozana ny vehivavy tokony hanoratra mikasika ny fitoviana lenta. Nahoana ilaintsika ny miralenta? Tokony fanoratana mikasika ny maha-ray amandreny sy ny vohoka fotsiny no soratan'ireo vehivavy. Ireny vehivavy hafa mpanao hiringiriny ireny, izay mitaky ireo zo momba ny vatany, tena tokony ampianarinareo lesona iray izy ireny. Tohizonareo ny fanaovana an'io azafady, mba, rehefa mamaly anareo ireo vehivavy ireo, farafaharatsiny ny hafa mba mahazo torohevitra bebe kokoa avy amin'ireny valinteny ireny.

 

Na teo aza ny antso sy ireo ezaka ankehitriny ataon'ny Facebook mba hampitsaharana ny fihantsiana herisetra atosiky ny mha-lahy na vavy eo amin'ny vovonan'izy ireo, mbola mitohy tsy miato manerana izao tontolo izao ireo fandrahonana ho faty sy fakàna an-keriny olona, izay miteraka vokany lozabe eo amin'ny tena fiainana any amin'ireo firenena maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.