Hametra-pialàna Sa Tsia: Roa Mpanao Lalàna Mametraka ny Raharahan'Ireo Amin'ny Fifidianana “Fitsipaham-pitokisana” Natao Tamin'ny Lehiben'ny Fitsarana Any Trinidad Sy Tobago

Ny Efitrano Lehiben'ny Fitsarana ao Seranantsambon'i Espaina, Trinidad. Sary nalain'i Klaas Vermaas, CC BY-ND 2.0.
Mitohy ny fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto momba ny fifidianana fitsipaham-pitokisana ataon'ny Fikambanan'ny Mpanao lalàna any Trinidad sy Tobago (LATT) amin'ny Lehiben'ny Fitsarana, Ivor Archie. Voamarina ve sa fanatavezan-dresaka bebe kokoa no azo ilazana ny fitakiana ny fametraham-pialan’i Archie? Mety ho fanampiana sa ho sakana amin'ny fampandraisana andraikitra io fametraham-pialany io? Miankina amin'izay olona anontaninareo.
Iray amin'ireo feo nivantana momba ny fanoherana ao ambadik'ilay fifidianana ilay Mpanolontsaina Zokiolona, Martin Daly – amin'ny fanongontsongoana ny tsy fahombiazan'ny fanendrena an'i Maria Ayres-Caesar tao amin'ny Fitsarana avo. Ayres-Caesar izay filohan'ny fitsarana teo aloha, dia namela antontan-taratasy fiampangana manandanja mbola tsy voatsarany ho an'ny aty aoriana, izay nanimba ny mety ho fahafahan’ireo maro voafonja mba hahazo ny rariny ara-potoana.
Tao aminà lahatsoratra tamin'ny faran'ny herinandro tao amin'ny tranonkalam-baovao Wired868, nambaran'i Daly ny antony mahatonga an'i Archie sy ireo mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fitsarana sy Mpanao Lalàna (JLSC) — izay manoro hevitra ny filoha amin'ny fanendrena ireo mpitsara — ho tokony hametra-pialana noho ilay toe-draharaha. Namerimberina niantso ilay fifidianana fitsipaham-pitokisana ho “fotoana tena tsara amin'ny fampandraisana andraikitra ireo mpiasam-panjakana” i Daly. Nanazava izy hoe:
Misy singa roa tena ilaina amin'ny fampiasana ny fahefana. Ny iray dia ny manampahefana ara-dalàna hampihatra ny fahefana. Ny iray hafa dia fahefana ara-moraly izay fototr'io fampiasana ilay fahefana io ary mifototra amin'ny fitokian'ny olom-pirenena […]
Rehefa ireo zavatra nataony sy ny fanadinoany no voalohany natao fanadihadiana ara-dalàna, tena niavonavona tanteraka ny JLSC, […] Ny marimarina kokoa, tsy niaiky ny fananany anjara andraikitra tamin'ny fihemoran’ny ampahany 53 amin'ireo tranga heno ho tokony ho efa natomboka[..]
Izay toetsaina diso sady mahery izay no nanimba ny fitokian’ny vahoaka ny JLSC ary niafara tamin'ny andalan-teny mafonja momba ny fitsipaham-pitokisana ary ny antso ho amin'ny fametraham-pialàna. Araka izany, namoy ny fahefany ara-moraly ny Filohan’ny Fitsarana sy ireo mpikambana hafa ao anatin’ny JLSC ary koa namoy ny maha-ara-drariny ny fampiharan'izy ireo ny fahefàna araka ny lalàm-panorenana nankinina tamin'izy ireo.
Justin Phelps, mpisolovava — izay nanao an-kivy ny fifidianana fitsipaham-pitokisana satria, ny filohan'ny fitsarana aza tsy anisan'ny mpikambana ao amin'ny fikambanan'ireo mpahay lalàna akory, tsy anjara raharaha araka ny lalàna ho an'ny LATT io — dia nantso ny lahatsoratr'i Daly ” ho tohankevitra tsara indrindra HO AN'NY fametraham-pialàn'ny CJ [Filohan'ny fitsarana] izay ho hitanao ao anatin'ny ankamaroan'ireo antso toy izany”. Na izany aza, mbola nino izy fa “tena manify ny fototr'ity antso ho an'ny fametraham-pialana ity – na teo aza ny fanatavezana azy”:
Inona no mody lazainy momba azy ary mahitsy ve izy ao anatin'ireo fanapahankeviny? Ny filazana hitako eto dia ny tsy fahombiazan'ny fanarahamaso tena izy ny lasan'i Caesar-Ayers ary ny tsy fisian'ny fanetrentena amin'ny famaliana ireo fanontaniana mila valiny. Nahitsin'ny JLSC ilay voalohany tamin'ny alalan'ny fandàvana ny fotoana nifanomezana, sy ny famoahana fanambaràna iray manazava ny antony. Nisy ihany koa ny fanambaràna avy amin'i Ayers-Caesar izay nanaiky ny andraikitra ary tsy mbola nolaviny ampahibemaso. Tsy antony tokony hanesorana ny lehiben'ny fitsarana (CJ) iray amin'ny toerany ilay fanambaràna faharoa amin’ny tsy fahampian’ny fanetrentena ao anatin’ny valinteny, na ny tohankevitra noho ny tsy fisian'ny mangarahara na ny tsy fandraisany andraikitra. Mety ho antony tsy hitiavana azy izany, saingy tsy maharesy lahatra.
Izay tsy ampy amin'ny fifampiresahana dia izay tsy afaka toherina: misy hevitra taloha ary antony tena tsara hiarovana ny biraon'ny Filohan'ny Fitsarana amin'ny fampitahorana sy ny resaka politika. Tokony harovana ny fotoam-piasany mba hahafahany mitazona ilay fikambanana izay miasa ho toy ny mpanaramaso farany amin'ny fampiasana ny fahefana mpanatanteraka. Tsy misy milaza izany ary mampalahelo izany – satria mety hanampy ny vahoaka amin'ny fandrefesana ny haben'izay lazaina ho fandikandalàna ataon'ny CJ. Ho solony, ampiasaina ireo teny manaitra toy ny fandraisana andraikitra sy ny mangarahara mba hanamarinana ny firodanan'ny governemanta izay miantoka fa mangarahara sy mandray andraikitra ny mpanatanteraka.
Namaly i Phelps momba ny resaka mahakasika ny ara-drariny:
Tsy diso ny milaza fa very ny maha “ara-drariny” ny CJ (JLSC). Tsy nanary ny ‘fahefana moraly’ mba hanatanterahany ny asany ny CJ noho izay fifidianana tsy vao governemanta iray no very ny fahefana moraly na ny ara-drariny amin'ny hetra satria manasonia fanangonan-tsonia ho an'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny ampahany amin'ny firenena. Raha miovaova toy izany ny andrim-panjakantsika, tsy ho afaka hifehy ny lalàna sy ny filaminana isika.
Na izany aza, nanohana ny lahatsoratr'i Daly fa “ny tsy fahampian'ny fahazotoana sy ny fandraisana andraikitra dia tena zavatra samy hafa ary tsy tokony hafangaro — toy ny saika nataon'ny sasany — tamin'ny fampiatoana noho ny fitondrantena tsy mendrika teo anatrehan'ny Lalàm-panorenana”:
Ny fahaverezan'ny fahatokisana sy ny maha ara-drariny ny JLSC no miantoka, raha toa izy ireo ka mifikitra amin'ny toerany, fa ny fotoana nifanomezana izay lazain'izy ireo fa hataony amin'ny hoavy dia ho eo ambanin'ny rahona ary tena ho voatohintohina mafy tokoa ny maha ara-dalàna ireo olona ho voatendry […]
Ny fiantraikany iray hafa amin’ity resaka ity dia resaka mampalahelo nataon'ny olona teny an-dàlambe, raha toa ka isika no hany farany afaka hiambina ny raharaham-pitsarantsika.
Hitan'i Phelps ho tena feno fanesoana izany:
Diso ny asan'ny mpanao lalàna raha toa ny fifidianany ka eritreretiny hoe maneho ny ‘hevitry ny vahoaka’ tena malalaka mba hanaisorana ny fahefana na ny maha ara-dalàna ny andrim-panjakana demokratika iray. Tena zava-dehibe ny hevitry ny vahoaka – nefa eto, izay hevitra izay dia maka endrika, TSY notefen'ny fitondratenan’ny CJ Lehiben’ny Fitsarana, fa noho ny antso tsy misy farany sy nipariaka be tamin'ny haino aman-jery nataon'olom-bitsy ho azy mba hialàny. Ny mahatsikaiky – FORONIN'ireo mpanakiana azy ny tsy fahampiam-pitokisana lazain'izy ireo ho antony tokony hialàn’ny lehiben’ny mpitsara.
Ny fandehanany dia zavatra hafa mihintsy, ary toa zavatra mety tsy hiseho. Raharaha tena manahirana ny manaisotra lehiben’ny mpitsara amin’ny toerany. Ny dingan'ny fanaisorana dia tokony hahitana fanadihadiana mahaleo tena. Manambara ny lalàm-panorenana fa hany azo anesorana amin’ny asany ny lehiben’ny fitsarana dia “noho ny tsy fahafahany manao ny andraikiny eo amin’ny toerany […] na amin’ny fitondrnttena tsy mendrika”, izay toa tsy misy azo ampiharina amin’ity raharaha ity.
Toy izao ny nanazavàn'i Phelps azy:
Misy antony matoa ny Andininy 137 [amin'ny fanesorana amin'ny asany ny mpitsara iray] mamaritra ny haavon'ny lentan'ny fanaisorana lehiben'ny mpitsara ary noho io antony io indrindra no ahazoan'ny fahefana mpanao lalàna ambaratonganà fiarovana ambony mba hampandeha ny demokrasia. Io teboka io no banga ao amin'ilay lahadinika. Raha misy fahamendrehana amin'ity fomba fijery ity dia angamba manana andraikitra TSY HAMETRA-PIALANA i Archie mba hiarovana ny maha-ara-dalàna sy ara-moraly ny fahefan'ny rafi-pitsarantsika.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...