- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampisaintsaina Lalina ny Tontolon'ny Bilaogy Karaibiana Ny ‘Salopety’ Ho An-dehilahy

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Trinite sy Tobago, Hehy, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
[1]

Petadrindrina Facebook miloko miresaka “salopety” (salopette) vao navoakan'i Darren Trinity Cheewah, artista Trinidadiana.

Tratran'ny tazo Romphim [2] (salopety ho an-dehilahy) ny Karaiba. Raha toa ka tsy voatery mihazakazaka mividy ilay “salopety ho an-dehilahy” ry zalahy, ireo mpampiasa Aterineto kosa dia azo antoka fa miresaka izany [3] ao amin'ny media sosialy.

Anatinà faritra iray izay malaza ho tsy mandefitra ny karazanà fomba fiaina hafa, heverina [4] ho toy ny zavatra mety hanaovan'ireo lehilahy pelaka irery ihany [5] ny salopety ho an-dehilahy, ka nampiredareda izany lelafo izany [6], indrisy, ity fironana lamaody ity. Kanefa vehivavy mpampiasa Facebook maro no nanoro hevitra ireo lehilahy mifanahaka aminy mba hitony — rehefa dinihana tokoa, tapaka akanjo kely fotsiny iny izay tena tsy nanan-kery hahatonga azy ireo hanana bikam-behivavy mihitsy. Avy any Jamaika, nanome sosokevitra [7] i Corretta Singer:

Ry Lehilahy,
Miainà lalina…Mitonia…tsy misy olona hanery anao hiakanjo salopety.
1. Tsy ho lasa fanamiana tsy maintsy hanaovana akory io ka TSY MAINTSY hanaovanao ampahibemaso mba haneken'ny fiarahamonina anao. (*jery vilana*)
2. Fantatray rehetra fa tsy mila apetraka aminà toerana iray ianao vao hahatsapa ny zavatra iainan'ny vehivavy isanandro, amin'ny alàlan'ny fanaovana akanjo izay mahatonga anao hahatsapa tena ho miboridana sy marefo. (Sanatria anie izany!)
3. Hatraiza ny harefon'ny mahalehilahy anareo raha mihevitra ianareo fa TAMPOTAMPOKA eo dia hahatonga anareo ho pelapelaka ny akanjo iray?
Indreto misy vahaolana tsotra vitsivitsy:
1. Raha tsy te hiakanjo salopety ianareo….AZA MIAKANJO SALOPETY
2. Raha tsapanareo fa te hiakanjo salopety ianareo…MIAKANJOA SALOPETY ARY ZAKAO NY SAFIDINAREO!!!

Avy eo, navoakany ny sarin'i Sean Connery, mpilalao sarimihetsika, tanatin'ny filalaovany ny mpandray anjara James Bond… miakanjo salopety. Torak'izany, nizara sarin'i Tompokolahy Winston Churchill anatinà salopety i Petranilla London, Trinidadiana, izay narahiny ity vazivazy ity, ”ANDRIAMANITRO OH!!!!!!!!! PELAKA KAY I WINSTON CHURCHILL!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! MILA OVAINTSIKA NY ANARAN'NY LALAMBENTSIKA!!!!!!”

Iray amin'ireo làlana lehibe indrindra ao Trinite ny Lalambe Churchill-Roosevelt [8].

Nizara [9] ny lahatsoratra ”Churchill… milay anatin'ireo salopety…” ny mpiray tanindrazana, Franka Philip, ho fiatohatohana ho an'i London, izay ”ao anatinà fampielezankevitra ampisehoana ireo namana miantso ireo salopety hoe pelaka fa somary diso misafoaka izy ireo”.

Nitsambikina tao anatin'ilay tambabe ny Loop News, izay nanao lahatsoratra [10] manasongadina artista [11] Karaibiana dimy milay ao anatin'ireo salopety.

Nanome sosokevitra anefa i Philip fa ny fanontaniana tena mahamaika [12] ny ametraka azy dia ny hoe ”Fa maninona ireo lehilahy sy ireo olona maro izay mahatsapa fa mahafantatra ny lehilahy no tsy mahatoky tena ny amin'ny tokony ho endrika fisehoan'ny mahalehilahy?”

Taorian'ireo sehonà [13] herisetra maro mianjady amin'ny vehivavy ao amin'ny faritra [14], maro amin'ireo resaka vao haingana ao anaty aterineto no mifandraika amin'ny lohahevitry ny fomba ”fizahozahoana amin'ny mahalehilahy” izay ametrahana matetika ireo lehilahy Karaibiana ao anaty fiarahamonina.

Nisy lehilahy sasantsasany izay tsy nanana olana hizotra mifanohitra amin'ny fanao anefa. Nanontany [15] am-pahasahiana i Niki Lakatoo, mpampiasa Facebook, ”Aiza aty Trinite no misy mivarotra salopety. Teeena hanaovako ity tay ity & tsy misy iraharahiako p**y an'izay olona any.” Eny tokoa, ”tena naniry mafy ny ho eo amin'ny farany aloha amin'ity lazan'ny salopety ity mialohan'ny tena hipoahany”, ny mpakasary ara-barotra iray, izay niantso [16] io fironana salopety io ho ”volamenan'ny mediam-bahoaka”, ary nanasa ireo lehilahy maodely handefa hafatra aminy ho anà fitifirana sary sokajy fombafiainana.

Raha niresaka [17]fitifirana amin'ny heviny hafa ny mpampiasa Facebook iray, tsy nanakana ny lehilahy iray kosa izany handasitra ny hanihaniny mikasika ny fironana — salopety ho an'ny sahan-tsolika [18] — mifanaraka indrindra amin'i Trinite sy Tobago noho ny toekareny mifototra amin'ny angovo.

Niantso ireo fenitra roa manodidina ilay Romphim miaraka aminà “meme” (sary maneso [19]) ny pejy Facebook malaza, Kermit the Ranker:

[19]

‘Meme’ avy amin'ny Kermit the Ranker, nozaraina manerana ny Facebook: ”Tongasoa aty Trinite, izay toerana hanakianan'ireo lehilahy ny salopety nefa ampideràny ny aro-donam-piarakodiany’.”

Nisy mpandraharaha sasany nahita io tsy fankasitrahana manontolo io ho toy ny fotoana iray ahafahana misarika ny sain'ny mediam-bahoaka. Nizara vaovao tao amin'ny Facebook [20] miresaka romp-comp (fifaninanana salopety) ny vondronà farmasia iray ao Trinite sy Tobago:

[20]

Mampiasa ny lazan'ny salopety mba hisintonana mpanjifa ny lahatsoratra Facebook iray avy aminà vondronà farmasia: ”Ny lehilahy voalohany miantsena eny amin'ny sampan'ny Pharmacy Plus na aiza na aiza ka manao salopety dia mahazo famatsiana Multivitamina Alive mandritra ny roa volana.”

Afaka nanara-po tamin'ny famoahana petadrindrina miloko mifandraika amin'ny salopety ny artista Darren Trinity Cheewah:

[21]

Petadrindrina Facebook hitan'ny daholobe navoakan'i Darren Trinity Cheewah: ”Hilay anaty salopety aho. Mahazatra, mahazatra.”

[22]

Petadrindrina Facebook hitan'ny daholobe navoakan'i Darren Trinity Cheewah: ” Vao avy nanjaitra T-shirt sy “joggers” miaraka: manomboka ny lalao salopety.”

[23]

Petadrindrina Facebook hitan'ny daholobe navoakan'i Darren Trinity Cheewah: ” Sarotro ve ilay anaovanareo ao ambanin'ny romphims-nareo? #Mba manontany ho anà namana iray.”

Mandritra izany fotoana izany, nitebiteby [24] noho ny zava-misy i Marvin Gaskin, mpampiasa Facebook, satria ”[dia] firenena mikoroso fahana amin'ny lafiny maro i Trinite, saingy ireo lehilahy manao salopety no mbola manintona ny saina lavitra kokoa nòho ireo olana lehibe ao anatin'ny mediam-bahoaka.”

Namintina izany [25] tamim-pahafetsena i Cheewah:

[25]

Petadrindrina Hitan'ny daholobe navoakan'i Darren Trinity Cheewah: Raha mbola miresaka salopety ianareo dia lasa aho lol.”