- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Libanona : Mafana Fo Nanakorontana Ny Fivoriana Niarahana Tamin'ny Mpanao Politika Sy Nitaky Endrika Ara-politika Tsaratsara Kokoa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Libanona, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora

Pikasarin'ilay lahatsarin'ny hetsipanoheran'ny You Stink (Maimbo Ianareo).  Loharano. [1]

Ny 19 May, mpikatroka roa ao amin'ny hetsika “You Stink (maimbo ianareo) [2]”  no nanakorontana ny resadresaka nifanaovana tamin'ireo libaney mpanao politika fanta-daza tao amin'ny toeram-pianarana ao amin'ny Oniversiten'i Saint-Joseph (USJ) any Beiroty.

  [3]Ny “You Stink”, hetsika ara-politika libaney,  ho valin'ny krizin'ny fivangongon'ny fako tamin'ny 2015, [3] sy ireo vondrona politika tsy miankina maro ary ny fikambanan'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena no manao antso hanaovana tolodalàna vaovao momba ny fifandanjàn-kery any amin'ireo fari-pifidianana lehibe.

Sehatra itenenan'ireo mpanao politika maro  ilay fifanakalozan-dresaka, isan'izany ireo parlemantera sy minisitra. Nahitàna an'i Jamal Jarrah [4], Minisitry ny Fifandraisan-davitra sady mpikambana ao anatin'ny antoko Ny Ho Avy, i Nadim Gemayel [5], solombavambahoaka avy amin'ny Antoko Libaney Phalanges (Kataeb) [6] sady zafikelin'ilay Filoha  Libaney voafidy teo aloha Bachir Gemayel, i Alain Aoun [7], mpikambana ao amin'ny parlemanta avy amin'ny Free Patriotic Movement (FPM) (Hetsika malalaky ny Tia Tanindrazana) [8] antokon'ny vinantolahin'ny Filoha Libaney am-perinasa, [9]Michel Aoun, i  [9]Antoine Zahra [10], [9]solombavambahoaka avy amin'ny antoko Lebanese Forces (LF) [11], ary Youssef Saadeh, minisitra taloha sdy Mpandrindra ny Raharaha ara-Politikan'ny antoko El Marada [12] amin'izao fotoana izao.

Resadresak'ireo mpanao politika tao amin'ny Oniversiten'i USJ. Avy any ankavia miankavanana : Sami Gemayel, Jamal Jarrah, Alain Aoun, Fadi Karam ary Youssef Saade.  Loharanon-tsary: You Stink. Nahazoana alàlana.

Nifanakalo hevitra momba ny lalàm-pifidianana sy ny fanalavàna ny fotoam-piasan'ny Parlemanta ireo mpanao politika ireo, na efa indroa nanalava tamin'ny nahim-pony  ny fotoam-piasany aza ireo solombavambahoaka mpikambana ao amin'ny parlemanta.

Araka ny fanazavàn'i [13]Joey Ayoub, mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices any amin'ny faritr'i MENA tamin'ny 23 Martsa dia :

Tokony ho natao tamin'ny volana Jona 2013 ny fifidianana, saingy notovanan'ny  [14] parlemanta 17 volana ny fe-potoam-piasàny tamin'ny filazàna hoe nisy “olana ara-pilaminana”. Avy eo, tamin'ny volana Novambra 2014, nolazaina indray fa ilaina ny manao lalàm-pifidianana vaovao alohan'ny fifidianana, dia nahemotra [15]ho amin'ny 2017 ny fifidianana. [15] Tamin'ity indray mitoraka ity, dia nambaran'ny governemanta fa ‘antony ara-teknika’ ilay fanalavàm-potoana, raha ny marina dia tapi-dàlan-kaleha amin'ny resaka lalàm-pifidianana vaovao ny parlemanta.

Ary satria efa akaiky ny 19 Jona, fe-potoana faran'ity fanalavam-potoana faharoa ity, dia ketrehina indray ny fanalavam-potoana fahatelo.  Midika izany, hoy ihany i Ayoub, fa tsy mbola afaka mifidy ny ankamaroan'ireo tanora libaney mandra-pisian'ny didy vaovao.

Raha adika izany dia tsy mbola nisafidy izay ho parlemanterany ny olom-pirenena Libaney 28 taona iray na dia efa afaka nifidy ara-dalàna aza izy nanomboka tamin'ny faha-21 taonany.

Efa an-taonany maro no niadian'ireo mpanao politika hevitra hatrany hatrany momba ny lalàm-pifidianana . Na hitàna ny rafitry ny maro an'isa, na hanangana ny fifandanjan-kery araka ny fitakian'ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena sy ireo antoko politika tsy miankina maro no fototr'ilay adihevitra. Ny rafi-pifidianana amin'izao fotoana izao dia ny “latsabato iombonan'ny vondrona”.

Avoitran'ireo tsikera fa ny lalàm-pifidianana amin'izao fotoana izao, atao hoe lalàm-pifidianana 1960,  dia mandray ny fomba fanao ” izay mpandresy no manjaka” amin'ny fihodinana iray ihany. Ohatra, raha misy lisitra mahazo ny 51%-n'ny vato, dia azy ny seza rehetra. Tsy mahazo na inona na inona ilay lisitra nahazo ny 49% -n'ny vato, vokany fandresena tanteraka ho an'ilay nahazo ny 51 %-n'ny vato. Tsy mamela ireo hery politika vaovao hisondrotra izany, hoy ny maro, sady manazava ny antony mahavoafidy foana io antoko iray any Libanona io tato anatin'ny folo taona.

Fanampin'izany, mampizarazara ihany koa ny lalàna any Libanona satria tsy maintsy atao zara mira amin'ny Silamo sy ny Kristiana ny ao amin'ny  parlemanta libaney, izany hoe ny foto-pinoana tsirairay dia samy efa manana isan-tseza voafaritra.

Ny Kataeb ohatra, dia mangataka ireo distrika tokana, ahafahany mifehy kokoa ny distrika amin'ny alàlan'ny fitsinjaràna izany ho sekta. Toherin'ireo mpikatroka mafana fo izany hevitra fizarazaràna izany, hamafisiny fa mampihena ny fisainana mizarazara sy ny toetra lomorina fanjonoana olona ny fari-pifidianana lehibe. Miaraka amin'ny distrika lehibe kokoa mantsy, hoy ry zareo, dia tsy maintsy manitatra ny kabariny tsara lahatra any ankoatry ny sekta misy azy ireo mpifaninana mba hahazoana fari-pifidianana lehibe kokoa.

Notantarain'ilay mpikatroka fahatelon'ny “You Stink” mivantana tamin'ny Facebook ny zava-niseho. Kanefa, nosamborin'ireo mpianatra mpomba ireo mpanao politika ireo roa mpanao fihetsiketsehana ireo.

” Lalàm-pifidianana momba ny fifandanjàn-kery sy fari-pifidianana lehibe” sy ny “valo taona nandaingàna sy mandany andro” no sorabaventy notazonin'ireo mpanao fihetsiketsehana, entina ilazàna fa efa hatramin'ny 2009 ireo parlemanta ireo no amperinasa. ‘Ndehana mody!” hoy ny iray tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Notohizan'ny iray hoe: ” Valo taona ianareo no nihomehy naneso anay “.


” Izao ve no fomban'ny olo-mandroso hanaovanareo zavatra ?” hoy ry zareo nanohy nikiakiaka rehefa noterena hivoaka.

Niresaka tamin'ny Global Voices, tao amina lahatsary iray i Tarek Serhan, iray amin'ireo mpikatroka mafana fo,  nanazava fa niezaka nametraka ny fomba fijeriny ry zareo :

Tianay nolazaina tamin-dry zareo  ” Maimbo ianareo, efa  lany daty , afaka mody amin'izay ianareo, miady hevitra momba ny demokrasia ianareo nefa angalarinareo amin'ny alàlan'ny tsy famelanareo azy hifidy ny zon'ny vahoaka.”

Hoy izy momba ireo mpianatra izay nanosika an-dry zareo :

Nambaranay azy ireo fa olona tia filaminana izahay ka tsy tokony ho natosika tahaka ireny.

Rehefa tafavoaka ireo mpikatroka mafana fo, mbola nampitahorin'ireo mpianatra ihany.

Nambaranay an-dry zareo fa tsy te-hiady izahay, ary dia naneso anay ry zareo sady nilaza hoe tsy handresy anay ianareo.

Mpikambana iray ao amin'ny’ You Stink’, izay nifidy ny tsy hitonona anarana, no niteny tamin'ny Global Voices fa mbola enjehina sy ampitahorina ihany koa ilay mpikatroka mafana fo izay naka ilay lahatsary .

Tsy ampy 24 ora akory, dia efa voajery in- 42.000 tao amin'ny Facebook ilay lahatsary, niaraka tamina fanehoankevitra manohana ireo mpikatroka anankiroa, manameloka ireo mpianatra izay nandroaka ireo mpanao fihetsiketsehana sy ireo mpianatra tsy nihetsika.

“Nahoana ireo mpianatra sasany no tsy nihetsika ?” hoy ny fanontanian'i Elie Rizk

Pikantsary avy amin'ny fanehoankevitra tao amin'ilay lahatsary. Loharano: Facebook [1]

Fanehoankevitr'i Mi Chel : “Na dia ny fahalalahana maneho hevitra aza dia foanana sy lavina. Fahefana avy aiza no nahafahana nampijaly ireto lehilahy ireto nitondràna azy ireo hivoaka ny trano ?”

Pikantsary avy amin'ny fanehoankevitra tao amin'ilay lahatsary. Loharano: Facebook. [1]

Noheverina ho ny Alatsinainy 15 May ny fivorian'ny Parlemanta hiadiana hevitra momba ny lalàm-pifidianana vaovao, nefa, toy ny mahazatra, dia nahemotra ilay fotoam-pivoriana.