- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Antony Anoheran'ny Dokotera Sy Ny Mpianatra Ny Sekoly Tsy Miankina Hany Fianarana Ho Dokotera Any Sri Lanka

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Fanabeazana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona
[1]

Ny tranoben'ny Sekoly Ambony Fianarana Teknolojia sy Ho Dokotera Aziana Atsimo any Malabe akaikin'i Colombo. Sary an'i Mediajet tao amin'ny Wikimedia

Any Sri Lanka, dokotera sy mpianatra maro no nanao hetsi-panoherana [2] nandritra ny volana maro nangataka tamin'ny governemanta hanakatona ny Ivontoerana Fianarana ho Dokotera sy Momba ny Teknolojia Any Azia Atsimo (SAITM) [3], ilay hany oniversite tsy miankina ao Sri Lanka, mampiofana ireo mpianatra ho mpitsabo amin'izao fotoana izao .

Manohitra ny fanaovana ny fanabeazana ho an'ny tsy miankina izy ireo ary mitaraina fa ny fanokafana anjerimanontolo tsy miankina dia hisy fiantraikany goavana amin'ny fahafahan'ny zanak'ireo fianakaviana mahatra hiditra amin'ny fanabeazana.

Any Sri Lanka, vatsian'ny fanjakana ny fanabeazana ary atolotra maimaim-poana ho an'ny ambaratonga rehetra [4], ao anatin'izany ny ambaratonga ambony eny amin'ny anjerimanontolo. Nanomana iray andro fitokonana [5] ireo dokotera mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Dokoteram-panjakana (GMOA) tamin'ny fiandohan'ny volana May, nanohitra ny fihetsiky ny polisy tamin'ireo mpianatra ary nangataka [6] mba hanakatonan'ny fanjakana ireo oniversite fianarana ho dokotera, na hakàna izany ho fananam-panjakàna.

Ho fanoherana ny didim-pitsarana [7], tokony ho 5000 ireo mpikambana ao amin'ny federasionan'ny mpianatry ny samy oniversite (IUSF) no nanohy ny hetsi-panoherana [8] tamin'ny 17 May. Rehefa tsy nahavita nampiato [9] azy ireo ny polisy dia nitoraka ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso ary nitondra azy ireo tao amin'ny kianja akaiky teo.  Maro ireo mpanao hetsi-panoherana no naratra ary nampidirina tao amin'ireo hopitaly tsy lavitra teo.

Niteraka fitohanana lehibe tao amin'ny faritr'i Kolombo izay nanaovan'izy ireo izany ilay hetsi-panoherana.

#SAITM [10] Baomba mandatsa-danomaso nampiasaina tamin'ny hetsi-panoheran'ny IUSF manohitra ny SAITM pic.twitter.com/d9nxk6jY7p [11]

Mpianatry ny Anjerimanontolo 8 nosamborina nandritra ny diaben'ny hetsi-panoherana, naiditra am-ponja hatramin'ny 19 May #LKA [13] #SRILANKA [14] #SAITM [10] #CEYLON_MESSENGER [15] pic.twitter.com/Bih6vQX [16]

Nisy mpianatra maromaro sy Bodista mpitoka-monina nosamborina [18] nandritra ilay hetsi-panoherana.

Ny raharaha manohitra ny SAITM

Hatramin'ny fanombohany tamin'ny 2008, SAITM no ivon'ireo adihevitra maro raha maro ireo mpianatra avy amin'ireo sekoly tantanan'ny fanjakana sy dokotera miasa amin'ny fanjakana no nametraka fanontaniana momba ny fenitry ny fanabeazany sy ireo toeram-pitsaboany. Mihoatra ny 3 lavitrisa Rs Sri Lankey (6.5 tapitrisa Dolara Amerikana) no vola nampiasain'ny SAITM tao amin'ilay toeram-pampianarana, anisan'izany ny hopitaly fampianarana ahitana fandriana miisa 850. Manambara [19] ilay toeram-pampianarana fa ambony kokoa noho ny an'ny oniversite fianarana ho mpitsabo tantanan'ny fanjakana  ny fenitra sy ny foto-drafitrasany

Tamin'ny 2013, ny Kaomisiona misahana ny Vatsim-pianaran'ny mpianatry ny Oniversite (UGC) ao Sri Lanka dia nanolotra [20] sata fahafahana manome mari-pahaizana ho an'ilay sekoly ambony tao anatin'ireo fihetsiketsehan'ny Federasionan'ny Samy Mpianatry ny Anjerimanontolo (IUSF) sy ny Fikambanan'ny Dokoteram-panjakana (GMOA).

Tamin'ny jolay 2016, na izany aza, naato [21]n'ny Fitondram-panjakan'i Sri Lanka ny fandraisana mpianatra vaovao ao amin'ny sekoly ambonin'ny SAITM taorian'ny tolokevitra maromaro navoakan'ny komity matanjaka iray ivondronan'ireo profesora taorian'ny fiampangàna momba ny fenitry ny fampianarana ao.

Misy ady ara-pitsaràna miforona amin'izao fotoana izao mba hanomezana alalana ireo nahazo maripahaizana tao amin'ny SAITM hanao ny asan'ny mpitsabo any Sri Lanka.

Nanomboka tamin'ny Jolay 2016, nandà tsy nety hanoratra ny anaran [22]‘ireo andiana mpianatra miisa 30 nahazo maripahaizana tao amin'ny SAITM ny Filànkevitry ny Mpitsabo any Sri Lanka noho ny antony hoe ny fandaharana MBBS arahan'ny mpianatra ho dokotera ao amin'ny SAITM dia tsy mahafeno ireo fepetra maha-mpiana-draharaha azy ireo any amin'ny hopitaly.

Fanabeazana Maimaimpoana Sa Fahalalahan'ny Fanabeazana

Tamin'ny 31 Janoary, tao anatinà fanapahankevitra manan-tantara, nanome baiko ny Filànkevitry ny Mpitsabo ao Sri Lanka ny fitsarana ambony ao Tan mba hamela ny fisoratana anarana vonjimaika ho an'ireo nahazo maripahaizana ho dokotera tao ami'ny Sekoly Ambony Tsy Miankina Fianarana ho Dokotera sy Momba ny Teknolojia Any Azia Atsimo (SAITM)

Nanohitra mafy [23] ity fanapahan-kevitra ity ny Fikambanan'ny Dokoteram-panjakana (GMOA) ary nanao andianà hetsi-panoherana tao amin'ny renivohitr'i Sri Lanka ireo fikambananà mpianatra isan-karazany, ao anatin'izany ny  Federasionan'ny Samy Mpianatry ny Oniversite, ny herinandro taorian'izay.

Tamin'ny 7 Febroary, notifirin [24]à lehilahy roa tsy fantatra anarana nitàna basy nitaingina moto ny Tale Jeneralin'ny SAITM, ny Dokotera Sameera Senarathne, fa afa-nandositra ary tsy naratra. Manasongadina ny fihenjanan'ny adihevitra momba ny olan'ilay sekoly ambony tsy miankina fianarana ho dokotera any Sri Lanka ilay fanafihana.

Nametraka antontan-taratasy fitoriana [25] tany amin'ny Fitsarana Tampony ny Filànkevitry ny Mpitsabo ao Sri Lanka hanohitra ilay didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana ambony tamin'ny 31 Janoary.

Nanoratra tao aminà bilaogy ho an'ny Groundviews i Hilmy Ahamed [26]:

Mbola nanohy nanao hetsi-panoherana ny oniversite SAITM manomana ny maripahaizana ho mpitsabo ho toy ny loza mitatao ho an'ny fampianarana hatrany ireo mpanararaotra ara-politika sy ireo mpianatra ao amin'ny Oniversitem-panjakana izay mandray soa avy amin'ny volan'ny mpandoa hetra amin'ny alalan'ny fampianarana maimaimpoana. Tsy miraharaha na minia tsy manohitra ireo fandaharam-pampianarana manomana maripahaizana ataon'ireo toeram-pampianarana tsy miankina an-jatony izy ireo. Nahoana no ny fandaharan'ny fampianarana tsy miankina ho mpitsabo ihany no hita ho toy ny loza mitatao ho an'ny fampianarana maimaimpoana? Ny ‘mafia’ ara-pahasalamana ao amin'ny GMOA, izay mitazona ny hazon'aina isak'izay mandray fanapahankevitra ny fitondrana, izay andraisan'ny ankamaroan'ny olom-pirenena tombontsoa, dia mitarika fanentanana hanoherana ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Ambony.

Ary nanoratra tao amin'ny Echelon i Devan Daniel [19]:

Taompolo telo lasa izay, nanana olana tamin'ny tsy fahampiana dokotera i Sri Lanka, izay dokotera iray ho an'ny mponina 6000. Nihatsara ny fandehan-javatra nandritra ny taona maro, ary amin'izao fotoana izao, dokotera iray ho an'ny olona 1.100 ao amin'ny firenena. Fa araka ny filazan'ny Fitch Rating Lanka, orinasa mpanombana manana ny hajany, nitombo ny fitakiana ho an'ny dokotera sy ny fikarakarana ara-pitsaboana tsaratsara kokoa tao Sri Lanka, raha ampitahaina amin'ny salanisa 670 isaky ny mpitsabo hita erantany.

Noho ny fahafahan'ny fitondrana voafetra amin'ny fametrahana sekoly fianarana ho dokotera na hanitatra izay efa misy, tsy maintsy mandray anjara toerana ny sehatra tsy miankina.

Ny valintenin'ny fitondram-panjakana

Tamin'ny fiandohan'ny volana May, nitsikera [27] ireo hetsi-pahonerana toto ho ato ny Filohan'i Sri Lanka, Maithripala Sirisena, ary nanondro ireo dingana izay noraisin'ny fitondrana mba handaminana ireo olana mahakasika ilay kolejy tsy miankina fianarana ho mpitsabo, anisan'izany ny fametrahana fenitra fanabeazana mendrika kokoa ho an'ny SAITM sy ny fandraisana an-tànana ny hopitaly tsy miankina an'ny SAITM.

Vahaolana Iray Amin'ny SAITM: Fandraisana An-tànana ny Fitsaboana & Fanomezana Alalana Ireo Sekoly Ambony Hafa Mba Hanohy Hampianatra

Tamin'ny Aprily 2017, namoaka ity taratasy ity ny fitondrana mamariparitra ireo fanapahankeviny momba ireo mpianatry ny SAITM [31], anisan'izany ny fametrahana fotoam-piofanana vaovao sy ny fanadinana tsy maintsy eo ambany fanarahamason'ny Filànkevitry ny Mpitsabo sy ny Kaomisionan'ny Oniversite momba ny Vatsim-pianarana:

[32]

Sary avy amin'ny pejy Facebook ny SAITM (tsindrio ny sary raha hanalehibe)

Tratra tao anatin'ny fifampitifirana

Ny mpianatry  ny SAITM sy ny olon-tsotra no tena lasibatra tao anatin'ireny ady izay nibahana ny vahoaka sy ny haino aman-jery sosialy ireny. Vao haingana no nanolotra mpianatry ny SAITM maromaro tao amin'ny fampielezankeviny “Ny Tantaran'ny SAITM-ko” [33] ny Colombo Telegraph, izay toa miantso fiarahana miory amin'ireo mpamaky. Misy ihany koa ny pejy Facebook izay mitondra ny lohateny hoe “Nahoana no ilaintsika ny SAITM? [34]” izay manome ny antony tokony hitohizan'ny maha-tsy miankina an'ilay toeram-pianarana. Ny pejy “Fantaro ny SAITM [35]” etsy an-daniny, manasongadina ilay sekoly ambony, amin'ny fanambarana fa tsy manaraka ny fenitra izy io ary ny mampandoa saram-pianarana mihoa-pampana.

Naneho hevitra tao amin'ny Twitter ny olona:

Bokikely manohitra ny SAITM no nozaraina teny ambony fiarandalamby tamin'ny maraina teo.

SAITM Fandrika Mihatra Aman'Aina Sy ny Hoavinao no ambarany.

Zava-dehibe ny manamarika fa tsy miankina daholo ireo sekoly faratampony mampianatra ho mpitsabo eto amin'izao tontolo izao, toy ny Harvard, Stanford, Johns Hopkins.

@JustFabulous_S [40] @DilanthaShamal [41] Iza no miteny fa tsy nihetsika isika! Tsy ao amin'io maridrefy io mazava ho azy! Tsarovy fa ny SAITM dia ho an'ny olona toa antsika, & nefa isika miezaka ny hampitsahatra izany! Tadiavo Y

Tsy manana fanajàna aho ho an'ireo mpikamban'ny #GMOA [43] sy ny Dokotera any #lka [38] manao ny vahoaka ho takalon'aina amin'ireo fangatahana feno fitiavantena intsony #SAITM [10] . #leeches [44]

Nohadihadian'i Dr. Ruvan Weerasing ny ankamaroan'ireo fomba fijery mifanohitra tao amin'ny matoandahatsoratra an-gazety iray mitondra ny lohateny “Ho an'ny SAITM Na Tsy Ho An'ny SAITM — Izay Ve No Olana? [46]” ho an'ny Colombo Telegraph ary nilaza fa mba adihevitra mitombina kokoa momba ny fahafahan'ny sehatra tsy miankina manome fitsaboana na tsia no nilaina natao.

Nanambara [47]tao aminà lahatsoratra tao amin'ny Facebook ireo manampahefana ao amin'ny SAITM fa miaraka miasa amin'ny Fitondram-panjakana izy ireo amin'izao fotoana izao amin'ny tolokevitra izay natao ary hanaraka ny fanapahankevitry ny Fitsarana Tampony.

Namaly i Hilmy Ahamed [26]:

Ho hita eo raha mbola hanohy hanaisotra ny zon'ny tanorantsika hanaraka fampianarana tsy miankina ho dokotera any Sri Lanka ireo Dokotera ‘Mafia’