- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hijanona Sa Handeha? Toa Ho Diso Safidy Hatrany Ireo Mpiasa Etiopiana

Sokajy: Afrika Mainty, Arabia Saodita, Etiopia, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Sendikà, Vehivavy sy Miralenta, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Pikantsary avy amin'ny tatitra [1] tao amin'ny Ethiotube ‘Mitaraina ireo Etiopiana ao Arabia Saodita noho ny fitavozavozan'ny Masoivoho’ .

Niangavy ny governemanta Etiopiana ireo mpiasa mpifindra monina Etiopiana an'arivony ao Arabia Saodita mba hanafaingana ny fodian'izy ireo amin'ny alalan'ny fanampiana azy ireo amin'ny fanomanana ny antontan-taratasy mba hahazoana visa fivoahana, satria efa miomana amin'ny fanombohana ny fandroahana Etiopiana hatramin'ny dimy hetsy ilay firenen'ny Helodrano.

Efa ho telo volana izao no nanomezan'ny governemantan'i Arabia Saodita 90 andro ho an'ny mpiasa mpifindra monina rehetra tsy nahazo alalana  tao Arabia Saodita mba handaozana [2]ny firenena.

Arabia Saodita sy Qatar no anisan'ireo firenena vitsy eto amin'izao tontolo izao izay manery ny mpiasa vahiny mba haka visa fivoahana mialoha ny handaozany ny firenena. Misy ihany koa ny antontan-taratsasy tsy maintsy omanina mba hahazoana ny visas.

Araka ny tatitry ny sehatra Fahitalavitra sy Onjampeo Etiopiana mandeha amin'ny Zanabolana (ESAT) izay miasa any ivelan'i Etiopia hoe:

Since Saudi officials announced those with illegal status to leave the country Ethiopian immigrants are strongly accusing Ethiopian embassy in Saudi Arabia for not helping them to return to Ethiopia.

Koa satria efa nanambara tamin'ireo izay manana sata tsy ara-dalàna ny manampahefana Saodiana mba hiala ny firenena, niampanga mafy ny masoivoho Etiopiana  ao Arabia Saodita ireo mpifindra-monina Etiopiana  noho ny tsy fanampiana azy ireo amin'ny fiverenana any Etiopia.

Na izany aza tsy nisy afa-tsy Etiopiana miisa 80.000 ihany no nahazo ny antontan-taratasy fodiana izay hanampy azy ireo amin'ny fomba ara-dalàna hivoaka ny firenena herinandro mialoha ny fe-potoana 90 andro farany sy rehefa afaka volana maromaro tamin'ny fahatarana [3]momba ny fitantanan-draharaha tao amin'ny Masoivoho Etiopiana ao Arabia Saodita, .

amin'ireo Etiopiana  tombanana ho miisa 400.000 tsy manana antontan-taratasy monina ao Arabia Saodita , tsy misy afa-tsy 80. 000 mahery ihany no  “manana visa fivoahana “; 11 andro alohan'ny famindram-po

Tombanana eo amin'ny 750.000 eo ho eo ny mpifindra monina Etiopiana mipetraka [8] ao Arabia Saodita, mpiasa tsy nahazo alàlana ny  maro an'isa amin'izany .

Niditra [9]tao Arabia Saodita tamin'ny alalan'ny fantsona samihafa ny Etiopiana. Nandeha fiaramanidina ireo mpiasa sasany izay nahazo alàlana fa ny ankamaroan'ny olona kosa dia niditra ny firenena an-tsokosoko noho ny fanampian'ny mpanao trafika. Misy ihany koa ny sasany izay mijanona ao amin'ny firenena rehefa avy nandalo tao nandritra ny fivahiniana masina Islamika tao Lameka.

Hatreto, mpifindra monina miisa 30.000 ihany no nalefa niverina tany Etiopia. Na izany aza, raha amin'izao fandehany izao dia mbola any Arabia Saodita ny ankamaroan'ny mpifindra monina manana fampodiana an-tanindrazana raha hifarana ny fe-potoanan'ny famindram-po. Nilaza ny manampahefana Saodiana fa hanomboka hanao bemidina izy ireo ary handroaka ny mpiasa mpifindra monina amin'ny 30 Jona.

Tamin'ny taona 2013, rehefa niroso tamin'ny fanapahan-kevitra mitovy amin'izany ny manampahefana Saodiana dia lasibatra tamin'ny herisetra [10]ara-batana mahafaty ireo Etiopiana mpifindra monina. Notànana tany amin'ny foiben'ny fonja vonjimaika ireo mpiasa izay nitady hiverina any Etiopia , sady tsy misy sakafo anefa no tsy misy fialofana mendrika.

Nandritra ny fandroahana tamin'ny taona 2013, nampiasa ny media sosialy ny Etiopiana mba hikarakarana ny hetsi-panoheran [11]‘izy ireo tao Arabia Saodita.

Na dia teo aza ireo zava-tsarotra sy ny fampanantenan'ny governemanta Etiopiana ny famindram-ponenana haingana, dia misy ireo mpifindra monina izay tsy te-hiverina any Etiopia, firenena izay tsy ahitana afa-tsy fahafahana ara-toekarena vitsivitsy ihany.

Nitatitra [12]i Nebiyu Sirak, olon-tsotra mpanao gazety monina ao Arabia Saodita :

It is horrifying that most Ethiopians have not shown an interest in returning home despite risk of violence.

Tena mampivarahontsana ny mahita fa tsy liana amin'ny fiverenana any an-tanindrazany ny ankamaroan'ny Etiopiana na dia eo aza ny mety hisian'ny herisetra.

Raha manahy ny amin'ny hoavin'izy ireo ny mpiasa, nampanantena kosa ny ny governemanta Etiopiana fa hampidina ny vidin'ny tapakila fiaramanidina hodiana any an-tanindrazana amin'ny antsasa-bidy [13] ho an ‘ireo izay handray ny fiaramanidina Ethiopian Airlines, ary hanolotra toeram-ponenana sy asa ihany koa rehefa tonga any an-toerana. Maro anefa no mihevitra izany ho toy ny fampanantenana poakaty.